Toko faha24

1 Tafaran'e dimy andro, Ananiasy ilay mpisorogny be, indreo loholo sasany, ary mpikabary angiagny hoe Tertylo da nandeha tagny. Ireo lelà ireo da ninday fitoriagny an'i Paoly tankatrefan'e governora. 2 Rehefa nitsangagny tankatrefan'e governora i Paoly, da nanomboky nitory anazy i Tertylo ka nizaka tamin'e governora hoe: "Noho anao da managny fiadanagny zakabe anay, ary gne fahitanao da minday fagnovagny tsara amin'e firenegninay eo; 3 ka am-pankasitrahagny tanteraky gn'andraisanay e raha aby izay aninao, rô Feliksa tsara indrindra. 4 Mba tsy hitazomako anareo ela lotry, da nangataky fotoagny kidikidy aminareo iao mba hiteno anà am-pahatoniagny. 5 Fa io lelà io da hitanay fa mpagnakorontagny ary raiky ame nitariky gne Jiosy aby magneragny an'izao tontolo izao hitokogny. Izy e mpitariky gne sekta Nazareana. 6 Da izy avakoa e niezaky gne handoto e tempoly, ka dia nosamborinay izy. (Fagnamarihagny: Gne antonta-tarstasy aby taloha da nagnampy hoe: "Tianay ho tsaraigny arak'e lalàgninay izy.") 7 (Fagnamarihagny: Gne antonta-tarstasy taloha da ahitagny ao ame gnandininy faha 7 hoe: "Fa Lysia, mpiandraikitry, avy ary nangala anazy an-keriny tame tanàgninay.") 8 Rehefa magnontany an'i Paoly mikasiky gne raha aby io anao, da ho fantanao gne mikasiky gne fitoriagny naninay momba anzy aby io. " (Fagnamarihagny: Gne antonta-tarstasy taloha da nagnampy ao ame andininy faha 8 hoe: "Nandefa anay teo aminao.") 9 Indreo Jiosy avakoa da nagnampy trotraky gne fitoriagny io, sady nagnamafy fa marigny aby izany. 10 Fa rehefa nitondroin'e mpanapaky hizaka i Paoly, da namaly i Paoly hoe: "Fantanao fa anao da efa avy mpitsara teto am'ity firenegny ity nandritry gne taogny maro, da faly gne tegnako magnazava aminao. 11 Ho fantanao fa tsy mbola nihoatry gne roy ambin'ny folo andro izay e neresako nidera ta Jerosalema. 12 Rehefa hitan-dreo tao an-tempoly iao, da tsy niady hevitry ndre taminia ndre taminia iao, sady tsy namporisiky gne vahoaky, ndre tamine Synagoga, na t'antanàgny. 13 Tsy afaky magnaporofo aminareo fitoriagny izay aniny amina amizao indreo. 14 F'izy iao magneky izao aminao, araky gne Fampianaragny izay angian-dreo hoe sekta, da akô izany avakoa gne hanompoako gne Andriamanitry gne razambetsika. Iao da mahatoky amin'e gn'olo aby izay ao ame lalàgny sy gne voasoratrin-dreo mpaminany. 15 Managny e fahatokiagny an'Andriamanitry akô ireo olo ireo iao, fa hisy gne fitsanganan'e marigny sy gne ratsy fagnahy ame maty. 16 Noho izany iao da miezaky mandrakariva mba hanagny fisaignagny madio eo agnatrehan'Andriamanitry sy gn'olombelogny. 17 Da tafaran'e taogny maro da avy iao hinday fagnampiagny ho an'e fireneko sy fagnomezagny ara-bola. 18 Rehefa vitako izany, nisy jiolahy vitsivitsy avy agny Asia nahita anà tame fetin'e fagnadiovagny tao ame tempoly, tsy niaraky tame fokonolo na tabataba. 19 Ireo olonireo da tokony ho eo ankatrefanareo amin'izao da izaka izay hitorian-dreo anà, La managny raha indreo. 20 Na koa, io olo maro io avao gne tsy tokony hizaka gne raha hitan-dreo tsy mety aty aminà rehefa nitsangagny teo ankatrefan'e filan-kevitrin'e Jiosy iao, 21 raha tsy hoe momba gne raha raiky izay nihikiako rehefa nijoro tategnategnan-dreo iao: 'Izany da mikasiky gne fitsanganan'e maty izay hitsaragny anà eto ankatrefanareo androany. ' 22 Ary Feliksa, izay nampafantarigny tsara momba gne Fampianaragny. Izy da nizaka hoe: 'Rehefa midigny avy e Jerosalema i Lysia mpandidy, da nanapa-kevitry gn'amin'e raharahanao iao." 23 Avy eo izy nandidy e kapiteny fa i Paoly da tokony hembenagny, fa mba hisy fahafahagny da tsy hisy amindreo namany ho sakagny ame fagnampiagny izay raha ilainy. 24 Andro vitsivitsy tafaran'izay, da niverigny niaraky tamin'i Drosila vadiny i Feliksa, izay viavy Jiosy, da nalefa ho an'i Paoly izy sady naregny taminazy momba gne finoagny ao amin'i Kristy Jesosy. 25 Fa rehefa niady hevitry niaraky tamin'i Paoly momba gne fahamarinagny, fahononan-tegna, sy gne fitsaragny ho avy, da lasa nalia i Feliksa da nizaka hoe: "Mandeana manomboka izao. Fa rehefa managny fahafahagny iao afara ao, da handefa ho anao. " 26 Nandritry an'izany fotoagny zany avao, da nagnantegna izy fa hagnome vola anazy i Paoly, nohonizany da nandefa ho anazy matetiky izy sady nikoragny taminazy. 27 Fa rehefa afaky roy taogny, da lasa governora nandimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, f'izy Feliksa te ahazo sitraky tame Jiosy, da navelany ho hembenagny avao i Paoly.