1
Noho izany, satria nijaly tame nofo i Kristy, da anio fiadagnan'e tegnanareo izany tanjogny izany. Fa izay nijaly tame nofo agnaby da nijery tame fahotagny.
2
Vokatr'izany, e olo akoizany, mandritry e fotoagny sisa hiaignany, da tsy hiaigny ho an'e fagnirian'olo sanaky, fa ho an'e sitrapon'Andriamanitry.
3
Fa ampy izay e fotoagny lasa nagnamboaragny izay tian'e Jentilisa anigny- hafalian'e nofo, fijejoagny, fimamoagny, fitondran-tegna mahamegnatry, fihiran-dratsy, da e asan'e fanopoan-tsampy mampadikidiky.
4
Heverindreo fa hafahafa satria tsy mikambagny amindreo amin'izany fagnaranam-po be izany anareo, noho izany da hizaka ratsy momba anareo indreo.
5
Hamaly e raiky izay vonogny hitsara e velogny izy ame maty indreo.
6
Noho izany antony izany gne itoriagny e vaovao mahafaly tame maty avakoa, mba hiaigny ako an'Andriamanitry ao ame fagnahy ndre da notsaraigny tame nofo ako e olo indreo.
7
Magnakaiky e faran'e raha agnaby. Noho izany tongava saigny, mahonogna tegna ame eritreritrareo ho an'e fitiavam-bavaky.
8
Ambonin'e raha agnaby, managna fitiavagny feno ho an'e tsiraidraiky agnaby, fa e fitiavagny mandrakotry fahotagny maro.
9
Mifampandrosoa andragno tsy am-pitaraignagny.
10
Fa e tsiraidraiky da nandray fagnomezam-pahazoavagny, ampiasay hifanompoagny izany. Mamboara izany ako e mpitan-draharahan'e fagnomezam-pahasoavagny maro fotsimpotsiny an'Andriamanitry.
11
Raha misy mizaka, aleo izy hagnano izany ako e raiky mizaka e zakan'Andriamanitry. Raha misy manompo, aleo izany ho avy ame hery izay vatsian'Andriamanitry. Mamboara an'io mba homem-boninahitry ame alalan'i Jesosy Kristy ame fomba agnaby Andriamanitry. Aleo ho an'i Jesosy Kristy e voninahitry izy ame hery mandrakizay doria. Amena
12
O malala, ka raisigny ho hafahafa e fitsapagny ame afo izay nitranga taminareo, ako hoe nisy raha hafahafa nitranga taminareo.
13
F'izy, ndre da maro be e hiainanareo e fijalian'i Kristy, mifalia, mba ho afaky hifaly avakoa anareo sady ho ravoravo ame fagnambaragny e voninahitriny.
14
Raha notevatevaigny nohon'e agnaran'i Kristy anareo, da voatahy, satria e fagnahin'e voninahitry izy ame Fagnahin'Andriamanitry da mipetraky aminareo.
15
Fa aleo tsy hisy ndre ia ndre ia aminareo hijaly ako e mpamono olo, mpangalatry, mpagnano ratsy, na mpiraharaha e an'e hafa.
16
Fa raha misy mijaly fa Kristiana, da aoka izy tsy ho megnatry; f'izy, aleo hagnome voninahitry an'Andriamanitry amin'izany agnara izany izy.
17
Fa fotoagny izao hanombohagny e fitsaragny miaraky ame ankohonan'Andriamanitry. Raha manomboky amintsika izany, ino e ho vokatry ho an'izay tsy magneky e filazantsaran'Andriamanitry?
18
Sady raha "ndre olo-marigny agnady tsy ho voavonjy, ame fomba akoignaia e hiboahan'e olo tsy an'Andriamanitry izy ame mpanota?"
19
Noho izany aleo e olo izay nijaly nohon'e sitrapon'Andriamanitry hagnankigny e fagnahindreo ame Mpamorogny atokisagny ame famboaragny e tsara.