1
Amin'izany fomba izany, anareo viavy da tokony hagneky e vadinareo. Amboaro izany ndre da misy lela maro tsy magnaraky zaka, sady mety ho azo indreo ndre da tsy misy e zaka, amin'e alalan'e fitondran-tegnan'e vadindreo.
2
Fa indreo da hahita e fitondran-tegna mendrikinareo am-pagnajagny.
3
Aoka izany ho tanteraky tsy miaraky ame haingo ivelany: rongo, rojo volamena, na akanjo lamaody.
4
Fa, aoka izany ho tanteraky miaraky amin'izay am-pon'olo, sady e hagnatsaragny maharitr'e fagnahy tsara sady mangigny, izay zarobidy eo agnatrehan'Andriamanitry.
5
Fa e viavy masigny taloha e nandravaky e tegnandreo akoizany. Nanagny fahatokisagny an'Andriamanitry indreo sady nagneky e vadiny agnaby.
6
Akoizany fomba izany e nagneken'i Abrahama an'i Saraha sady nangiany anazy ho tompony. Anareo da zanany amin'izao fotoagny izao raha magnano izay tsara sady tsy matahotry olagny.
7
Akoizany avao, anareo lelà da tokony miaigny miaraky ame vadinareo arak'e fahazavan-tsaigny, ako e fanaky malemy kokoa e viavy. Tokony omenareo voninahitry indreo ako e mpiara-mandova e fagnomezan'e fiainagny. Amboaro izany mba tsy ho voasakagny e vavakinareo.
8
Farany, anareo aby, miraisa saigny, hifampiferign'aigny, hifankatia ako e mpirahalà, ho tso-po, da hanetri-tegna.
9
Ka mamaly ratsy e ratsy na manevateva e mpanevateva. Mifanohitry amin'izany aza, mitahia avao, fa noho izany e nangiagny anareo mba hahafahanareo mandova e fitahiagny.
10
"E raiky izay te hankafy e fiainagny sady te hahita andro tsara da tokony hampijanogny e lelany ame ratsy izy ame molotriny ame fizakagny fitaky.
11
Aleo izy hiala ame anigny hoe ratsy sady hagnano izay tsara. Aleo izy hitady fiadanagny sady hitaky izany. E mason'e Tompo da mahita e marina, da e sofiny da mahare e fangatahandreo.
12
Fa e tarehin'e Tompo da manohitry izay magnano ratsy."
13
Ia e raiky hamely anareo raha magniry e hagnano e tsara anareo?
14
Nefa raha mijaly nohon'e fahamarinagny anareo, da sambatry. Ka matahotry izay hatahorandreo. Ka mangitakitaky.
15
F'izy, atokano ako e masigny am-ponareo e Tompo Kristy. Mivognona avao hamaly gn'olo agnaby izay magnontany anareo e antony hatokisanareo an'Andriamanitry. Anio ame halemem-pagnahy sady fagnajagny izany.
16
Manàgna feon'e fieritreretagny madio mba ho megnatry gn'olo izay manevateva e fiainagny tsaranareo ao amin'i Kristy satria mizaka manohitry anareo indreo ako e mpagnano ratsy anareo.
17
Tsara kokoa, raha Andriamanitry e magniry, fa mijaly anareo ame fagnamboaragny e tsara nohon'e fagnamboaragny ratsy.
18
Efa nijaly nohon'e fahotagny avakoa i Kristy. Izy izay marina da nijaly ho antsika, izay tsy marina, mba hitondrany antsika eo amin'Andriamanitry. Novonoigny tame nofo Izy, fa novelomin'e Fagnahy.
19
Tame alalan'e Fagnahy, da nandeha izy da nitory ho an'e fagnahy izay agny am-pigadragny amin'izao fotoagny izao.
20
Tsy nagneky indreo rehefa nandigny e faharetan'Andriamanitry tame andron'i Noa, tame andron'e fananganagny sambofiara, da Andriamanitry namonjy olo vitsy _ fagnahy valo _ tame rano.
21
Izany e famantaragny e batisa izay mamonjy anareo amin'izao fotoagny izao_tsy ako e fagnadiovagny e loto ame vatagny, fa ako e haikin'e feon'e fieritreretagny ho amin'Andriamanitry_tame alalan'e fitsanganan'i Jesosy Kristy tame maty.
22
Kristy da eo an-tagn'ankavanan'Andriamanitry. Niakatry an-dagnitry izy. E anjely, e manam-pahefagny, da e hery da tsy maintsy magneky an'Azy.