Toko faha 7

1 Taorian'izany dia nahita anjely efatra nitsangana teo amin'ny zoro tany efatra aho, nanohitra mafy ny rivotra efatry ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitra amin'ny hazo rehetra. 2 Nahita anjely hafa aho niakatra avy tany antsinanana, izay nanana ny tombo-kasen'Andriamanitra velona. Nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ireo anjely efatra izay nahazo alalana hanimba ny tany sy ny ranomasina izy hoe: 3 "Aza simbana ny tany, ny ranomasina, na ireo hazo mandra-panisintsika ny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon'Andriamanitsika." 4 Nahare ny isan'ireo izay voatombo-kase aho: 144,000, no voatombo-kase avy tamin'ny fokon'ny olon'israely rehetra: 5 Roa arivo sy iray alina no voatombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Robena, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Gada, 6 roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Asera, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Naftaly, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Manase. 7 roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Simeona, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Levy, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Isakara, 8 roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Zebolona, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Benjamina no voatombo-kase. 9 Taorian'ireo zavatra ireo dia nijery aho, ary nisy olona maro be izay tsy tambo isaina--- avy tamin'ny firenena, foko, olona, ary fiteny rehetra---- nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anoloan'ny Zanak'ondry. Nanao ankajo lava fotsy sy mitana sampan-drofia teny amin'ny tanan'izy ireo, 10 ary niantso mafy tamin'ny feo mahery izy ireo nanao hoe: "Ny famonjena dia an'Andriamanitsika izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy an'ny Zanak'ondry!" 11 Ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana sy manodidina ireo loholona sy ny zava-manan-aina efatra, ary izy ireo dia nampiankohoka ny tavan'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ireo 12 nanao hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisaorana, fahefana, ary ny hery anie ho an'Andriamanitsika mandrakizay doria! Amena!" 13 Avy eo ny iray tamin'ireo loholona nanontany ahy hoe: "Iza ireo, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aiza izy ireo?" 14 Hoy aho taminy: "Tompoko, Ianao mahafantatra," ary hoy izy tamiko: "Ireo no hivoaka avy amin'ny Fahoriana Lehibe. Nosasan'izy ireo ny akanjolavany ary nofotsiana tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry. 15 Noho izany antony izany, dia eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanira izy ireo, sy mivavaka aminy andro aman'alina ao amin'ny tempoliny. Ny iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny lainy amin'izy ireo. 16 Tsy ho noana intsony izy ireo, na hangetaheta indray. Tsy hamely azy ny masoandro, na ny hafanana mandoro. 17 Fa ny Zanak'ondry eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho mpiandry azy ireo sy hitari-dalana azy ireo any amin'ny loharanon'ny rano velona, ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo."