Toko faha 18

1 Taorian'ireo zavatra ireo dia nahita anjely hafa izay nidina avy any an-danitra aho. Nanana fahefana lehibe izy, ary namirapiratra nohon'ny ny voninahiny ny tany. 2 Nihiaka tamin'ny feo mahery izy, niteny hoe: "Nianjera, nianjera ilay Babylona lehibe! Lasa tonga toeram-ponenan'ny demony, fialofana ho an'ireo fanahy maloto, ary fialofana ho an'ny ireo vorona maloto sy marikoriko rehetra. 3 Fa ny firenena rehetra dia nisotro ny divain'ny fitondran-tena malotony. Ireo mpanjakan'ny tany dia nanao fitondran-tena maloto taminy. Ireo mpivarotra ny tany dia tonga mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo." 4 Avy eo dia nandre feo hafa avy any an-danitra aho, miteny hoe: "Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hizarany ny fahotany ao aminareo, ary mba tsy hahazonareo ireo lozany. 5 Efa nihangona tahaka ny ahavon'ny lanitra ireo fahotany, ary Andriamanitra mahatsiaro ireo asa ratsiny. 6 Mamalia azy tahaka ny namalian'ny hafa, ary valio avy roa eny izay efa vitany; tao amin'ny kapoka izay efa nofenoiny, dia fenoy avo roa eny ho azy. 7 Toy izy nanome voninahitra ny tenany sy niaina tamin'ny tsy fiafiana, omeo azy ny fampijaliana sy ny alahelo sahaza azy. Fa izy nilaza tao am-pony nanao hoe: 'Nipetraka toy ny mpanjaka vavy aho. Tsy maty vady aho, ary tsy hisaona mandrakizay.' 8 Noho izany dia ho avy amin'ny andro iray ireo areti-mandringany: ny fahafatesana, ny fisaonana, ary ny mosary. Hodoran'ny afo izy, fa ny Tompo Andriamanitra dia mahery, ary izy no mpitsara azy. " 9 Ireo mpanjakan'ny tany izay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretana niaraka taminy dia hitomany ary hiankohoka eo anatrehany rehefa hahita ny setroky ny fahamaizany izy ireo. 10 Hijoro lavitra izy ireo, hatahotra ny fijaliany, hiteny hoe: "Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe, Babylona, ilay tanàna mahery, fa amin'ny ora iray dia ho avy ny sazinareo." 11 Ireo mpivarotra ny tany dia mitomany sy misaona ho azy, satria tsy nisy olona niady varotra ho azy intsony- 12 varotra volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, landy, mena, ireo karazana hazo ala, ny fanaka ivoara, ny fanaka rehetra vita avy amin'ny hazo sarobidy, varahina, vy, marbra, 13 kanelina, zava-manitra, ditin-kazo, miora, hanitra, divay, menaka, koba tsara toto, vary, biby fiompy ary ondry, soavaly sy kalesy, ireo andevo sy fanahin'olona. 14 Ny vokatra izay tinao tamin'ny herinao rehetra dia hiala aminao. ny entanao lafo vidy sy ireo namirapiratra dia nanjavona, ary tsy ho hita intsony mandrakizay. 15 Ny mpivarotra ireo entana izay tonga mpanan-karena noho izy dia hiala aminy lavitra nohon'ny fatahorana ny fijaliany, hitomany sy hisaona mafy. 16 Hiteny izy ireo hoe: "Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe izay niakanjo tamin'ny lamban-drongony tena tsara, volomparasy, sy mena, ary noravahana tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, ary vatosoa! 17 Anatin' ny ora iray dia ho foana izany harena rehetra izany. "Ireo kapitenin-tsambo rehetra, ireo mandeha eny ambonin'ny ranomasina rehetra, tantsambo, sy izay rehetra monina an-dranomasina, dia hijoro alavitra. 18 Nihiaka izy ireo raha vao nahita an'ilay setrokin'ny fahamaizany. Niteny izy ireo hoe: "Tanàna inona no toy ny tanàna lehibe?" 19 Nanipy vovoka teny an-dohany izy, ary nihiaka mafy, nitomany, sy nisaona, nanao hoe: "Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe izay nisy an'ireo rehetra nanana ireo sambo an-dranomasina no tonga mpanan-karena avy amin'ny harenany. Fa tao anaty ora iray dia simba izany." 20 "Mifalia aminy, ry lanitra, ianareo mpino, apostoly, ary mpaminany, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo taminy!" 21 Anjely mahery iray naka vato toy ny vato lehibe ary nanipy izany tany an-dranomasina, ary nilaza hoe: " amin'izany fomba izany, Babylona, ilay tanàna lehibe, harodana arahina herisetra, ary tsy ho hita intsony. 22 Ilay feo nataon'ireo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra dia tsy ho re ao aminao intsony. Ireo mpanao asa-tanana isan-karazany dia tsy hita ao aminao intsony. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho re intsony eo aminao. 23 Ny fahazavan'ny jiro, dia tsy hamirapiratra ao aminao intsony. Ireo feon'ny mpampakatra sy ampakarina dia tsy ho re ao aminao intsony, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, ary ireo firenena dia voafitaka tamin'ny famosavinareo. 24 Tao aminy no nahitana ny ràn'ilay mpaminany, sy ireo mpino, ary ny ràn'ireo rehetra izay voavono teto an-tany."