Toko faha 2

1 Noho izany ario e ratsy agnaby, e fahadisoam-pagnantegnagny agnaby, e fiatsaram-belatsihy, e fagniriagny, da e fagnendrikendrehagny agnaby. 2 Ako e zaza vao teraky, magniry ara-pagnahy madio, mba hahafahanareo mitombo ao ame famonjegny ame alalan'izany, 3 raha nahatsapa anareo fa tsara fagnahy e Tompo. 4 Magnatogny anazy e vato velogny izay narian'olo, fa voafidin'Andriamanitry ho manan-danja Aminy. 5 Anareo avakoa da ako e vato celogny izay voaorigny ho tragno ara-pagnahy, mba ho mpisorogny masigny izay manolotry sorogny ara-pagnahy eken'Andriamanitry amin'alalan'i Jesosy Kristy. 6 E Soratry Masigny da ahitagny an'izao: "Itoa, iao mipetraky ame Ziona vato fehizoro, voafidy sady manan-danja. Izay rehetra mino anazy da tsy ho menatry." 7 Noho izany e voninahitry da ho anao izay mino. Kanefa, "e vato narian'e mpananga tragno, igny e lasa lohan'e fehizoro"- 8 Da, vato mahatafintohigny sady vato mahalavo. Tafintohigny indreo, tsy nagneky e zaka, izay voatokagny ho andreo avakoa. 9 Fa anao da olom-boafidy, mpisoron'e mpanjaka, firenena masina, olo ho an'e fanagnan'Andriamanitry, mba ho afaky hagnambara e hatsaran'e asan'e raiky izay nangaiky anao latame mizigny ho ame hazavagny mahagaga anao. 10 Taloha anao da tsy olo, kanefa amin'izao fotoagny izao anao da olon'Andriamanitry. Tsy nandray famindram-po anao, fa amin'izao fotoagny izao anao da nandray famindram-po. 11 Malala, mangaiky anareo ako e vahiny sady mpirerirery iao mba hifady e filan'e nofo, izay mahatonga ady manohitry gne fagnahinareo. 12 Tokony managny fitondran-tegna tsara anareo eo amason'e jentilisa, mba, raha miresaky momba anareo ho nagnano raha ratsy indreo, da tokony hahita e asa tsaranareo sady hankalaza an'Andriamanitry ame andro izay hiaviany. 13 Ekeo e fahefan'olombelo aby nohon'e amin'i Tompo. Ekeo ako e ambony indrindra e mpanjaka, 14 da gne governora avakoa, izay nalefa mba hagnasazy e mpagnano ratsy sady hankalaza izay magnano e tsara. 15 Fa izany e sitrapon'Andriamanitry, ame fagnamboaragny e tsara anareo da mampangigny e resaky tsy mahalala fomban'olo mola. 16 Ako e maha-olo afaky, ka ampiasaigny ho fagnafiniagny fahalemegny e fahafahanao, fa mamboara ako e mpanompon'Andriamanitry. 17 Omeo voninahitry e olo agnaby. Tiavo e firalahiagny. Matahora an'Andriamanitry. Omeo voninahitry gne mpanjaka. 18 O ra mpanompo, magnekea e tomponareo ame fagnajagny agnaby. Ka magneky ho mpanompon'e tsara sady ho tompo tsara fagnahy, fa ho an'e ratsy toetra avakoa. 19 Satria mendri-pideragny izany raha misy miaritry fanaintaignagny rehefa mijaly ame tsy rariny nohon'e fagnantegnany an'Andriamanitry. 20 Fa otrino e vola raha manota anao sady miaritry mandritry e fagnasaziagny anao avy eo? Fa raha nagnano e tsara anao sady miaritry mandritry gne fagnasaziagny anao, da mendri-pideragny amin'Andriamanitry izany. 21 Fa noho ity e nangiagny anao, satria Kristy avakoa da nijaly ho anao. Nametraky ohatry ho anao Izy mba hagnarahagny e lalany. 22 Tsy nanota Izy, na hoe nisy fitaky t'am-bavany. 23 Rehefa nozakaigny ratsy Izy, da tsy namaly ratsy. Refa nijaly izy, da tsy nandrahogny, fa nanolotry e tegnany tamin'e raiky izay Mpitsara am-pahamarinagny. 24 Izy tegnany da nitondra e fahotantsika tame tegnany ho eo ambony hazo, mba tsy hanagny anjara ame fahotagny sanaky itsika, sady mba hiaigny ho an'e fahamarinagny. Tamin'e alalan'e ratriny e nahasitragny anareo. 25 Nirerirery ako e ondry very anareo agnaby, fa amin'izao fotoagny izao anareo nipody tame npiandry ondry izy ame mpiambigny e fagnahinareo.