Toko faha 3
1
Da Petera sy i Jaona niakatry tame fiangonagny tamin'e lera fivavahagny, gne lera faha sivy.
2
Da nisy lela raiky nalemy hatramin'gne nahateraky anazy netigny isan'andro tame Vavahady Tsaran'endriky e fiangonagny, mba hangataky fagnomezagny ara-bola amin'gne olo izay mandea am-piangonagny.
3
Rehefa naita an'i Petera sy Jaona izay handeha hiditry gne fiangonagny, da nangataky fagnomezagny ara-bola tamindreo izy.
4
Nagnety gne masony niaraky tamin'i Jaona i Petera da nizaka hoe: "Iteo iay" .
5
E lela malemy nagnety andreo, nagnategna gne ahazo avy amindreo.
6
Nefa i Petera nizaka hoe: "Volafotsy sy Volamena gne tsy hanagnako, nefa gnanagnako, gne homeko anao. Amin'gne agnaran'Jesosy Kristy avy a Nazareta, mandiana."
7
Nandray anazy tame tagnany hakavanagny, i Petera nanagnagny anazy, tonga da lasa natanjaky gne tongotrin'e lela sy gne kitrokeliny.
8
Nitsambikigny, e lela malemy da nitsangagny da nanomboky nandea; sady niaraky niditry tamin'i Petera sy i Jaona tam-piangonagny izy, nandea, nitsambikigny, sady nidera an'Andriamanitry.
9
Gne olo marobe da nahita anazy nandea sy nidera an'Andriamanitry.
10
Tsikaritrin-dreo fa izy e lela nangataky fagnomezagny ara-bola tamin'olo tame Vavahady Tsaran'gne fiangonagny; da tena gaga sy talanjgny indreo nohon'gne ra nitranga taminazy.
11
Da noho izy nitazogny an'i Petera sy Jaona gneolo marobe da nitarodrotry nagnatogny andreo tame fialofagny izay nantsoigny hoe fialofan'i Solomona gne olo marobe, sady tena gaga.
12
Rehefa naita anizany i Petera da namaly gn'olo hoe: "Anareo vahoakan'Israely, nagnino ra gaga anareo? Nagnino gne masonareo ra mandiniky anay, ako hoe herinay na fahamasinanay manokangny gne nampandeha anazy?
13
Gne Andriamanitry Abrahama, sy an'Isaka, da an'i Jakoba, gne Andriamanitrin'gne raintsika, nagnome voninahitry an'i Jesosy mpanompony. Izy gne natolotrinareo sy nolavinareo tanoloan'i Pilato, tamin'izy nanapa-kevitrygne handefa anazy.
14
Nolavinareo gne raiky izay Masina sy Maria da naleonareo nangataky gne mpamono olo mba ho alefa ho anareo.
15
Novonoinareo gne Mpagnorigny e fiainagny, izay natsangan'Andriamanitry tame maty_da vavolombelon'izany iay.
16
Amizao, nohon'gne finoagny amin'gne agnarany_ gne lela izay hitanareo sy fantatrinareo_igny agnaragny igny avao gne nahatonga anazy hahery. Gne finoagny avy amin'i Jesosy gne nagnome izao fagnasitragnana feno izao ho anazy agnatrehanareo marobe.
17
Amizao, ralah, fantariko fa nagnano izany anareo nohon'gne tsy fahalalanareo, ako gne nanin'gne mpitondraanareo avakoa.
18
Fa gne ra izay nozakain'Andriamanitry mialoa tame vavan'gne mpaminany marobe, hoe tokony hojaly e Kristy, da efa tanteraky aminizao.
19
Mibeba, noho izany, da miveregna, mba ho vofafa gne fahotanareo, mba ho tonga gne fotoagny mahavelombelogny anatrehan'gne Tompo;
20
da handefa an'e Kristy izay voatendry ho anao izy, da i Jesosy.
21
Izy gne tsy mentsy ho resin'gne lagnitry ambara-pahatongavan'gne lera fameregnana ame loany gne ra marobe, momban'gne ra nizakain'Andriamanitry taloa tame vavan'gne mpaminany masina.
22
Nizaka marina i Mosesy hoe: 'Gne Tompo Andriamanitry da hanagnagny mpaminany ako ana avy amin'gne rahalanareo. Anareo hiteno gne ra marobe izay ho zakainy aminareo.
23
Hitranga gne hoe gne olo marobe tsy miteno izany mpaminany izany da ho ringagny tanteraky tsy ho ao amin'olo.'
24
Eka, da gne mpaminany marobe nanomboky tamin'i Samoela sy gne zay tonga tafarany, da nizaka mafy sy nagnambara gne andro.
25
Anareo gne zanakin'gne mpaminany sy gne fagnekegny izay nanin'Andriamanitry tamin'gne razambe, araky gne nozakainy tamin'i Abrahama hoe: 'Ame tarankinao da ho tahigny gne fianakaviagny marobe eran-tany.'
26
Tafaran'gne nananganan'Andriamanitry gne mpanompony, da nandefa anazy ho anareo aloha izy, mba hita anareo ame fialanareo amin'gne faharatsianareo."