Toko faha 21

1 Refa niala tamindreo iay da nandeha sambo, da nandeha lala-mahitsy negn'agny ame tanagnin'i Kosy, negn'agny ame tangnin'i Rody gn'andro magnaraky, sady avy ao da negn'agny ame tanagnin'i Patara. 2 Refa nahita sambo niampita negn'a Foinika iay, da niditry tao iay ka nandeha sambo. 3 Refa avy nahita an'i Kyprosy, da namela an'izany tegny ampitan'e sambo ho agny Syria iayda nijanogny tao Tyro, tanagny izay namoahan'e mpitondra sambo gn'etagny tagnaty sambo. 4 Raha vô nahita an'e mpianatry iay, da nijanogny tagny nandritry gne fito andro. tame gn'alalan'e Fagnahy da nandresy lahatry an'i Paoly fezay indreo mba tsy handeha ho agny Jerosalema. 5 Refa tapitry gn'andronay tegny, da niala tao iay ka nandeha tame lalagninay, sady izy agnaby, niaraky tame vady aman-janakiny, nagnaraky nivoky tao ame tanagny. SAdy nandohaliky tegny amoron-dranomasigny da nivavaky 6 sady nifagnano veloma. da niditry tao ame sambo iay, sady indreo niverigny tagny andragnony. 7 Refa vitanay gne dia tagny Tyro, da avy tagny Ptolemaisy iay. Tagny da nifakahita tame rahala sady nijanogny andro raiky niaraky tamindreo. 8 Gn'omaraigny n'igny da niala tao iay sady nandeha tagny Sezarea.Niditry gne tragnon'i Filipo atsika, evanjelita, izay raiky tame fito , sady nijanogny niaraky tamin'azy iay. 9 Amizao io lela io da nanagn'anaky viavy virjiny efatry izay naminany. 10 Refa nijanogny tao nandritry gn'andro maromaro iay, da nisy mpaminany raiky nidigny avi tagny jodia nantsovagny hoe Agabo. 11 Nagnatogny anay sady nangala gne fehikibon'i Paoly izy. Tamin'igny gne namehezany gne tombokiny izy ame tagnany sady nizaka hoe: "Hoy gne Fanahy Masina, 'da ako izao gne hamatoran'e Jiosy agny Jerosalema gne lela izay tompon'ity fehikibo ity, sady hanolotry an'azy eo antagnan'e Jentilisa.''' 3 Fa refa nandagnogny kitay kakazo, sady nametraky an'izany teo ame gn'afo Paoly, da nisy menaragny nijotso nohon'e hafanagny, sady nifamolitry tame tagnany. 4 Refa nahita gne biby nihantogny tame tagnany gne tompo tanagny, da nifampiresaky indreo hoe: "Tena mpamono olo izay nilefa avy tagny an-dranomasigny io lelà io, raha gne rariny da tsy tokony ho velogny izy." 15 Tafaran'io andro io, da ninday gne kitaponay iay ka niakatry negn'agny Jerosalema. 16 Da nisy gne mpianatry sasany avakoa avy agny Sezarea nagnaraky anay. Ninday lela raiky niaraky tamindreo izay nantsoigny hoe Menasona, lela avy agny Sipra, mpianatry mainty molaly, izay tokony hiresanay mipetraky. 17 Refa avy tagny Jerosalema iay, da nandray anay am-pifaliagny gne rahala. 18 Gn'omaraignin'igny da nagnaraky anay i Paoly ho agny am'i Jakoba, sady teo agnaby gne lohologny agnaby. Refa avy niarahaba andreo izy, da nitatitry tsiraidraiky gne raha agnabyizay 19 Refa namboarin'Andriamanitry tame Jentilisa tame gn'alalan'e gn'asa fanompoagny. 20 Refa naharegny an'izany indreo, da nidera an'Andriamanitry, sady nizaka tamin'azy hoe: "Hitanao, o rahala, an'arivony firy gne nino tame Jiosy. Tapa-kevitry izy agnaby hitandrigny gne lalagna. 21 Efa nozakaindreo gne momba anao, fa anao da mampianatry gne Jiosy agnaby izay mipetraky eo ame jentilisa hahafoy an'i mosesy, sady anao mizaka andreo tsy hamora gne zanany, sady tsy hagnaraky gne fomba taloha. 22 Ino gne tokony hohanitsika? Ho regnin- dreo tokôtry fa avy anao. 23 Ka amboary izay zakainay anao. Managny lelà efatry izay nagnano voady iay. 24 Ento ireo lelà reo da diovy miaraky amin-dreo gne tegnanareo, da haloavy ghe fandanian-dreo, Da ho fantatry gne olo rehetra fa gne raha izay nozakaigny momba anareo da diso. Ho fantatr'indreo fa anao da magnaraky lalàgny avakoa. 25 Fa mikasiky gne Jentilisa izay nino, iay da nanoratry sady nagnome torolalagny fa tokony hitandrigny gne tegnany amin'e raha vita sorogny ho an'e sampy indreo, avy amin'e rà, avy amin'izay nokendaigny, sady avy amin'e fijangajangagny. 26 Aveo da nalain'i Paoly ireo lelà, da gne maraigny, izy nagnadio gne tegnany niaraky tamin-dreo, niditry tao ame fiangonagny, nagnambara gne vanim-potoagnan'e andron'e fagnadiovagny, mandra-pagnatitry gne fagnatitry ho an'e olo tsiraidraiky tamin-dreo. 27 Refa ho tapitry gne fito andro, gne Jiosy sasasasany avy agny Asia, nahita an'i Paoly tao ampengonagny, nampikorontagny gne fokon'olo agnaby, sady nisambotry an'azy. 28 Nitabataba indreo hoe: "O olon'Israely ,ampio iay ". io gne lela izay mampianatry gn'olo agnaby hatraiza ka hatraiza gne raha izay manohitry gn'olo, gne lalagna, da ity tanagny ity. Fagnampin'izany, ninday Grika tao am-pengonagny avakoa izy da nandoto an'ity toeragny masigny ity. 29 " Fa indreo taloha nahita an'i Trofima izay Efeziana niaraky tamin'azy tao an-tanagny, sady nieritreritry indreo fa iPaoly gne ninday an'azy tao am-pengonagny. 30 Nifanaritaky gne tanagny manontolo, sady niaraky nihazakazaky da nisambotry an'i Paoly gn'olo. Nisintogny an'azy hijotso ao ame fengonagny indreo, da nahidy teo noe eo gne varangara. 31 Raha teo ampamonoagny an'azy indreo, da nisy vaovao avy tagny ame kapitenin'e mpiambigny fa mikorotagny agnaby Jerosalema raiky manontolo. 32 Avy da nangala miaramila izy ame kapiteny izy sady nihazakazaky nidigny negn'agny ame fokon'olo, da nijanogny namango an'i Paoly indreo. 33 Da nagnatogny gne kapiteny da nisambotry an'i Paoly, sady nasainy nofatoragny tame rojo vy roy izy. Da nagnotany izy hoe ia izy da ino gne naniny. 34 Gne sasany tame fokon'olo nitabataba raha raiky sady gne hafa sasany raha hafa. Satria tsy afaky nizaka ndre ino ndre ino gne kapiteny nohon'e tabataba agnaby, da nasainy netigny ho agny ame rova i Paoly . 35 Refa avy teo ame tohatry izy, da nindesin'e miaramila izy nohon'e herisetran'e fokon'olo. 36 Fa nagnaraky tafara gne fokon'olo maro sady nanohy nihorakoraky hoe: "Vonoy izy" 37 Raha igny ho entigny tao ame rova igny i Paoly, da hoy izy tame kapiteny hoe: "Afaky mizaka raha aminao me iao?" Hoy gne kapiteny hoe: " Mizaka Grika me anao?" 38 Tsy anao me gne Egyptiana, izay nitariky korotagny tagny aloha sady nitariky gne efatrarivo lahy an'e 'mpamono olo' nijotso avy tagny an-tany fogny?" 39 I Paoly da nizaka hoe: "Iao da Jiosy, avy agny ame tanagnin'i Tarsosy agny Kiliaka. Iao da olon'e firenen'e tanagny managny lanja. Mangataky aminao iao, avelay iao hizaka ame gn'olo". 40 Refa namela an'azy hizaka gne kapiteny, da nitsangagny teo ame tohatry i Paoly sady nagnano fihetsiky tame tagnany tame fokon'olo. Refa nisy fahanginagny laligny, da niresaky tamindreo tame fizakagny Hebreo izy. Hoy izy.