Toko faha25
1
Am'izao fotoagny zao, Festony niditry tame faritany, da telo andro tafara taty, da niakatry avy te Kaisaria izy ho e Jerosalema.
2
Gne lohan'e mpisorogny sy indreo Jiosy manan-kaja da nitondra fagnamelohagny hitory an'i Paoly, ka namporisiky anazy sady
3
nangataky tamindreo mba hampiditry loza an'i Paoly_ka mety hampangaiky an'i Paoly ho e Jerosalema Festosy mba afahan-dreo mamono anazy an-dalagny egny.
4
F'izy Festosy namaly fa gadra e Kaisaria Paoly, sady izy vatategnany da hipody agny tsy ho ela.
5
"Nohonizany, indreo izay afaky," hoy izy: "da tokony handeha hiaraky aminay agny. Raha nagnano raha tsy nety e lelà igny, da tokony hitory anazy anareo. "
6
Festosy da tsy hijanogny nihoatry gne valo na folo andro sady aveo nidigny nandea a Kaisaria, da gn'andro magnaraky da nipetraky teo ame toeran'e fitsaragny izy da nandidy an'i Paoly mba indesigny aminazy.
7
Rehefa avy izy, da nipetraky t'akeky teo indreo Jiosy avy te Jerosalema, da nitondra fitoriagny zakabe maro indreo izay tsy afaky noporofoin-dreo.
8
Niaro-tegna Paoly da nizaka hoe: "Tsy nagnano raha ratsy manohitry gne lalàgni'ny Jiosy iao na manohitry gne tempoly na manohitry an'i Kaisara. "
9
F'izy nitady izay ahazahoany gne fankasitrahan-dreo Jiosy i Festosy, ary noho izany da namaly an'i Paoly izy da nizaka hoe: "Te hiakatry ho e Jerosalema me anao sady ho tsaraiko momba gne raha tagny aby?
10
Hoy Paoly hoe: " Mitsangana eto ankatrefan'i Kaisara anao izay tsy maintsy hitsaragny anà. Tsy nagnano ratsy gne Jiosy iao, araky gn'efa fantatrinao tsara.
11
F'izy raha nagnano ratsy iao sady raha nagnano izay mendriky gne fahafatesagny, da tsy mandà gne ho faty. Fa raha tsy misy gne fitoriagn'andreo, da tsy misy olo afaky minday anà ho amin-dreo. Nangataky an'i Kaisara iao. "
12
Rehefa avy nikoragny tamin'e filan-kevitry Festosy, da namaly izy hoe: " Nangataky an'i Kaisara anao. Agny am'i Kaisara gne handehananao.
13
Da tafarany gn'andro vitsivitsy, da avy tagny am'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mba hamangy an'i Festosy.
14
Tafaran'e naha tao anazy nandritry gn'andro maro, da natolotr'i Festosy teo ame mpanjaka gne raharahan'i Paoly; nizaka izy hoe: "Nisy lelà raiky navelan'i Felix aty akô gadra.
15
Rehefa te Jerosalema iao, da ninday fitoriagny ity lelà ty taminà taty gne loholon'e Jiosy, da nangataky zaka fagnamelohagny ho anazy indreo.
16
Namaly andreo iao fa tsy fomban-dreo Romana gne manolotry olo mialohan'e hihatrehany andreo mpitory anazy sy hanagnany fahafahagny hiaro-tegna amin'e fiampangagny aby io.
17
Noho izany, rehefa niaraky avy teto indreo, da tsy nandigny iao, fa gn'andro magnaraky da nidoboky tame sezan'e fitsaragny iao sady nibaiko gne gn'ampidiragny an'igny lelà igny.
18
Rehefa mitsangagny indreo mpiampanga ka nagnameloky anazy, da neveriko fa tsy nisy zakabe gne fitoriagny nindesin-dreo ho anazy.
19
F'izy, nifamaly indreo mahakasiky gne fivavahan-dreo manokagny sy momba anizany Jesosy izay maty izany, gne nambaran'i Paoly fa velogny.
20
Tsy azoko antoky gne fomba hagnadihadiagny ity tranga ity, ary noho izany da nagnontaniako izy raha vonogny gne ho e Jerosalema mba ho tsaraigny ane mikasiky gne fitoriagny.
21
Fa rehefa nangataky gne hijanogny agnatin'e figadragny mba handigny gne fanapahan-kevitry gne Amperora i Paoly, da nandidy anazy iao mba ho tazomogny am-pigadragny ao izy mandra-pandefasako anazy agny ame Kaisara. "
22
Agripa nikoragny tamin'i Festosy hoe: " Te haregny ity lelà ty avakoa iao. "Omaray," hoy Festosy: "Haregny anazy anao."
23
Ka gn'andro magnaraky, da avy niaraky tame lagnonagny marobe Agripa sy Berenika; niditry tame gn'efitragno zakabe niaraky tamin-dreo miaramila mpifehy sy indreo lelà manan-kaja tame tanàgny indreo. Rehefa nizaka gne didy Festosy, da nindesin-dreo i Paoly.
24
Hoy Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy anareo lelà aby izay miaraky aminay etoa, itanareo ity lelà ity; indreo fokonolon'e Jiosy aby nifagnaraky taminà te Jerosalema sy etoa avakoa, da nitaraigny taminà indreo fa tsy tokony ho velogny koa izy.
25
Fantako fa tsy nagnano ndre ino ndre ino mendriky gne fahafatesagny izy; fa satria nangataky gn'Amperora izy, da nanapa-kevitry iao gn'andefa anazy.
26
F'izy tsy misy raha manan-danjan ho soratako ame gn'Amperora. Noho izany antony izany, da nindesiko taminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba ahafahako managny raha ho soratagny zakabe kokoa mikasiky gne raharaha igny.
27
Satria akôra tsy mety aminà gne mandefa gadra sady tsy mizaka gne hitoriagny anazy avakoa.