Toko faha 4
1
Raha nikoragny tamin'gne fokonolo i Petera sy Jaona, da tonga gne mpisorogny sy gne lehiben'gne mpiambigny e fiangonagny da gne Sadoseo.
2
Vignitry be indre noho i Petera sy Jaona nampianatry gne fokonolo sy nitory gne fitsanganagny ame maty tamin'gne alalan'i Jesosy.
3
Nosamborigny indreo da nihiditry tam-ponja mandrapahatongan'gne marina, satria efa hariva gn'andro tamin'izany.
4
F'izy maro tamin'olo naharegny gne hafatry e nino; da gne isan'e lela izay nino da dimy arivo teo ho eo.
5
Da omarain'igny da niotriky ta Jerosalema gne mpanapakin-dreo, olombe da gne mpanora-dalagny.
6
Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy gne marobe havan'gne mpisoronabe.
7
Ra nalefa tategnategnany i Petera sy Jaona, da nagnotany andreo hoe: "Aminin'gne hery ino, na amin'gne agnaragny ino, gne nagnamboaranareo anizany?"
8
Aveo i Petera, feno gne Fagnahy Masina, da nizaka andreo hoe: "Anao mpanjaka e fokonolo, sy gne lohologny,
9
raha nagnotaniagny momban'gne asa soa naninay tamin'io lela narary io iay tamin'io andro io_tame fomba akoignaia gne nahasitragny io lela io?
10
Da aoky ho fantatry nareo marobe da gne fokonolon'Israely maro, fa tamin'e agnaran'i Jesosy Kristy avy agny Nazareta, izay nifantsianareo, gne natsangan'Andriamanitry tame maty_tamin'e alalany gne ijoroan'ity lela ity amasonareo etoa.'
11
Jesosy Kristy da vato izay naninareo mpanagnatragno tsinotsinona f'izy efa nanigy ho loahan'gne vato fehizoro.
12
Da tsy misy famonjegny avy ame hafa, fa tsy misy agnaragny hafa ambanin'gne lagnitry nomen'e olo izay tsy maintsy havovonjy antsika".
13
Da rehefa nahita gne fasahian'i Petera sy Jaona indreo, da natsapa fa olo tsotry, olo tsy nianatry, da gaga indreo, nahafantatry fa niaraky tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona.
14
Satria indreo naita e lela izay sitragny nitsanga niaraky tamindreo, da tsy naita ho zakaigny hanoheragny izany indreo.
15
Fa rehefa avy nandidt gneapostoly hiala gne fivorian'gne filan-kevitry indreo, da nifampikoragny indreo.
16
Hoy indreo hoe: "Ino gne tokony ho anigny am'itoa lela toa? Nohon'gne fahagagagny vita tamn'gne alalan-dreo da fantatrin'gne olo maro mipetraky Jerosalema etoa, da tsy hafaky manda anizany isika.
17
Fa mba tsy hiparitahan'izany amin'gne fokonolo, da hatsika isika hampitandrigny andreo mba tsy hizakan-dreo izany agnaragny izany esanaky.
18
Nangiagny hiditry Petera sy Jaona da nizakainy indreo tsy nizaka sy tsy hampianatry amin'gne agnaran'i Jesosy esanaky.
19
F'izy namaly andreo i Petera sy Jaona nizaka hoe: "Raha marigny anatrehan'Andriamanitry gne magneky anareo mihoatry Anazy, da anareo gne mitsara.
20
Tsy hafaka gne hijanogny tsy hizaka gne momba e ra hitanay st regninay iay."
21
Tafaranin'gne fampitandremagny an'i Petera sy Jaona, da napetraky nandea indreo. Fa tsy nahita ra hagnasaziagny andreo indreo, satria nidera an'Andriamanitry gne fokonolo nohon'gne ra vitany.
22
E lela niagny gne fahagagagny sy fagnasitranagny da nihotry gne efa-polo taogny.
23
Tafaran'gne nagnafahagny andreo, da tonga tame fokonolo i Petera sy Jaona da notaterigny andreo gne ra nizakain'gne lohan'e mpisorogny sy gne lohologny tamin-dreo.
24
Rehefa regnin-dreo izany, da niaraky nanandratry gne feon-dreo ho an'Andriamanitry indreo da nizaka hoe: "Tompo, anao gne nagnano e lagnitry sy e tany sy gne ranomasigny, sady gne ra marobe aminazy.
25
Nizaka tame alalan'gne Fagnahy Masina tamin'gne vavan'e mpanomponao, gne raintsika Davida Anao hoe: 'Nagnino vignitry gne firenena Jentilisa, sy gne olo mieritreritry ra tsy misy ilagny anazy?'
26
Anareo mizaka hoe: Gne Mpanjakan'gne tany da nitambatry, da gne mpanapaky da nivondrogny hanihitry e Tompo, sy hanohitry gne Kristianina.'
27
Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilato, izay niaraky tamin'gne jentilisa sy gne fokonolon'i Israely, gne nivory tatanagny hanohitry an'i Jesosy mpanomponareo, izay nosoranareo.
28
Niaraky nivory indreo mba hagnano gne ra maro nanin'gne tagnanareo sy gne drafitry nareo izay izay efa notahin-dreo ho anigny mialoha.
29
Amizao, Tompo, iteo gne fampitandreman-dreo da omeo gne mpanomponao mba hizakany e zakanao ame fasahiagny tanteraky.
30
Amparo gne tagnanao mba hagnasitragny, da hagnome gne famantragny sy fahagagagny ame alalan'e agnaran'i Jesosy mpanomponao masina."
31
Rehefa avy nivavaky indreo, da nihozongozogny gne toeragny nivorian-dreo, da feno gne Fgnahy Masina indreo marobe da nizaka tame zakan'Andriamanitry ame fasahiagny.
32
Da raiky fo sy fagna gne olo marobe izay nino. Tsy nisy nizaka fa gne ra izay azony da anazy raiky, fa ra niarahan-dreo nanagny.
33
Niaraky tame hery zakabe gne nagnambaran'gne apostoly e fijoroan-dreo vavolombelogny momba gne fitsanganan'i Jesosy Tompo tame maty, sady fahasoavagny zakabe gne tamindreo marobe.
34
Tsy nisy olo sahiragny tamin-dreo, fa izay nanagny tany na tragno da navidy sady nitondra gne volon'e ra lafo.
35
Da napetraky tame tongotrin'e apostoly, sady nozaraigny tame olo kiraikiraiky arakin'gne ilain-dreo
36
Josefa, Levita raiky, lela avy ta Sipra izay natsovan'e apostoly hoe Barnabasy (izay midika hoe Zanaky lelan'gne Fampaherezagny),
37
nivarotry tany sy nitondra gne vola da nametraky anazy tame tongotrin'gne apostoly.