Marka 1 9

1 Ary hozy taminjareo: ''Tegneniko aminareo marigna tokôtrany fa misy aminareo izay mitsangagna aketo tsy handalo fahafatesana izany mihitsy mialoha ny atazagnanareo ny fahatongavan'ny fanjakan' Andriamanitra izay ho avy amin'ny tanjaka lehibe.'' 2 Ary enina andro taty afara, dia ndesin'i Jesosy Petera sy Jakoba ary Jaona tegny antanety anambo, ary izy rerika no tagny. Ary rehefa avy teo dia niova ny tarehiny nagnoloagna anjareo. 3 Ny fitafiny niova nangilatra fotsy tegna tsy zakan'ny maso teto ambonin'ny tany. 5 4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminjareo, niaraka tamin'i Jesosy izy roalahy. 5 Ary Petera niteny tamin'i Jesosy hoe: ''Raby ô, andao isika hipetraka aketo de hagnano trano lay telo, ny raiky Anao, ny raika an'i Mosesy, ny raika an 'i Elia.'' 6 (Tsy fantany izay tokony ho teneniny, satria natatra mafy zareo.) 7 Nisy rôndro tonga avy any andagnitra nagnarona anjareo. Ary nisy feo tagnatin'ilay rôndro: ''Ity ny Zanako Malalako. Minoa Azy.'' 8 Tampoka takeo rah nitazagna ny magnodidigna zareo, dia tsy natazagna na iza na iza intsony, afa tsy Jesosy irery. 9 Rehefa nidigna avy tan-tanety zareo, dia nafaragny mafy mba tsy hiteny na amin'iza na amin'iza ny zavatra nitranga hitany izy ireo, raha tsy efa nitsangagna ny amin'ny maty ny zanak'Ola. 10 Ary nitazagna izany teny izany zareo, kanefa nifampagnotagny ny dikan'izany hoe: ''Fitsanganana amin'ny maty.'' 11 Nagnontany an'Azy zareo: ''Nagnino nareo mpanora-dalàna no miteny manambara fa tsy maintsy ho avy meloha Elia?'' 12 Dia hozy taminjareo: ''Elia efa tonga vôlony agnarina ny rah dahôly. Ary nagnino voasotra fa ny zanak'Ola dia hijaly mafy amin'ny rah maro ary tsy tegn'ola? 13 Nefa tegneniko aminareo efa tonga Elia, ary nataogn'ola taminanjy izay danin'ny kibonjareo, araka izay efa voalaza ny tenin'Andriamanitra momba ananjy.'' 14 Ary rehefa niverigna takeo aminy ny mpianatra, dia nisy ola betsaka nagnodidina ananjy ary ireo mpanoradalàna niady hevitra taminjareo. 15 Ary rehefa tazan'i Jesosy zareo, dia tofoka ny ola dahôly ary nitototo nagnantona ka niarahaba ananjy. 16 Ary nagnontany ireo mpianany Izy nagnano hoe: ''Ino iadivanareo hevitra amin'ireo.'' 17 Ary nisy raika tamin'ireo ola betsaka namaly Azy nagnano hoe: ''mpampianatra ô! ndesoko taketo aminao ny zanako lahy. Misy fanahy ratsy tsy mampiteny azy izy, 18 ary nisambotra ananjy io fanahy ratsy io, ka nihentarotaroka ananjy ary nandoa vory, sy nampiady nify azy ary lasa nihinjitra. Ary nangataka tamin'ny mpianatrao zah mba hamoaka an'io fanahy ratsy io hiala aminanjy, nefa tsy vitanjareo izany. 19 Ary namaly ananjy ireo Izy, ''Ry taranaka tsy mino,mandra-pahoviana no ipetrahako aketo aminareo? Mandra-pahoviana no andeferako aminareo? Ndeso aty aminah ilay zaza.'' 20 Ary ndesonjareo teo amin'Azy ilay zazalahy, ary rah vao natazgna an'i Jesosy ilay fanahy ratsy dia nihinjitsindritra Izy ary nampetarotaroka ananjy tamin'ny tany ilay zaza lahy feno vory ny vavany. 21 Jesosy nagnontany ny dadany: ''Tamin'ny ovegna no nahatonga ananjy nagnano anio?'' Dia hozy ny dadany, ''Efa hatramin'ny mbola kely, 22 Io fanahy ratsy io indraindray nandavo ananjy agny agnaty afo na agny agnaty rano ary nanandrana hamono ananjy. Ary raha mahay ny rah dahôly Ianao, miantraha anay, dia vonjeo zahay. 23 Jesosy niteny taminy hoe, ''Raha mahay ny rah dahôly Ianao?'' 24 Ny rah dahôly ''hain'ny mino.'' ary niaraka tamin'izay ilay dadan'ilay zaza nagnantso mafy hoe: ''Mino zah, vonjeo za amin'ny tsy finoako.'' 25 Ary rehefa tazagn'i Jesosy reo ola betsaka nitotototo nagnantona ananjy ireo, dia nitegneniny mafy ny fanahy maloto nagnano hoe: ''Ry fanahy môgna sy maregnina, mandidy anao zah mivoaha akao enao, ary tsy niverigna tamin'azy intsony izy.'' 26 Nikikika mafy ilay fanahy ratsy ka nampihinjirin'ny mafy ilay zaza ary farany nivôka takao aminy. ôtran'ny ola maty ilay zaza lahy, ary betsaka ny ola niteny hoe, "Efa maty izy.'' 27 Fa jesosy nitazona tamin'ny tagnany. Ka nagnarina ananjy, dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa nitsofoka takao an-dragno Jesosy, dia nagnontany ananjy manokana ny mpianany, ''Nagnino no tsy voavôkanay ilay fanahy ratsy iny?'' 29 Ary hozy taminjareo, ''Ny tahaka ireny tsy afaka havôka raha tsy amin'ny alalàn'ny vavaka.'' 30 Ary niala takeo zareo ary nandalo tagny Galilia. Ary tsy teny ho fantatry ny ola hoe avy taiza zareo. Satria nampianatra ny mpianany Izy. 31 Dia hozy taminjareo: ''Ny zanak'Ola dia atolotra eo an-tagnan'ola ka vonoinjareo.'' Ary rehefa vonoiny Izy dia hitsangana amin 'ny maty rehefa afaka telo andro. 32 Ary tsy fantatry zareo ny teny noteneniny, ary natatra ry zareo nagnontany ananjy. 33 Rehefa tonga takao Kepernaomy ry zareo, ary rehefa tonga takao an-drano Izy dia nagnonatany azy ireo ''Ino raha nifampiresahanareo tan-dalàna?'' 34 Fa samy nangina zareo. Satria efa niady hevitra tan-dalàna ry zareo ny amin'izay lehibe. 35 Nientotra Izy ary nagnatso an'izy roambinifolo lahy ary hozy taminjareo: ''Raha nisy te ho lôhany aminareo dia tsy maintsy farany aminareo dahôly izy ary mpanomponareo dahôly.'' 36 Naka zazakely raiky izy ary nataony tampivônjareo. Nalainy io zazakely io dia nibotrony ary hozy taminjareo, 37 N'iza n'iza mandray ity zaza ity amin'ny anarako, ary raha mandray anah izy, dia tsy mandray Ahy irery izy fa mandray izay nagniraka Ahy.'' 38 Hozy Jaona taminy: ''Mpampianatra ô, natazagna ola zahay namoaka demonia tamin'ny anaragnao ary tsy nalefanay izy, satria tsy niaraka tamintsika, 39 Ary Jesosy nagnano hoe: ''Aza sakagnana izy tsisy ola nagnano asa geda amin'ny agnarako nefa avekeo agnaratsy ny agnarako.'' 40 Fa izay tsy manoatra antsika dia miaraka amintsika. 41 Ary n'iza n'iza manome agnao rano iraiky ny tasy sotroina noho ny amin'ny Kristy, dia lazaiko aminao mihintsy ny marigna, fa tsy ho very ny valim-pitiany. 42 Fa na iza na iza mampasosy ny raika amin'ireto izay kely mino Ahy, dia tsara hoa azy, rah ajibika agnaty rano laligna miaraka amin'ny vato be fatoragna amin'ny tendany dia atsipy agny an-dranomasina. 43 Raha ny tananao no mahatonganao sosy dia tapaho hiala amin'ny tôrany. Fa tsara aminao no mitsofoka kilemaina aigny amin'ny fiainana noho ny manana tanan-droa ary mandeha makaigny amin'ny helo, agny amin'ny afo tsy azo vonoina. 44 (Tsy ao anatin'ny fandikan-teny) 45 Ary raha ny tongotra no mahasosy anao dia tapaho hiala amin'ny tôrany izy, fa tsara aminao no mitsofoka tsisy tongotra agny amin'ny fiainana noho ny magnana tongotra roa nefa very mankaigny amin'ny helo. 46 (Tsy ao anatin'ny fandikan-teny) 47 Raha ny masonao no mahasosy anao, garogny izy hiala aminao fa tsara aminao no mitsofoka amin'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny maso raika noho izay maso roa kanefa aregna agny amin'ny helo, 48 izay misy vika tsy maty vonoina ary afo tsy mety maty. 49 Fa ny ola dalôly agny amin'ny helo dia samy voatono amin'ny afo. 50 Tsara ny sira fa rah ny sira no tonga matsatso, ahôna no manamasina an'azy indray? Asio sira izany aminareo, ary mihavàgna amin'ny tsirairay avy.