Toko faha 5

1 Ary nahita ny tanan-kavanan'ilay iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana aho, horonan-taratasy voasoratra eo anoloana sy ao aoriana. Ary nofehezina tamin'ny tombo-kase fito izany. 2 Nahita anjely mahery nanambara tamin'ny feo mafy aho, niteny hoe: "Iza no mendrika ny hanokatra ny horonan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'izany?" 3 Tsy misy olona avy an-danitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afaka hanokatra ny horonan-taratasy na hamaky izany. 4 Nitomany mafy aho- satria tsy nisy olona hita mendrika ny hanokatra ny horonan-taratasy na hamaky izany. 5 Kanefa iray tamin'ireo loholona nilaza tamiko hoe :" Aza mitomany. Indro! Ilay lion'ny fokon'i Joda, ilay solofon'i Davida, dia nandresy. Afaka ny hanokatra ny horonan-taratasy sy ireo tombo-kase fito izy. 6 Nahita Zanak'ondry mitsangana eo anelanelan'ny seza fiandrianana sy ireo zava-manan'aina efatra ary eo anivon'ireo loholona aho. Toy ny hoe olona novonoina izy. Nanana tandroka fito sy maso fito izy; izy ireo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nanerana ny tany. 7 Nandeha izy ary naka ilay horonan-taratasy teny amin'ny tanan-kavanan'ilay iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana. 8 Rehefa noraisin'ilay Zanak'ondry ilay horonan-taratasy, ireo zava-manan'aina efatra sy ireo loholona efatra amby roapolo dia nampiankohoka ny tenan'izy ireo teo anoloany . Samy nanana lokanga sy lovia volamena feno emboka manitra avy ny tsirairay tamin'izy ireo, izay vavak'ireo mpino. 9 Nihira hira vaovao izy ireo: "Mendrika ny handray an'ilay horonan-taratasy ianao ary hanokatra ny tombo-kasen'izany. Fa ianao dia novonoina, ary tamin'ny rànao no nividianana an'ireo olon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fiteny, olona, ary firenena rehetra. 10 Nataonao fanjakana sy mpisorona izy ireo mba hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany." 11 Avy eo aho dia nahita sy nandre feon'anjely maro nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo zava-manan'aina ary ireo loholona. Ny fitambaran'ny izy ireo dia aman'alina alina. 12 Niteny tamin'ny feo mafy izy ireo hoe: " Mendrika anie ilay Zanak'ondry izay novonoina mba handray fahefana, harena, fahendrena, hery, laza, voninahitra, ary dera." 13 Nandre ireo zavatra voaforona rehetra izay tany an-danitra sy teto an-tany ary an-dranomasina aho- ny zavatra rehetra tao anatin'ireo-niteny hoe: " Ho an'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'ilay Zanak'ondry, anie ny dera, ny laza, ny voninahitra, ary ny fahefana handidy, mandrakizay doria." 14 Ireo zava-manan'aina efatra, niteny hoe: "Amena!" Ary ireo loholona niankohoka sy nivavaka. [Fanamarihana: Ny sasany aminíreo dikan-teny taloha dia mivaky hoe: " Ireo loholona roa amby efapolo dia niankohoka sy nanompo an'ilay iray izay velona mandrakizay doria."]