Toko faha 6

1 Rehefa nanokatra ny iray tamin'ireo tombo-kase fito ny Zanak'ondry dia nijery aho, ary nandre ny iray tamin'ireo zava-manan'aina efatra tamin'ny feo toy ny kotroka aho niteny hoe: "Avia! 2 Nijery aho ary nisy soavaly fotsy teo. Ny mpitaingina izany dia nitazona tsipìka, ary nomena satro-boninahitra izy. Nivoaka toy ny mpandresy izy mba handresy. 3 Rehefa nanokatra ny tombo-kase faharoa ny Zanak'ondry, dia nandre ny zava-manan'aina faharoa aho niteny hoe: "Avia!" 4 Dia nisy soavaly hafa nivoaka- mirehitra mena. Ny mpitaingina izany no nomena alalana hanala ny fiadanana amin'ny tany, mba hifamono ny olony. Io mpitaingina io dia nomena sabatra lehibe. 5 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahatelo ny Zanak'ondry, dia nandre ny zava-manan'aina fahatelo aho niteny hoe: "Avia!" Nahita soavaly mainty aho, ary ny mpitaingina izany dia nitàna mizàna teny an-tanany. 6 Nandre tahaka ny feo tamin'ny zava-manan'aina efatra aho niteny hoe: "Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria iray, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria iray. Fa aza manimba ny menaka sy ny divay." 7 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahaefatra ny Zanak'ondry, dia nandre ny feon'ny zava-manan'aina fahaefatra aho niteny hoe: "Avia! 8 Dia nahita soavaly hatsatra aho. Ny mpitaingina izany dia nantsoina hoe Fahafatesana, ary ireo Fasana dia nanaraka azy. Nomena fahefana amin'ny ampaha-efatry ny tany izy ireo, mba hamono amin'ny sabatra, hanoanana sy aretina, ary amin'ireo bibidian'ny tany. 9 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahadimy ny Zanak'ondry, dia hitako tao ambany alitara ireo fanahin'ireo izay novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona izay notànan'izy ireo. 10 Nihiaka tamin'ny feo mafy izy ireo hoe: "Mandra-pahoviana, ry Mpanapaka ambonin'ny rehetra, masina sy marina, no hitsaranao ireo izay miaina eto an-tany, sy hamalianao faty ny rànay? 11 Dia nomena akanjolava ny tsirairay avy tamin'izy ireo, ary notenenina izy ireo fa tokony hiandry kelikely mandra-pahazoana ny isa fenon'ireo mpiara-manompon'izy ireo sy ireo rahalahy sy anabavin'izy ireo izay tokony hovonoina izy ireo, toy ny namonoana azy ireo. 12 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahaenina ny Zanak'ondry, dia nijery aho ary nisy horohoron-tany lehibe. Lasa mainty toy ny lamba fisaonana ny masoandro, ary ny volana fenomanana dia lasa toy ny rà. 13 Ireo kintana teny amin'ny lanitra dia nianjera tety an-tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta rehefa ahetsiky ny rivotra mahery. 14 Ny lanitra dia nanjavona toy ny horonan-taratasy izay naorongorona. Ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nesorina teo amin'ny toerany. 15 Avy eo ireo mpanjakan'ny tany sy ny olona manan-danja, sy ireo jeneraly, ny mpanan-karena, ny mahery, ary ny hafa rehetra, andevo sy afaka, niafina tao anatin'ireo lava-bato sy tamin'ireo vatolampin'ny tendrombohitra. 16 Niteny tamin'ireo tendrombohitra sy tamin'ireo vatolampy izy ireo hoe: "Mianjerà aminay! Afeno amin'ny tavan'ilay iray izay mipetraka eo amin' ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry izahay. 17 Fa Tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'izy ireo. Iza no hahavita hiharitra?"