Toko faha 8

1 Rehefa novahan'ilay Zanak'ondry ny tombo-kase fahafito, dia nisy fahanginana tany an-danitra teo amin'ny antsasaka ora teo. 2 Avy eo dia hitako ireo anjely fito izay nitsangana teo anoloan'Andriamanitra, ary nomena trompetra fito izy ireo. 3 Nisy anjely hafa tonga, nitazona lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra, nitsangana teo ambonin'ny alitara. Ditin-kazo manitra maro no nomena azy mba hanolorany izany mbamin'ny vavaky ny mpino rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan'ny sezam-boninahitra. 4 Ny setrok'ilay ditin-kazo manitra, mbamin'ny vavak'ireo mpino, dia niakatra teo anoloan' Andriamanitra avy amin'ny tanan'ny anjely. 5 Naka ilay lovia fandoroana ditin-kazo manitra ilay anjely ary nameno izany tamin'ny afo avy eo amin'ny alitara. Avy eo natsipiny tamin'ny tany izany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany. 6 Ireo anjely fito izay nanana ireo trompetra fito dia niomana hitsoka izany. 7 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely voalohany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany izany mba ho may ny ampahatelon'izany, may ny ampahatelon'ny hazo, ary may avokoa ireo ahi-maitso. (Fanamarihana: Ny sasany amin'ireo dikan-teny taloha dia manala ny hoe: "mba ho may ny ampahatelon'izany.") 8 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faharoa, ary nisy zavatra toy ny tendrombohitra lehibe nirehitr'afo natsipy tany an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasina, 9 maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ireo sambo. 10 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahatelo, ary nisy kintana lehibe nilatsaka avy any an-danitra, mirehitra toy ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ireo ony sy loharano. 11 Zava-mangidy no anaran'ilay kintana. Lasa nangidy ny ampahatelon'ilay rano, ary olona maro no maty tamin'ilay rano izay lasa nangidy. 12 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon'ny masoandro, toy ny ampahatelon'ny volana sy ny ampahatelon'ireo kintana. Noho izany dia lasa mainty ny ampahatelon'ireo; tsy nisy hazavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny alina. 13 Nijery aho, ary nandre voro-mahery izay nanidina teny afovoan'ny lanitra, niantso tamin'ny feo mafy hoe: '"Loza, loza, loza, ho an'ireo izay monina eny amin'ny tany, nohon'ny feona trompetra sisa izay efa ho tsofin'ireo anjely telo."