Toko faha 19

1 Taorian'ireo zavatra ireo dia nandre izay toy ny feo mafin'ny vahoaka maro isa tany an-danitra aho nanao hoe: "Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra, ary ny hery dia an'Andriamanitsika. 2 Ireo fitsarany dia marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tena lehibe izay nanaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy. Namaly faty ny ràn'ireo mpanompony, izay nalatsany izy." 3 Niteny fanindroany izy ireo hoe: "Aleloia! Ny setroka dia miakatra avy aminy mandrakizay doria." 4 Ireo loholona efatra amby roapolo sy ireo zava-manan'aina efatra dia niankohoka ary nanompo an'Andriamanitra izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana. Hoy izy ireo: "Amena. Aleloia!" 5 Dia nisy feo nivoaka avy tao amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: "Derao Andriamanitsika, ianareo rehetra mpanompony, ianareo izay matahotra Azy, na ny tsy manan-danja na ny mahery." 6 Dia nandre izay toy ny feon'ny olona maro isa, toy ny firohondrohon'ny rano maro, sy toy ny fianjeran'ny kotroka mafy aho, nanao hoe: "Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitra izay manapaka amin'ny rehetra. 7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ary hanome voninahitra Azy satria tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary ny ampiakariny efa niomana. 8 Nomena alalana hiakanjo lamba rongony mamiratra sy madio izy" (fa ny lamba rongony dia ireo asa marin'ireo olo-masina). 9 Ilay anjely niteny tamiko hoe: "Soraty izao: Sambatra ireo izay nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Niteny tamiko koa izy hoe: "Ireo dia teny marin'Andriamanitra." 10 Niankohoka teo amin'ny tongony mba hanompo azy aho, fa hoy izy tamiko: "Aza manao izao! Izaho dia mpiara-manompo aminao sy ireo rahalahinao izay mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fa ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy dia ny fanahin'ny faminaniana." 11 Dia nahita ny lanitra nisokatra aho ary nijery ka nisy soavaly fotsy . Ilay mpitaingina izany dia nantsoina hoe mahatoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiany. 12 Ireo masony dia toy ny lelan'afo afo, ary eo amin'ny lohany misy satro-boninahitra maro. Manana anarana voasoratra eo aminy izay tsy misy mahafantatra afa-tsy izy ihany izy. 13 Miakanjo akanjo lava izay natsoboka tao amin'ny rà izy, ary ny anarany dia nantsoina hoe ny Tenin'Andriamanitra. 14 Ireo tafiky ny lanitra dia nanaraka azy tamin'ny soavaly fotsy, miakanjo lamba rongony, fotsy sy madio. 15 Avy ao amin'ny vavany no mivoaka ny sabatra maranitra izay amin'izany no hamelezany ireo firenena, ary hanapaka azy ireo amin'ny tehina vy izy. Manitsaka ao amin'ny famiazan'ny fahaviniran'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha izy. 16 Manana anarana voasoratra eo amin'ny akanjo lavany eo amin'ny feny izy hoe: " Mpanjakan'ireo mpanjaka sy Tompon'ireo tompo." 17 Nahita anjely nitsangana teo amin'ny masoandro aho. Niantso tamin'ny feo mahery ireo vorona manidina ambony rehetra izy hoe: "Avia, miangòna ho an'ny fety lehiben'Andriamanitra. 18 Avia ihinana ny nofon'ireo mpanjaka, ny nofon'ireo mpitari-tafika, ny nofon'ireo lehilahy mahery, ny nofon'ireo soavaly sy ireo mpitaingina izany, ary ny nofon'ny lehilahy rehetra, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery." 19 Nahita ny bibi-dia sy ireo mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafik'izy ireo aho. Niangona izy ireo mba hiady amin'ny iray izay nitaingina ny soavaly sy amin'ny tafiny. 20 Voasambotra ilay bibi-dia ary niaraka taminy ny mpaminany sandoka izay nanao ireo famantarana teo anatrehany. Tamin'ireo famantarana ireo no namitahany ireo izay nandray ny mariky ny bibi-dia sy ireo izay nanompo ny sariny. Izy roa ireo dia natsipy velona tao anaty farihin'afo mirehitra solifara. 21 Ny ambin'izy ireo dia novonoina tamin'ny sabatra izay nivoaka ny vavan'ny iray izay nitaingina ny soavaly. Ny vorona rehetra nihinana ny nofo mangatsiakan'izy ireo.