1 Avy eo aho nahita lanitra vaovao sy tany vaovao, fa foana ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony ny ranomasina. 2 Hitako ilay tanàna masina, Jerosalema vaovao, izay nidina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina ampihaingoana ho an'ny vadiny. 3 Nandre feo mahery avy any amin'ny seza fiandrianana aho manao hoe: "Indro! Eo amin'ny olona ny toeran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaina miaraka amin'izy ireo izy. Ho olony izy ireo, ary Andriamanitra tenany hiaraka amin'izy ireo ary Izy ho Andriamanitr'izy ireo. 4 Hamafa ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo Izy, ary tsy hisy fahafatesana intsony, na alahelo, na tomany, na fanaintainana. Efa lasa ireo zavatra teo aloha. 5 Ilay iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana niteny hoe: "Indro! Nataoko vaovao ny zavatra rehetra." Hoy Izy: "Soraty izao satria ireto teny ireto dia mahatoky sy marina." 6 Hoy Izy tamiko hoe: "Efa vita ireo zavatra ireo! Izaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin'ny loharanon'ny fiainana. 7 Izay mandresy dia handova ireo zavatra ireo, ary Izaho no ho Andriamaniny, ary izy ho zanako. 8 Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olona, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, dia any amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran'izy ireo. Izany no fahafatesana faharoa." 9 Nanatona ahy ny iray tamin'ireo anjely fito, ilay iray izay nanana ireo lovia fito feno ireo loza fito farany, ary hoy izy hoe: "Avy ety. Ho asehoko anao ilay ampakarina, ilay vadin'ny Zanak'ondry." 10 Avy eo dia noentiny tamin'ny Fanahy tany amin'ny tendrombohitra avo aho ary nasehony ahy ilay Jerosalema tanàna masina midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra. 11 Nanana ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany dia tahaka ny vato soa sarobidy, tahaka ny vato kristalina jaspy madio. 12 Nanana rindrina avo lehibe niaraka tamin'ny vavahady roa ambin'ny folo izany, niaraka tamin'ny anjely roa ambin'ny folo teo amin'ireo vavahady. Teo amin'ireo vavahady no voasoratra ny anaran'ireo foko roa ambin'ny folon'ny zanak'Israely. 13 Nisy vavahady telo teo antsinanana, vavahady telo teo avaratra, vavahady telo teo atsimo, ary vavahady telo teo andrefana. 14 Nanana fototra roa ambin'ny folo ny rindrin'ilay tanàna, ary teo amin'ireo no nisy ireo anarana roa ambin'ny folon'ny apostolin'ny Zanak'ondry. 15 Ilay iray izay niresaka tamiko dia nanana fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindriny. 16 Miendrika efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin'ilay fandrefesana volotara izy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony). 17 Nandrefy ny rindrin'izany koa izy, 114 hakiho raha refin'ny olona (izay refin'ny anjely ihany koa). 18 Vita tamin'ny jaspy ilay rindrina ary tamin'ny volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra madio. 19 Ny fototr'ilay rindrina dia voaravaka tamin'ireo karazana vato sarobidy rehetra. Ny voalohany dia jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin'ny folo jacinta, ny faha roa ambin'ny folo ametysta. 21 Ny vavahady roa ambin'ny folo dia vato soa roa ambin'ny folo; ny tsirairay amin'ireo vavahady dia vita tamin'ny vato soa iray. Ireo lalam-be teo an-tanàna dia volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra mangarahara. 22 Tsy nahita tempoly tao amin'ny tanàna aho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanak'ondry no tempoliny. 23 Ny tanàna dia tsy nila masoandro na volana mba hamirapiratra amin'izany satria ny voninahitr'Andriamanitra dia namirapiratra tamin'izany, ary ny Zanak'ondry no jiron'izany. 24 Handeha amin'ny fahazavan'izany tanàna izany ireo firenena. Ireo mpanjakan'ny tany dia hitondra ny fahatsaran'izy ireo ho ao amin'izany. (Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha sasany dia mivaky hoe: "Ireo firenena izay voavonjy dia handeha amin'ny fahazavan'izany tanàna izany.") 25 Tsy hidy ireo vavahadin'izany mandritry ny andro, ary tsy hisy alina any. 26 Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan'ireo firenena ao amin'izany izy ireo, 27 ary tsy hisy maloto hiditra ao amin'izany mihitsy. Tsy hisy na iza na iza hanao zavatra mahamenatra na mamitaka hiditra ao, fa ireo izay voasoratra anarana ao amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiainana ihany .