1 Efatra ambifolo taogna tafara taty niakatra tagny Jerosalema koa iao niaraka tamin'i Barinabasy, da nitondra an'i Titosy niaraka taminä. 2 Niakatra tagny nony gn'fagnambarana raika iaho nametraka tamindreo gny filazantsara zay toriko amindreo Jentilisa. Nikoragna mitokana tamindreo zay niheritreretina ho manan-danja iaho, mba azahoana antoka fa tsy nezakazaka_ na efa nezakazaka_ very maigna iaho. 3 Fa na i Titosy aza, zay niaraka taminä gny sady Grika, da noterena ho voafora. 4 Netsoka moramora indreo rahalay sandoka hitsikilo gny fahafahana anagnanay ao am'i Kristy Jesosy. Nagniry gnagnandevo anay indreo, 5 da tsy nety agneky andreo ndreda kely gny fotognay, mba hitoeragny fahamarinan`gny filazantsara aminareo. 6 Fa indreo ze niheritreretina ho manan-danja (na ino gna ino indreo da tsy mampagnino Anahy, zagnahary da tsy miangatry)_ Zakaiko, indreo, niheritreretina ho manan-danja da tsy nagnampy gna ino gna ino tamignahy. 7 Mifanohitra amizany, hitandreo da magnakina gny filazantsara hoandreo zay tsy voafora iaho. Akôra gny nagnankinan'i Petera gny filazantsara hoandreo zay voafora. 8 Ka gny Zagnahary, zay niasa tamin'i Petera ho amin'ny maha-apostoly hoandreo zay voafora, da niasa tamignahy avao koa hoandreo Jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy, ary Jaona, zay lala ka agnisan-dreo namorogna gny fiangonana, laha nahalala gny fahasoavana zay nomena anahy, da magnome gny tagnana ankavanan'ny fikambanana ho anahy sy Barabasy indreo. Nataondreo zany mba hazahonay megnagny amin'ny Jentilisa, ary mba hazahoandreo megnagny amin-dreo zay vôfora. 10 Nangataka fotsiny indreo mba hatsiaro gny sahiragna iahy, zay raha tegna teko atao tokôtry. 11 La avy tagny Antioka i Kefasy, da manohitra azy teo amigny tarehiny Iaho satria voazaka ka diso izy. 12 Talohan'ny gnevedreo lelay sasany latagny am'i Jakoba, da teo am-pisakafoana hiaraka tamin-dreo Jentilisa I Kefasy. Laha avy indreo lelay, da nilegnina izy da nenga lavitra andreo Jentilisa. Angoaigna indreo ka nitaky gny famorana izy. 13 Gny sisa tamindreo Jiosy koza da niray tamin'izany fiatsaram-belatsihy zany. Ndre i Barnabasy aza da very lalagna niaraka tamin-dreo. 14 Laha hitako fa tsy magnaraka gny fahamarinan'ny filazantsara gny fitondran-tegnandreo, da mizaka tamin'i Kefasy teo ankatrehandreo aby hoe: "Laha Jiosy anao kanefany miaigna akô gny Jentilisa fa tsy akôrany Jiosy, ahôna gnafahanao manery andreo Jentilisa hiaigna akô gny Jiosa" 15 Isika da Jiosy tamign'alalan'ny fahaterahana da tsy mpanota Jentilisa; 16 fantatsika nefa da tsy misy olo hagnamarinan'gny asan'ny lalàgna fa amign'gny alalan'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Itsika avao koa da avy tamigny finoana an'i Jesosy Kristy mba ho hamarignina amigny finoana an'i Kristy ka tsy gnasan'lalàgna. Fa tsisy vatagna ho hamarignina amignasan'ny lalàgna. 17 Laha toa ka, mikatsaky ho hamarignina am'Kristy itsika, isika avao koa, da hita fa mpanota, moa mandrisika gny fahotana kaiky i Kristy? Aia avaö! 18 Ka Laha manangana koa indreo raha efa niraiko taloha iaho, da magnaporofo gny tegnako ho mpandika lalàgna iaho. 19 Da tamigny lalàgna gny nahafatesako amigny lalàgna, mba ho velogna ho an`i Zagnahary iao. 20 Nasampy niaraka tamin'i Kristy iaho. Tsy iaho koa gno velogna, ka i Kristy gno velogna ato agnatiko. Gny fiaignana iaignako ao amigny vatagna amin`zao da iaignako amign'finoana gny zanaky Zagnahary, zay Tia anahy ka nagnome gny tegnany ho anahy. 21 Tsy magnilika gny fahasoavan' Jagnahary iao, laha azo amign'lalàgna gny fahamarignana, da tsy misy dikany gny nahafatesan'i Kristy!