1 Mizaka iaho fa gny mpandova, laha mbola zaza izy, da mitovy amy gn'andevo, na da tompony raha aby aza. 2 Kanefa izy da eo ao ambany fifehezan'ireo mpembigna sy reo mpagnatsary raha sarobidy mandra-pahavin'ny daty zay napetraky ary i Abany. 3 Ka akô izany avao koa, tamy mbola zaza, da nandevozin'ireo lalàgna fitsipi-pianaran'izao tontolo izao. 4 Fa Laha tonga gny fahefan'ny fotoagna, da nandefa gn'zanany Zagnahary, zay nateraka viavy, nateraka tao ambanin'ny lalàgna. 5 Nagnano an'zay Izy mba hagnavotana indreo zay amban'ny lalàgna, mba hahafantsika mandray gny fananganana ho zanaka. 6 Ary satria zanaka anareo, da nirahin'i Jagnahary ho ao am-pontsika gny fagnahin'ny Zanany, zay magnetso hoe: "Aba, Ray." 7 Nony zany tsy andevo koa anao, fa zanaka, ary laha zanaka, da mpandova amign'alalan'i Jagnahary avao koa anao. 8 Fa tamizany andro zany, taminareo tsy nahafantatra an'i Zagnahary, da natao ho andevon'ireo zay, amy gny hery voajagnahary da tsy Zagnahary velively. 9 Ka amizao anareo da lasa mahafantatra an'i Zagnahary, na koa hoe fantatry gny Jagnahary anareo, da ahoana gn'hipodianareo amigny abidim-pianaraana mamely gny sady tsy misy dikany? Ta ho andevozina indraiky koa kaiky anareo? 10 Da mandinika gny taogna sy gny volagna ary ireo vanim-potogna da gny taogna nareo! 11 Matahotra gny aminareo iao sada ho zava-poagna gny asako taminareo. 12 Mengavy anareo iaho, rahalahy, magnanôva akô gnany, satria iaho koa da efa akô anareo. Tsy nagnano ratsy taminà anareo. 13 Kanefa fantantrareo fa noho gn'aretigna mahazo anay gn'nambarako anareo da filazantsara tamigny voalohany. 14 Ndre da nitondra anareo tamigny fakam-pagnahy aza gny toe-batako, da tsy nagnano tsinontsino na nagnilika anahy anareo. Fa niraisinareo akô hoe anjelin'Jagnahary koa iao, akô hoe iaho mihitsy gny Kristy Jesosy. 15 Araky zany, da aiza, gny fahasoanareo ankehitriny? Fa mijoro vavolombelogna aminareo iao fa, laha azonareo atao, da nalainareo masonareo ary nomenareo anahy zany. 16 Ka araka zay, da efa lasa fahavalonareo iao satria mizaka aminareo gny marina? 17 Indreo da mazoto gny hitaogna anareo, fa tsy amigny tsara. Ta angidy anareo agny ambadiky indreo. 18 Tsara lalandava gny managna zotom-po amigny tanjogna tsara, ary laha tsy miaraka aminareo avao iaho. 19 Ry zanaka, mbola hijaly amigny fanaintaignana gny fiterahana koa iaho sy anareo mandra-piforonan'i Kristy ao aminareo. 20 Magniry mba ho afaka miaraka aminareo iaho amizao fotôgna izao sady hagnova gny feoko, satria sahiran-tsaigna nony gnaminareo. 21 Zakay amina, anareo zay magniry gny ho ambanin'gny lalàgna, mba magnaraka gny lalàgna avao marô anareo? 22 Satria voasoratra fa i Abrahama da nanan-janaka roy lahy, gny raiky avy amigny andevo viavy ary gny raiky avy amigny viavy araka gny lalàgna. 23 Fa gny raiky da nateraka gn'andevo viavy araka gny nofo, fa raika hafa da nateraky gny viavy tamigny teny fampagnantenana. 24 Io raha io da afaka alaina akôra gny fagnoharana, satria indreo viavy reo da magnambara fagnekena roy. Gny raiky amindreo da avy amigny tendrombohitr'i Sinay ary niteraka zaza zay andevo izy. Izy da i Hagara. 25 Ary i Hagara da magnambara gny tembohitrin'i Sinay agny Arabia; ary mampiseho an'i Jerosalema amy gn'izao fotogna zao,satria nandevoziny niaraka tamin'ireo zanany izy. 26 Fa i Jerosalema izay agny ambony da afaka, ary izy gny endrintsika. 27 Satria voasoratra hoe: ''Mifalia, anao momba izay tsy miteraka. Mikalalaia mafy ary manova kiaka fifaliana, anao zay tsy mijaly amy gny fangirifirin'gny fiterana satria ireo zanaky gny viavy zay nafoy da maro noho gny viavy manambady.'' 28 Fa anareo, ralahy, da mitovy amin'i Isaka samby zanaky gny fampagnantenana. 29 Tamy gn'zany fotogna zany gn'olo zay teraka araka gny nofo da magnenjika izay teraka araka gny fagnahy. Akoran'zany avaokoa gn'amizao fotôgna izao. 30 Kanefa ahôna gny zakany soratra masina? ''Alefaso agny gny andevo viavy sy gny zanany lahy. Fa gny zanaka lelain'gn'andevo viavy da tsy hagnome lova miaraka amy gny zanaka lelain'gny viavy afaka''. 31 Noho zany, ralahy, tsy zanaky gn'andevo viavy isika, fa zanaky gny viavy afaky.