Toko faha 9

1 Mizaka gny marina amin'i Kristy iao. Tsy mivandy iao, ary gny heritreritrako gny vavan'olombelogna miaraka aminan amigny fagnahy masigna, 2 fa ho anä da hoisy alahelo zakabe ary fahoriana tsy mety tapitra ato am-poko. 3 Fa afaka magniry iao fa ho voatsitsika ka hikisaka amin'ny Kristy avy amireo rahalahiko, indreo zay raiky razagna aminan ara-batagna. 4 Indreo da Isiraelita. Indreo da managna fananganana, ny voninahitra, ireo fagnekena, ny fanomezan'ny lalàgna, gny fiderana an' Jagnahary, ary ireo fampagnantegnana. 5 Gnandreo da ireo razagna ze natonga an' i Kristy, ze zay Jagnahary ambonin'ny aby daholo. Ho Ankalazaina mandrakizay Izy. Amen. 6 Fa tsy fôgna gny raha nampanatenainy Jagnahary. Fa tsy gny raha aby daholo avy agny Isiraely gny tena an' Israely. 7 Na ireo taranak'i Abrahama aby dahôlo no tena zanakany. Fa: "Amigniny alalan'Isaka nagnatsovana ireo taranakako." 8 Izany hoe, Ireo zanaky ny nofo da tsy zanaki Zagnahary. Fa ireo zanakin'ny fampanantenagna gniraisina ho taranaka. 9 Fa akôran'izao gny tenin'ny fampagnantegnana: F a akôran'izao gny tenin'ny fampagnantegnana: " Amin'izany fotoagna izany da ho tonga Iao, ary homena zazalahy Saraha." 10 Tsy zany avao, fa avy eo koa Rebeka anagn' anaka amigny lehilahy raiky, Isaka abantsika. 11 Fa mbola tsy teraka reo zaza ary mbola tsy nagnano raha tsara na ratsy , mba mitovy amigny tanjognany Zagnahary araka gny fisafidianana, tsy avy amireo asa, fa avy aminazy ze mangaiky, 12 nizakaina tami rahaviavy hoe: "Ny zokiny da hanompo gny zandriny." 13 Izany da mitovy izay voasoratra hoe: "Jakoba teko, fa esao tsy rongatrako. 14 Ino ary gny ho zakaintsika? Misy tsy fahamarinana ma zany gny miaraka amy Zagnahary?. 15 Tsy hoisy mihitsy izany. Fa hoy Izy tamin' I Mosesy hoe: "Hamindra fo amy gn' izay teko hamindrana fo Aho, ary hangoraka ireo zay teko hagorana Aho. 16 Ka noho zany ary, tsy akôra anazy mgniry zany, na akôra anazy mihazakazaka, fa noho Jagnahary, nampiseo gny famindram-po. 17 Fa gny Soratra masigna nagnambara tamigny Farao hoe:" Fa avy izany antony izany no nagnakarakoa anao, mba agnaboako aminao gny heriko, sady mba hagnambarana gny agnaraio eran-tany." 18 Noho izany, Zagnahary da mamela heloka amigny amizay tiany, ary ze tiany gny hamafisiny fo. 19 Avy eo hizaka aminä anareo hoe: "Nagnino no mbola mahita tsigny fehizay izy?" Fa iza gny mahatohitra gny sitrapony?" 20 Mifanohitra amin'izany, ralehilahy, iza man zany anao gny mamaly manohitra an-Jagnahary? Kaiky ma izay efa novolavolaina hizaka amigny mpamolabola izany hoe: "Nagnino laha nataonao mitovy amizao iao? " 21 Kaiky gny mpamboatra vilagny tsy managna zo amigny tanimanga ka gny vongany raika avao gny hagnamboarana fipetrana amigny androa voatokana, ary fidobona raiky hafa amigny andavanandro. 22 Nagnino laha Zagnahary, ze te agnabôka gny avignirany sy hampafantara gny fahefany, gny niaritra tamim-paharetana ireo fipetran'ny fahavignirana nomagnina ho amigny fahasoavana? 23 Nagnino laha nataony izany mba hampafatarany gny haren'ny voninahiny eo amireo fipetran'ny famindram-po, izay efa nomagniny mialoha ho amigny voninahitra? 24 Nagnino laha nataony ho antsika koa izany, izay natsovana avao koa, tsy ho eo amigny samby Jiosy avao, fa ho eo amigny ireo Jentilisa avao koa. 25 Araka nizakainy tamy Hosea avao koa hoe: " Hatsovako hoe oloko ndre tsy oloko, ary hoe mafantra gny tsy mafantatra. 26 Avy eo da agny amiin' izay nambara tamin' dreohoe: Tsy oloko anareo, agny nagnatsovana idreo hoe: 'zanak' i Jagnahary velogna.'" 27 Isaia nagnentso mafy gny Israely hoe: "Raha akôra gny fasika egny amy gny ranomasy gn' isany zanak' Isiraely, da hoavitra gny sisa ambiny, 28 fa gny Tompo hinday gny zakany ety an- tany, ary tsiela". 29 Araka nizakain' Isaia tamboaloany hoe: "Raha gny Tompo, tompon' gny maro gny tsy nametraka taranaky hoatsika da ho akôra an' I Sidona isika, ary ho lasa akôra an' i Gomora" . 30 Ino ary gny hambaratsika? Fa gny Jentilisa, zay tsy nitady gny fahamarinana avy tamin'gny finoana. Fa Isiraely, 31 zay nikatsaka gny lalàgn'gny famarinana da tsy avy tamy zany. 32 Nagnino ma? Satria indreo tsy nitady zany tamin'gny finoana, fa tamin'gn' asa. Tafitohin'gny vaton'gny fanafitoigna indreo, 33 araka zay voasoratra hoe: "Jerevo ao Ziona gny ametrako gny vaton' gny fanafitoignana sy vatolampin'gny fandikan- dalagna. Zay magneky zany da tsy ho megnatra."