Toko faha 5

1 Tamigny fahafana gny nagnafahan'i Kristy antsika. Mioregna tsara fa kaha magneky ho ambaniny zogan'ny fagnandevozana koa. 2 Ity, iaho, Paoly mizaka aminareo fa laha gny tegnanareo gno forana anareo, da tsy hatsara anareo amigny fomba aby Kristy. 3 Mijoro vavolombelogna amign'olo tsirairaiky, zay magneky gny tegnany ho vofora iaho ka votery hagnaraka gny lalàgna aby izy. 4 Vôsaraka tamin'i Kristy anareo, zay te hamerigna amigny lalàna; ary tsy miaigna amigny fahasoavagna koa anareo. 5 Fa amigny alalan'ny Fagnahy, amigny finoana, gnandignasantsika fatatra gny fagnantanterahana gny fahamarinana. 6 Amin'ny Kristy Jesosy da tsisy dikany na vofora na tsy vofora, fa gny finoana miasa amigny fitiavana avao. 7 Amin'nNezakazaka tsara anareo. Iza gny nibagna anareo amigny fagnekena marina? 8 Izany fandresen-dahatra zany da tsy avy amy gny nagnetso anareo. 9 Karobônaty kidika mampitombo koba maro. 10 Fa matoky gny Tompo iaho fa tsy handramby fomba fijery hafa anareo. Fa raiky mampikorontagna anareo hagnefa gny sazy, ndre iza ndre iza. 11 Ry ralay, laha mbola magnambara gny famorana iaho, nagnino iaho gny mbola enjehina? Amin'zany da ho afaka tokôtry gny fahatafatoignan'ny hazo fijaliana. 12 Ka hoandreo zay magnakorotagna anareo, engany mba hanapaka gny tegnany indreo. 13 Fa natsovana ho amigny fagnafahana anareo, rahalay. Ka nefa aza ampiasaina ho iraka amy gny filan'ny vatagna gny fahafahanareo; fa kosa amin'ny alalan'ny fitiavana da mifanompoa. 14 Fa gny lalàgna aby da tanteraka ao amy gny didy amigny magnano hoe: "Tsy maintsy mitia gny namanareo akora gny tegnanao anao." 15 Fa laha mifagnekitry sy mifampihinagna anareo da mitandrema sa da hifanimba. 16 Ka hoy iaho, mandihana araka gny Fagnahy gny filan'ny nofo, ary manohitra gny filan'ny vatagna anareo. 17 Ka manohitra gny fagnahy gny filan'ny vatagna ary ka manohitra filan'gny vatagna fa gny fagnirian'ny Fagnahy. Fa mifanohitra izy io mba tsy havitanareo magnano raha tenareo. 18 Fa laha tratrin'ny fagnahy anareo da tsy ho ambanin'ny lalàgna. 19 Amizao andro zao da mibaribary gny asan'ny filan'ny vatagna: fijangajangana, fahalotoana, fihengongona. 20 Fanompoan-tsampy, famosaviana, falaignan`olo,fifandirana, fahasarotam-piaro, fisaram-bazagna, fizarazarana, 21 fialognana, fahamamoana, fagnakorotagnana, ary gn'raha akôran'zany. Mampitandrigna anareo iaho, akôra gny efa nampitandremako anareo taloha, fa tsy handova gny fanjakan'Jagnahary indreo zay magnano anio raha io. 22 Fa gny vokatra gny fagnahy da fitiavana, fiadagnana, faharetana, hatsaram-pagnahy, fagnamboarana tsara, finoagna, 23 fahalemem-pagnahy, ary fifehezategna; tsy misy lalagna manohitra gny raha akora gny zany. 24 Ireo zay an'i Kristy Jesosy da efa nagnasazy gny toetra be ota mitambatra amigny fahafinaretana sy gny filany. 25 Laha miaigna amy gny Fagnahy isika, aoka handeha amy gny Fagnahy avao koa. 26 Ôka isika tsy ho lasa mpieboebo, mifandrangitra ary ka mifampialogna.