Marka 1 10

1 Avy ndray Jesosy dia nakeny Jodia, any ampitan'i Jordana. Nisy ola betsaka nitangorina taminanjy. Ary araka ny fanaony dia nampianatra ndray Izy. 2 Dia nagnantona an'Azy ny fariseo mba haka fanahy ananjy. Dia nagnontany anjareo hoe: "Avelan'ny lalàna hisarabady va ny lehilahy raika?'' 3 Namaly anjareo Jesosy hoe: ''Nanakôry ny nandidin'i Mosesy anareo?'' 4 Dia hozy zareo: ''Mosesy dia namela anay hisarabhady rehefa nomeny taratasy fiasarahana.'' 5 Fa Jesosy namaly anjareo hoe: ''Ny hamafisan'ny fonareo no nagnomezany an'izany didy izany. 6 Fa tany ampiandohana namorona, Andriamanitra nagnano ny ola lahy sy vavy.'' 7 ''Izany no nandaozany ny lahy ny dadany sy ny mamany ka nikambana tamin'ny vadiny izy ireo, 8 ary ho tonga nofo raika zareo roa. Tsy roa intsony zareo amin'izany fa ho raika ihany. 9 Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy ho sarahin'/ny olombelogna.'' 10 Ary rehefa tan-drano zareo dia mbola namerigna nagnontany izany indray ny mpianatra. 11 Hozy taminjareo: ''Izay lehilahy misaraka amin'ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia malanga ihany koa ka magnala baraka ny vadiny. 12 Ary raha misy koa vehivavy miala amin'ny vadiny ka manambady lehilahy hafa dia malanga ihany koa. 13 Ary nisy nitondra zaza nagnantony ananjy mba hametrahany tagnana ka nisakanany ny mpianatra izany, 14 Fa rehefa tazagn'i Jesosy izy izany dia sosy izy ka niteny tamin'ny mpianatra hoe: ''Avelao ny zaza agnantona Ahy fa aza sakanana fa natokana ho anajero ny fanjakan'Andriamanitra." 15 Tegneniko aminareo marina tokoa fa tsy hitsofoka amin'ny fanjakan'Andriamanitra mihitsy izay tsy miova ôtran'ny zazakely. 16 Ary dia nobotrony ireo zaza ireo ka nitsofiny rano sady nametrahany tagnana. 17 Ary rehefa nandeha tan-dalagna Jesosy dia nisy gaogna nitotototo ka nandady teo anolôny ka nagnontany ananjy hoe: ''Mpampianatra tsara ô! ino ataoko mba handovako fiainana mandrakizay? 18 Jesosy namaly ananjy ka nagnano hoe: ''Manakôry no tegnenenanao fa tsara zah? tsy misy tsara afa tsy Andriamanitra raiky ihany. 19 Fantatrao ny didy hoe: ''Ianao, tsy hamono ola, tsy hijangajanga, tsy hangalatra, tsy hijoro vavolombelona mandainga, tsy hampasosy ola, hajao ny mamanao sy ny dadanao.'' 20 Dia namaly le gaogna: ''Mpampianatra ô , efa narahiko dalôly hatramin'ny za mbola kely zany.'' 21 Dia nitazagna ananjy Jesosy, dia tin'i Jesosy izy, dia hozy Jesosy: ''Misy zavatra banga aminao. Mandehana amidio izay agnananao, homeo an'ny mahantra regny dia hagnana tahiry agny an-danitra ianao. Dia ave, agnaraka anah.'' 22 Fa toina tamin'ny fiteny izany ity gaogna, ka nalahelo lôtra sady nande satria magnana fagnanana be lôtra izy. 23 Nitazagna nagnodidigna ananjy Jesosy ary niteny tamin'ny mpianatra: Tena sarotra ho an'ny makarena be ny hitsofoka amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 24 Dia tofoka tamin'izany tenin'i Jesosy ny mpianatra. Ary dia nitohizany hoe: ''Ry zanako, sarotra be ny fitsifoana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'izay mahatoky ny fagnanany. 25 Fa mora hoa an'ny rameva no hitsofoka ao amin'ny vodin'ny filo noho ny hitsofoin'ny mpanakarena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Dia mbola tofoka koa ny mpianatra ary dia nifagnontany zareo hoe: ''Iza indray zany no ho vonjena?'' 27 Nitazagna anjareo Jesosy ary hozy: ''Tsy vitan'ola zany fa vitan'Andriamanitra satria rah dahôly hain'Andriamanitra hatao.'' 28 Hozy Petera taminy: ''Izahay reto dia namoy ny raha dahôly ka nagnaraka Anao.'' 29 Ary novalin'i Jesosy: ''teneniko marigna aminareo, tsy misy ola izay mandao ny tragnony, na ny rahalahagny, na ny rahavavigny, na ny mamany, na ny dadany, na ny zananany, na ny taniny noho ny amin'ny filazantsara, 30 noho tsy ahazo avy zato egny amin'izao taonjato ankehitriny izao dia trano, ralahy, rahavavy, mama, zanaka, tany miaraka amin'ny fagnenjena ary amin'ny taonjato ho avy dia fiainana mandrakizay. 31 Betsaka amin'ny vôlôny lasa faragny ary betsaka amin'ireo faragny lasa vôlôny.'' 32 Ary any andalana hiakatra hoa any Jerosalema Jesosy sy ny mpianany ary Jesosy nialoha anjareo dia tofoka ny mpianatra nagnaraka tamin'ny tahotra. Natsovin'i Jesosy ho aminy idray izy roambin'ny folo lahy ary dia nonomboka nilaza raha hiatra aminanjy izy 33 . hiakatra ho any Jerosalema isika izao, ny zanak'ola dia hatolotra ho an'ny mpisorogna be sy ny mpanora-dalàna. 34 Hohelon'izy ireo ho faty Izy ary atolony ho an'ny Jentilisa. Ireo dia nagneso Ananjy nandreoka Ananjy, nively Ananjy sy hafaty Ananjy ary afaka telo andro nahafatesany dia hitsangana amin'ny maty ndre Izy. 35 Nagnantona an'i Jesosy ny zanak'i Jebedio, Jakoba sy Jaona ary niteny taminy hoe: ''Mpampianatra ô, mba tenay raha mba hataonao zay hangatahanay aminao:'' 36 Dia hozy: ''Ino no tinareo ataoko aminareo?'' 37 Avelao izahay hiaraka aminao rehefa eo amin'ny voninahitrao ianao ka ny iraika an-tanan-kavananao ny iraika an-kavianao. 38 Hozy Jesosy namaly anjareo: ''Tsy fantatrareo izay angatahanareo. Ianareo ve afaka misotro amin'ny kapôkako izay ho sotroiko, na hiaritra ho hatao batisa aminy agnanovana batisa anah. 39 Vitanay izany hozy zareo. Ary namaly anjareo Jesosy: ''Marina fa afaka misotro tamin'izay nosotroiko ianareo ary afaka hatao batisa amin'izay agnaonvana batisa Ahy. 40 Fa nientotra eo an-kavanana sy eo an-kaviako kosa dia tsy miankina aminah izany, fa homena an'izay voatokana amin'izany.'' 41 Nagnomboka sosy tamin'i Jakôba sy Jaona ny fololahy naregny anzany. 42 Nantsovin'i Jesosy zareo ary hozy: ''Fantatrareo fa ireo izay heverin'ny Jentilisa tahaka ny mpanapaka sy filoham-panjakana dia mampihorohoro sy manapatra fahefahana aminy. 43 Tsy ôtran'izany ianareo fa na iza na iza teo ho lehibe aminareo dia aoka iza ho mpanompo anareo, 44 ary izay ho te vôliny aminareo aoka ho andevonareo dahôly. 45 Fa ny zanak'ola tsy tonga ho tompohina fa ho tonga ho anompo sy hanolotra ny Ainy ho takalon'ny Aina ho an'ny dahôly. 46 Tonga takao Jerikô ry zareo. Rehefa nivoaka ny tagnàna Jesosy sy ny mpianany, ary ola betsaka sy zanak'i Timeo, Bartolomeo izay mpangataka sady jamba nientotra teo amoron-dalàna. 47 Naregny izy fa Jesosy ho avy, avy agny Nazareta noho andalo dia nihiaka mafy izy: ''Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.'' 48 Ary betsaka niteny mafy ananjy mba hangigna, fa vô maika izy nihikiaka mafy: ''Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!'' 49 Nijanona Jesosy ary nampiantso ananjy. Antsoivo ilay jamba ary notegneniny hoe: ''Mahereza, mitsangagna fa nantsoivony ianao.'' 50 Narian'ilay jamba ny lambany ary nitsangagna niantsambotra nankeo amin'i Jesosy izy. 51 Dia nagnontany ananjy ndre Jesosy: ''Ino ataoko aminao?'' Rabony ô, ampahirato ny masoko,'' hozy ilay jamba. 52 Ary hozy Jesosy: ''Mandehana, ny finoanao no nahavonjy anao.'' Dia natazagna niaraka tamin'izay ny masony ary nagnaraka an'i Jesosy tagny ana-dalàna izy.