1 Ary nahita anjely nidina avy tany an-danitra aho. Nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, ary nanana rojo vy lehibe teny an-tanany. 2 Nisambotra an'ilay dragona izy, ny menarana fahiny, ilay devoly, na satana, ary nofatorany arivo taona. 3 Natsipiny tany amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, nohidiny izany ary nasina tombo-kase teo aminy. Natao izany mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian'izany, dia tsy maintsy havotsotra fotoana kelikely izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho. Nipetraka teo amboniny ireo izay nomena fahefana mitsara. Nahita ny fanahin'ireo izay notapahin-doha aho noho ny fijoroana vavolombelona mahakasika an'i Jesosy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankohoka tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny izy ireo, ary izy ireo dia nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia teo amin'ny handriny na teo amin'ny tanany. Tonga velona indray izy ireo, ary nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taona. 5 Ny ambin'ireo maty dia tsy velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra ary masina izay olona manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany! Eo anatrehan'izany dia tsy manan-kery ny fahafatesana faharoa. Izy ireo dia ho mpisorona an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miaraka Aminy mandritran'ny arivo taona. 7 Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana ao amin'ny tranomaiziny Satana. 8 Hivoaka izy mba hamitaka ny firenena maro eny amin'ny vazan-tany efatra—Goga sy Magoga—mba hitondra azy ireo miaraka ho any amin'ny ady. Izy ireo dia ho betsaka tahaka ny fasiky ny ranomasina. 9 Niakatra teo ambonin'ny tany lemaka izy ireo ary nanodidina ny tobin'ireo mpino, ilay tanàna malala. Nefa nisy afo nidina avy tany an-danitra ary nandripaka azy ireo. 10 Ny devoly, izay namitaka azy ireo, dia natsipy tao amin'ny farihy afo solifara, toerana izay hanipazana ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka. Ary ho ampijaliana andro aman'alina mandrakizay ary mandrakizay izy ireo. 11 Ary nahita seza fiandrianana fotsy lehibe aho sy ilay nipetraka teo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra ny fanatrehany, kanefa tsy nisy toerana andehanan'izy ireo. 12 Nahita ny maty aho—ny lehibe ary ny kely— nijoro teo anoloan'ny seza fiandrianana, ary novelarina ireo boky. Ary nisy boky anankiray novelarina—Ny Bokin'ny Fiainana. Ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin'ireo boky, araka ireo asany. 13 Ny ranomasina namoaka ny maty izay tao anatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita dia namoaka ny maty izay tao amin'izy ireo, ary ny maty dia notsaraina araka ny zavatra nataony. 14 Ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia natsipy tao amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa— dia ny farihy afo. 15 Raha nisy anarana tsy hita voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana, dia natsipy tao amin'ny farihy afo.