Toko faha 2

1 Rehefa avy gne andron'e Pantekosta, nivory tame toeragny raiky indreo aby. 2 Tampoky teo lat'andagnitry nisy feo akô rivotry mafy nifofofofo, da nameno gne tragno manontolo izay nipetrahan-dreo izany. 3 Nisy afo akô lela maro izay nizarazara, da nipetraky t'ambonin-dreo kiraidraiky aby. 4 Indreo aby da feno gne Fagnahy Masigny da nanomboky nizaka tamin'e fizaka maro samy hafa, araky gne nomen'e Fagnahy Masigny hizakan-dreo. 5 Da nisy Jiosy izay nipetraky ta Jerosalema, olon'Andriamanitry, avy ame firenegny maro ambanin'e lanitry. 6 Rehefa nandre anizany feo zany, da avy niaraky gne vahoaky sady sahiragny e saigny satria gne kiraidraiky da samy naharegny andreo nizaka tamin'e fizakany aby. 7 Indreo da talanjogny sady gaga; nizaka hoe: "Marina, fa tsy gne olo aby mizaka io me gne Galileanina? 8 Nagnino gne naharegny andreo asika, ame fizakantsika tsiraikiraiky aby izay naha zakabe antsika? Partianina sy Medianina 9 da Elemita , da indreo mipetraky agny Mesopotamia, agny Jodia da Kapadokia, agny Ponto da Asia, 10 Frygia da Pamfylia, agny Egypta da Libya hatrany amin'e Kyrena, da indreo mpitsidiky avy e Roma, 11 Jiosy sy Proselyta, Kreatana sy Arabo, da regnitsika mikoragny ame fizakantsika momba gne asa zakabe anin'Andriamanitry. " 12 Indreo da gaga sady sahiran-tsaigny; da nifampiresaky indreo hoe: "Ino e dikan'izany?" 13 Fa gne sasany nagneso sady nizaka hoe: "Indreo da mamon'e divay vaovao." 14 Fa i Petera nitsangagny niaraky tamin-dreo raik'ambin'ny folo, nampiakatry gne feony, sady nizaka tamin-dreo hoe: "9 lelàn'i Jodeo sy anareo aby mipetraky eto Jerosalema, Aoka ho fantanarei izao, tandreo gne zakako aby io. 15 Ho an'e olo tsy mamo araky gne heverinareo, fa vatany vô ora fahatelo amin'e andro izao. 16 Fa izao gne vôzaka tamin'i Joela mpamimany: 17 'Amin'e andro farany,' Andriamanitry mizaka hoe: 'Halatsakiko amin'e olo aby gne Fagnahiko. Indreo zanakareo là sy gne zanakareo viavy da haminany, gne zatovonareo da hahita fahitagny, da gne lelà antitrinareo hagnonofy nofy. 18 Akô izany avakoa gne amin-dreo mpanompoko viavy am'ireo andro ireo. Halatsakiko gne Fagnahiko, da indreo da naminagny. 19 Iao da hampiseho raha mahagaga egny ame lagnitry ambony da famantaragny egny ame tany ambany, rà, afo, da enton-tsetroky. 20 Gne masoandro da ho lasa hizigny da gne volagny ho lasa rà, mialoha gn'andro zakabe sady miavaky hiavian'e Tompo. 21 Da gne olo aby izay mangaiky gn'agnaran'Andriamanitry da ho voavonjy. 22 Ry olon'Israely, tenomy izao zaka zao: Jesosy lat'e Nazareta, gne olo nampisehoagny anareo tamin'e gn'alalan'Andriamanitry mba ho marigny amin'e gn'asa lebe aby, da gne famantaragny aby izay nanin'Andriamanitry taminazy antegnategnanareo, araky gne fantatrin'e tegnanareo. 23 Io lelà io da natolotry gne drafitr'Andriamanitry izay efa nomanigny mialoha sy gne fahalalany, da gne tagnan'e mpadika lalàgny da anareo, namono anazy tame famantsihagny anazy tamin'e hazo fijaliagny. 24 Fa Andriamanitry nanangagny Anazy, nagnafaky Anazy tamin'ireo fanaintaignan'e fahafatesagny, satria sarotry ho Anazy e niala tam'izany. 25 Fa i Davida mizaka momba anazay hoe, "Nahita gne Tompo teo anoloako isan'andro iao, fa eto an-tagnak'avanako Izy ka tsy tokony hangozohozo iao. 26 Da tena faly gne foko sady niravoravo gne lelako. sady koa, gne nofitriko hivelogny amin'e fahatokiagny. 27 Fa tsy nilôzanao ho agny amin'e Fiainagny tsy hita gne Fagnahiko sady tsy hamela gne Raiky Masigninao ho lo anao. 28 Nampahafantatry anà gne lalan'e fiainagny Anao; Anao da hameno fifaliagny anà amin'e gn'endrikiko. ' 29 Ry ralà, afaky mikoragny aminareo am-pitokiagny momba an'i Davida Patriarika iao: efa maty izy gne nalevigny, da gne koboriny da eto amintsika mandrak'androany. 30 Noho izany, mpaminany izy sady fantany fa efa nitangegny tamin'Andriamanitry, fa gne taranakiny gne ho eo amin'e seza fiandrianagny. 31 Efa hitany izany da nikoragny momba gne fitsanganan'i Kristy tame fahafatesagny, 'sady izy tsy navela tam'e fiainagny tsy hita, sady tsy nagnano gne nofotriny hontratrin'e fahaloavagny. ' 32 Io Jesosy io-Andriamanitry gne nanangagny Anazy, vavolombelogny amin'izany anay aby,. 33 Noho izany rehefa nasandratry gne tagnak'avanan'Andriamanitry Izy da nandray gne Fagnahy Masigny nampagnantegnainy avy tamin'e Ray, efa narotsakiny izany, izay hitanareo sady regninareo. 34 Fa i Davida da tsy niakatry t'andagnitry, fa izy nizaka hoe: 'Gne Tompo nizaka tamin'e Tomoo, "midoboa eto ame tagnako ankavanako, 35 mandra-pagnamboarako gne fahavalonao ho fipetrahan'e tongotrao. "' 36 Noho izany, aoka ho fantatr'e rehetra indrindra gne tragnon'Israely fa Andriamanitry gne nagnano Anazy ho Tompo sady Kristy, gne Jesosy izay nombohanareo. " 37 Rehefa naharegny anizany indreo, voatsindrogny gne fon-dreo, da nizaka tamin'i Petera sy ireo apostoly ambiny hoe: "Ralà, ino gne tokony ho aninay?" 38 Avy eo petera nizaka tamin-dreo hoe: "Mibebaha magnamboara batisa, anareo tsiraidraiky aby, amin'e gnagnaran'i Jesosy Kristy ho famelagny gne fahotanareo, sady handresanareo gne fagnomezan'e Fagnahy Masigny. 39 Fa gne fampangnantenagny da ho anareo sy gne zanakareo da indreo aby izay lavitry, ka ho maro gne olo izay ho angian'e Tompo Andriamanitsika. " 40 Niaraky tame zaka maro hafa gne nijoroany ho vavolombelogny sady nandrisihany andreo; nizaka izy hoe, "Vonjeo gne tegnanao am'ity taranaky ratsy fagnahy ity. " 41 Da indreo nandray gne zakany da nanigny batisa, da tokony fagnahin'olo teo amin'e telo arivo teo ho eo gne nampiagny tamin'io andro io. 42 Nanohy sady niharitry gn'asa fitoriagny gn'apostoly indreo, teo ame fanapahagny gne mofo sy gne fivavahagny. 43 Avy tamin'e fagnahin'e tsiraidraiky gne tahotry, sady fahagagagny da famantaragny maro gne vita tamin'e gn'alalan' e apostoly. 44 Indreo aby nino da nivory sady nanagny raha nitovy, 45 sady indreo da nivarotry gne taniny sy gne fanagnany da nizara izany tamin-dreo aby, araky gne nilainy aby. 46 Da isan'andro isan'andro da nitohy nanompo tamin'e fomba fagnitegny mitovy tao ame tempoly indreo, sady nanapaky gne mofo t'andragno, da nizara hanigny tame fifaliagny sy fo feno fanetren-tegna; 47 Nidera an'Andriamanitry sady nahazo fankasitrahagny tamin'e gn'olo aby. Isan'andro gne Tompo da nagnampy gne isan-dreo voavonjy.