Toko faha-22
1
" Ry ralà izy am'iaba, tenomy gne fiarovako izay haniko aminareo am'izao."
2
Refa nahare an'i Paoly nizaka tamin'e zaka Hebreo gne fonkonolo, da lasa nisigny indreo. Hoy izy hoe:
3
"Jiosy iao, teraky tagny Tarsosy agny Kilikia, f'efa be tamin'ity tanàgny ity tamin'e tongotr'i Gamaliela. Nampianarigny araky gne fomba hetitry gne lalàgn'ireo razantsika iao. Tena mafana fo ho an'Andriamanitry iao, akô anareo agnaby amin'izao andro izao.
4
Nagnenjiky io Làlagny io ho ame fahafatesagny iao, nifehy sy nanolotry andreo ho atao an-dragno mizigny ndre viavy ndre lelà,
5
sady gne mpisorogny be izy amign' olombe agnaby afaky mijoro vavolombelogny. Nahazo taratasy avy agny amindreo iao ho an'ireoralà agny Damaskosy, sady nandeha negnagny ninday andreo nimpody mbola mifehy negnà Jerosalema mba hagnasaziagny andreo.
6
Da izao gne nibôky refa nandeha sady nagnakaiky an'i Damaskosy iao, sady tamin'e mitataovovonagny teo da nisy hazavagny zakabe avy agny an-dagnitry nanomboky nazava nagnodidigny anà.
7
Lavo tame tany iao sady nahare feo nizaka taminà hoe: 'Saoly, Saoly, nagnino anao gne magnejiky Anà?'
8
Namaly iao hoe: 'Ia me anao, Tompoko?' Nizaka taminà Izy hoe: 'Iao gne Jesosin'e Nazareta, izay enjehinao.'
9
Indreo izay niaraky taminà da nahita gne hazavagny, fa indreo tsy nahafantatry gne izay nozakainy taminà.
10
Hoy iao hoe: 'Ino e tokony aniko, Tompoko?' Gne Tompo nizaka taminà hoe: 'Mitsangàna sady midira agny Damaskosy; agny gne hagnambaragny anao gne raha agnaby izay tokony ho aninao.'
11
Tsy nahita nohon'e famirapiratan'izany fahazvagny izany iao, sady notantanan'ireo izay niaraky taminà, da avy tagny Damaskosy iao.
12
Nifankahita tame lelà raiky nantsoigny hoe Ananiasy tagny iao, lelà matahotry an'Andriamanitry nagnaraky gne lalàgny sady tsara laza tamin'ireo Jiosy agnaby izay nipetraky tao.
13
Nagnantogny anà izy, nijoro tagn'ilako, sady nizaka hoe: ' Ry Saoly, magniteha.' Tamin'izany lera izany da nahita anazy iao.
14
Sady nizaka izy hoe: 'Gn'Andrimanitr'ireo razantsika da nifidy anao mba hahalala the sitrapony, mba hahita gne Raiky Marigny, sady hahare gne feo aloaky gne vavany.
15
Fa ho vavolombelogny ho Anazy amign'olo agnaby momba izay hitanao sy regninao anao.
16
Sady magnino anao gne mandigny? Mitsangàna, aoky ho anigny batisa, sady sasay gne fahotanao, mangehà amign'agnarany."
17
Refa avy nimpody tagny Jerosalema iao, sady râ mbola nivavaky tame fiangonagny, da nahazo tsindrimandry iao.
18
Nahita Anazy iao nizaka taminà hoe: 'Malaky mialà an'i Jerosalema, satria indreo tsy hagneky gne fijoroagny vavolombelogny momba Anà.'
19
Hoy iao: 'Tompo, indreo tompon-tegna da mahafantatry fa iao nagnadra sy nikapoky ireo nino Anao tame synagoga agnaby.
20
Refa nalatsaky gne ràn'i Stefana vavolombelonao, iao koa da nitsangagny teo sy nagnakaiky, sady niambigny gne fitafian'ireo izay namono anazy iao.'
21
Fa nizaka taminà Izy hoe: ' Mandehana, satria halefako lavitry an'ireo Jentilisa anao."'
22
Niteno anazy indreo mandram-pizakany an'izany. Da nagneky mafy indreo sady nizaka hoe: "Vonoy hiala ame tany gne lelà akô io, satria tsy mendriky gne ho velogny izy." 23Râ naresaky indreo, nagnatoraky gn'ankajony, sady nagnatoraky vovoky tame rivotry,
24
gne lehiben'e Kapiteny da nandidy an'i Paoly mba indesigny agny ame lapa. Izy nandidy fa tokony hadinigny miaraky ame kapoaky izy, da izy avao d'efa hahalala hoe nagnino indreo gne nikohikohiky anazy akô izany.
25
Refa namehy anazy tamin'e taretry hoditry indreo, da hoy Paoly tamign'e kapiteny izay nitsangagny teo: "Ara-dalàgny ho anareo me gne magnakaravasy lelà izay Romanigny sy tsy mbola hotsaraigny avao?
26
Refa naharegny an'izany gne kapiteny, da negnà ame lehiben'e kapiteny izy da nizaka anazy, nizaka hoe: "Ino izao ataonao izao? Fa mponigny Romana io lelà io."
27
Nagnantogny gne lehiben'e kapiteny sady nizaka taminazy hoe: "Zakay aminà, mponigny Romana me anao?" Paoly namaly hoe: "Eka."
28
Sady namaly gne lehiben'e kapiteny hoe: " Tamin'e vola be avao gne nazahoako gne zom-pirenegny io. Fa Paoly nizaka hoe: " Nateraky ho mponigny Romana iao."
29
Sady niala anazy tselatsela teo gne lelà izay nametra-,pagnontaniagny anazy. Natahotry avakoa gne lehiben'e kapiteny, refa fantatriny fa mponigny Romana i Paoly, satria izy nifehy anazy.
30
Gne maraigny igny, ta hafantatry gne marigny momba ireo fanendrikendrehan'ireo Jiosy nanohitry an'i Paoly gne lehiben'e kapiteny. Da notatagny gne fehiny sady nibaiko ireo mpisorogny be izy ame filan-kevitry agnaby mba hivory izy. Sady ninday an'i Paoly nidigny izy sady nametraky anazy teo ategnategnan-dreo.