Toko 1

1 Paoly, apostoly,tsy apostoly tonga amin`ny olo gna tamin`ny alalan`ny olo,fa avy amin`i Jesosy Kristy sy lay Zagnahary Iaba,zay nanangana Azy tamin`ny maty_ 2 ary reo ralelay aby miaraka amiko,ho andreo fiangonan`ny Galatiana: 3 Fahasoavagna ho aminareo ary fiadagnana avy amin`i Zagnahary Iabantsika sy Jesosy Kristy Tompo, 4 zay nanolotra gny tegnany ho an`gny fahotantsika mba hanafahagny antsika amin`zao andron`ny faharatsiana zao, araka gny sitrapon`i Zagnaharintsika sy Iabantsika, 5 Azy anie gny voninahitra mandrakizay doria. Amena. 6 Aga iaho hoy: gniala faingana tamin`ilay niantso anareo tanin`ny fahasoavan`i Kristy ianareo. Gaga iaho fa mitodika ho amin`ny filazantsara hafa ianareo. 7 Tsy midika akory zany fa misy filazantsara hafa, fa misy olo maromaro zay mitondra fikorontanana ho anareo ary te hagnova gny filazantsaran`i Kristy. 8 Laha zahay gna anjely avy agny an-danitra aza gno hitory filazantsara hafa aminareo noho zay nitorinay taminareo, da aoka izy ho vohozona. 9 Araka zay nolazainay taloha,da amin`zao aho manambara aminareo filazantsara hafa noho zay noraisinareo,da aoka izy ho vohozona." 10 Moa ve zaho amin`zao mitady gny fakantoavan`gny olo sa Zagnahary? Laha mbola magnohy miezaka gny hampifaly olo iaho,da tsy mpanompon`i Kristy. 11 Ka tiako ho fantatrareo, ry ralaiko,fa gny filazantsara zay nambarako da tsy filazantsaran`olombelo. 12 Tsy nandray zany tamin`olo iaho,gna fagnambaran`i Jesosy tamiko. 13 Laha ianareo nahare gny amin`ny fiaignako taloha tamin`gny fomba nagnenjeko gny fiangonan`i Zagnahary mihotra gny tokony ho izy ary gny fiezahako handrava zany. 14 Nandroso tamin`ny fivavahanan`ny jiosy iaho nihotra gny maro tamin`ireo nitovy taogna tamiko. Toy zany gny fomba nihazonako mafy reo fomban-drazako. 15 15 Kanefa Zagnahary, zay nagnokana ahy hatrany an-kibon-dreniko,ary niantso ahy tamin`gny alalan`gny fahasoavagny, 16 rehefa faly gny hampiseho gny Zanagny lay tamiko,mba hahafahako manambara Azy agny amin`gny jentilisa,da tsy naka saigna tamin`gny nofo sy ra avy hatragny iaho. 17 Tsy niakatra tagny jerosalema ho agny aminareo efa lasa Apostoly talohako iaho. Fa kosa,nandeha tagny Arabia ary avy eo niverigna tagny Damaskosy iaho. 18 Ary telo taogna taoriana da niakatra tagny jerosalema mba hifankafantatra tamin`i kefasy iaho ary nijanogna niaraka taminy nandritra gny dimy ambin`gny folo andro. 19 Fa tsy nisy hitako reo Apostoly ankoatra an`i Jakoba, lay rahalahin`ny Tompo. 20 Ary ao amy zay soratako ho anareo aho eo anatrehan`i Zagnahary, fa tsy mavandy aho. 21 Avy eo aho da nandeha tagny amy gny faritr`i Syria sy Kilikia. 22 Tsy mbola fantatra teo amin`ireo fiangonan`i Jodia zay amin`i Kristy aho. 23 Regnin`indreo fotsiny zay voazaka hoe: "Ilay leilay zay nanenjika antsika amizao da nagnambara lay finoana zay niezahany nopotehiny taloa." 24 Noho zany izy reo da nidera an`i Zagnahry noho ny amiko.