Toko faha-20

1 Refa tapitry e naresaky, namory ireo mpianatry i Paoly sady aveo nampahery andreo, nagnano veloma izy sady lasa handeha ho agny Makedonia. 2 Refa nandeha tegny amin'ireo faritry ireo sady nagnano teny fankaherezagny maro andreo, da avy tagny Gresia izy. 3 Refa avy nijanogny tell volagny tao izy, nisy teti-dratry noforonin'ireo Jiosy hanoheragny anazy efa izy handeha hiantsambo ho agny Syria igny, da nanapa-kevitry gne himpôdy ho agny Makedonia izy. 4 Nagnaraky anazy hatragny Asia lavitry abjy i Sopaterera zanaky lahin'i Pyro avy agny Beria; Aristarko sy Sekondo, samby avy amin'ireo mpino Tesalonika; Gayo avy agny Derbe; Timoty, sady Tykiko sy Trofimo avy agny Asia. 5 Fa ireo lelà ireo efa nandeha alohanay sady nandigny anay tagny Troasy. 6 Niaraky tame sambo niala two Filipy iay tafaran'e andro fihinanagny mofo matavay, sady tagnantin'e dimy andro da avy tagny amindreo Troasy iay. Sady nimpetraky tao iay nandritry gne fito andro. 7 Tamign'andro vôlohan'e herigna'andro, refa nivory niaraky mba hanapaky gne mofo iay, da nikoragny tamin'ireo mpino i Paoly. Izy da nikinia handeha gn'omarainigny, da tsy nanohy koragny hatrame sasakaligny izy. 8 Nisy jiro maro tamign'efitry ambony izay nihavianay niaraky. 9 Tamin'e varangarankely gne nidobôky ity korao nantsoigny hoe Eotika, izay tafalatsaky tagnantin'e torimaso laligny. Râ nikoragny elabe tokôtry i Paoly, io korao io, da mbola natory avao, tafalatsaky agy egny ame rindrigny fahatelo sady nony narenigny izy da efa maty. 10 Fa i Paoly nidigny, nagnampatry e tagnany taminazy, sady namihigny anazy. Aveo izy nizaka hoe: "Ka malahelo esanaky, fa velogny izy." 11 Da aveo niakatry izy sady hanapaky gne mofo sy nihinagny. Refa avy nikoragny ela tamindreo hatrame mazava ratsy andro izy, da nandeha. 12 Ninday an'igny korao igny efa velogny nimpody indreo sady tena ravo be da ravo be. 13 Isika mihitsy gne nandeha alohan'i Paoly tame sabo sady niantsambo ho agny Aso, fa agny kaisanay handraisagny an'i Paoly. Izany gne ragniriany atao amentegnany, satria nagniry andeha an-tanety izy. 14 Refa nifakahita taminay tagny Aso izy, da nentinay tame sambo izy da negnà Mitylena. 15 Aveo niantsambo avy teo iay sady avy tamin'e tandrifin'e nosin' Kio gne maraigny. Gn'andro magnaraky da niantsogny tamin'e nosin'e Samo iay, sady gne marihinigny da avy tame tanàgnin'i Mileto. 16 Fa Paoly nanapa-kevitry gne hiantsambo nandalo an'i Efasosy, mba tsy handany fotoagny ela agny Asia izy; satria izy da meky gne ho agny Jerosalema gn'andron'e Pentekosta, râ azony atao gne magnano izany. 17 Avy agny Mileto gne nandefasagny lelà ho agny Efasosy sady nampangahiky gn'olombe fiangonagny hagnantogny aminazy. 18 Refa avy taminazy indreo, da nizaka tamindreo izy hoe: "Anareo tegnanareo mahafantatry, hatramign'andro vôlohany nagnitsahako an'i Asia, hoe akôgnaià gne nandanihako gne fagnontaniako niaraky taminareo. 19 Iao da nanompo hatrany gne Tompo tame fanetre-tegna agnaby sy ranomaso, sady tagnantin'e fijaliagny gne nibôky taminà izany nohon'e teti-dratsin'ireo Jiosy. 20 Anareo da mahafantatry fa tsy nitazogny fahanginagny tamin'e fagnambaragny taminareo agnaby izay nilaigny iao, izy ame fomba nampianariko anareo tamasin'olo sady tame isa-tragno, 21 nijoaroako vavolombelogny taminareo Jiosy izy ame Jentilisa momba gne fibebahagny amin-Andriamanitry izy ame finoagny ao amin'i Jesosy Tompontsika. 22 Indro am'izao, ho agny Jerosalema iao, noteren'e Fagnahy Masigny da tsy mahalala izay hahazo anà agny, 23 afa-tsy izay hampiandreman'e Fagnahy Masigny anà isaky gne tanàgny zakabe amin'ireo famatoragny sy gne fijaliagny izay mandigny anà. 24 Fa iao da tsy mihevitry gne fiaignako hoe sarobidy and tegnako, râ tsy hahavita gne hazakazako izy amign'asa fanompoko izay noraisiko avy amin'i Jesosy Tompo iao, hagnambara gne filazantsaran'e fahasoavan'Andriamanitry. 25 Sady indro am'izao, fantatro fa anreo agnaby, izay nagnamboarako gne fanjakagny, gne tsy hahita e tarehiko esanaky. 26 Noho izany ambarako aminareo amin'ity andro ity, fa iao da tsy manan-tsigny ame ràn'olo. 27 Fa tsy nafiniko taminareo gne fagnambaragny gne sitrapon'Andriamanitry agnaby. 28 Noho izany tandremo gne momban'e tegnanareo, izy ame momban'ireo ondry agnaby izay hampihandraketan'e Fagnahy Masigny anareo. Mitandrema ame mpiambigny ondrin'e fiangonan'Andriamanitry, izay novidiany ame ràny manokagny. (Fagnamarinagny: râ ohatry ka "Tamin'e ràny manokagny" gn'ame antontan-taratasy fahiny da mivaky hoe: "Tamin'e ràny zanaky lahiny manokagny.") 29 Fantatro fanafaran'e fandehako, da ho avyminareo ireo amboadia maseky sady tsy hiantra an'ireo ondry. 30 Fantatro fa ndre da avy aminareo azaky danhisy olo ho avy sady hagnova e marigny mba hitariky ireo mpianatry hagnaraky andreo. 31 Da miambena. Tsarovy fa nandritry e telo taogny iao tsy nijanogny nampianatry gne tsikiraikiraiky aby aminareo andro aman'aligny tame ranomaso. 32 Am'izao ankiniko amin'Andriamanitry sy ame tenin'e fahasoavagny anareo,izay afaky manangagny sy magnome anareo gne lova eo amin'ireo agnaby izay nohamasinigny. 33 Tsy niregny bolafotsy, volamena, na lamban'olo iao. 34 Anareo tegnanareo gne mahafantatry fa ireto tanagny ireto gns nanolotry izay ilaiko sady ireo nilain'ireo izay niaraky taminà. 35 Tamin'e raha agnaby gne nagnomezako ohatry anareo gne fomba tokony hagnampinareo e malemy amign'alalan'e asa, sady gne fomba hitadidinareo gne tenin'i Tompo Jesosy, zaka izay nambarany izy tegnany hoe: "Mahasambatry tokôtry gne magnome noho gne mandray." 36 Refa avy nizaka akô izany izy, da nandohaliky sady nivavaky niaraky tamin'izy agnaby. 37 Nisy fitomagniagny be teo sady namihigny an'i Paoly sady nagnoroky anazy indreo. 38 Nalahelo gne maro tamindreo nohonizay nozakainy, hoe: indreo da tsy hahita gne tavany esanaky. Aveo nagnatitry anazy tegny ame sambo indreo.