Marka 1 11

1 Rehefa nande tagny Jerosalema ry zareo dia nagnankeky Betifaga sy Betany, agny an-tampon-tanety ny oliva, ary Jesosy nagniraka roalahy tamin'ireo mpianany. 2 Ary nilaza hoe: ''Mandehana amin'ny vohitra kely ery magnoloagna antsika ery. Raha vao tafatsoka ao nareo dia tazagno fa misy zana-boriky raika tsy mbola notikinagn'ola. Vahao izy dia ndeso aty aminah. 3 Raha misy ola miteny aminareo hoe: ''Magnino magnano anzao nareo?'' Valio izy hoe: ''Ny Tompo no milaza an'izany dia haverinay haingana aty izany.'' 4 Ny mpianany nandeha nivôka dia natazana zana-boriky raika nifatotra teo ivelan'ny trano ankilan'ny varavarana eo amoron-dalàna, ary novahany ny fatotra. 5 Ireo ola nitsangagna teo dia nanontagny anjareo: ''Ataonareo ino ny zana-boriky?'' 6 Dia noteneningny ananjy ny tenin'i Jesosy tamin-jareo, dia navelagn'ola nande ry zareo roalahy. 7 Ndesign'ireo mpianatra roalahy tamin'i Jesosy ny zan-boriky dia nataony tambony sembony ary Jesosy nitikina ananjy. 8 Betsaka ny ola namelatra lamba tan-dalàna, ary ny sasagny kosa namelatra ratsa-kazo notapahina avy agny an-tsabo. 9 Ireo nandeha teo alohany sy nagnara ananjy teo hafara nagnantso antso hoe: ''Hosana! Tahiana ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo. 10 Tahiana ny fanjakana ho avy an'i Davida dadantsika! Hosana ho any amin'ny avo indrindra!'' 11 Jesosy nitsofoka takao Jerosalema ka nankao an-kianjan'ny tempoly sy nitazatazana ny rah dahôly. Efa hariva ny andro tamin'izay ary nizotra nakeny Betania izy sy ny roambin'ny fololahy avy takeo. 12 Ny maraigna anio raha niverigna avy agny Betania zareo dia refogna Jesosy. 13 Natazagna aviavy raika izy ary raviny foana ery lavidavitra, ary nagnantona Izy nitazagna raha misy voa teo aminy. Ary rehefa nandroso Izy, dia tsy natazagna na inona na inona afa tsy raviny ihany, fa tsy mbola taom-pamokaran'ny aviavy tamin'io. 14 Ary Izy niteny taminy hoe: ''Na iza na iza mandrakizay tsy hinana ny voa avy aminao intsony.'' Ary ny mpianany naregny anzany. 15 Tonga takao Jerosalema ry zareo avy takeo, dia nitsofoka takao an-kianjan'ny tempoly ary nanomboka nandrôka ny mpivarotra sy ny mpividy dahôly tao Jesosy. Nakorontany dahôly ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ny mpivarotra voromailala. 16 Izy tsy namela an'iza an'iza hitondra hamaky ny kianjan'ny tempoly ka hatao hivarotana. 17 Dia nampianatra anjareo Izy sady niteny hoe: ''Tsy voasoratra va:'' Ny tranoko natao antsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena dahôly?'' Nefa ataonareo ho zohy fieren'ny mpangalatra.'' 18 Ary ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanoradalana naharegny izany teniny izany, dia nitady hevitra amonoana Azy. Saingy natatra Azy ireo satria ny ola dahôly tofoka tamin'ny fampianaran'i Jesosy. 19 Ary isan-kariva dia nialan'izy ireo ny tanàna. 20 Ary nandalo zareo nohon'ny ampalakeka, dia tazagny ilay aviavy nalazo hatramin'ny fotony. 21 Ary Petera nitadidy ka niteny hoe: ''Mpampianatra ô, tazagno! ilay aviavy nozoninao dia efa nalazo.'' 22 Jesosy namaly anjareo: ''Magnana finona an'Andriamanitra. 23 Tegneniko aminareo marina tokoa na iza na iza miteny amin'ity tanety be ity hoe: ''Mandehana ka mianjera any agnaty ranomasina'', ka tsy hianahana ao am-pony fa hino fa ho tonga ny rah notegneniny, dia toy izany ny fiasan'Andriamanitra. 24 Noho izany Izaho miteny aminareo hoe: Izay rehetra hivavahanareo sy angatahinareo, minoa fa efa nandray sahady, ary ho azonareo izany. 25 Rehefa nijoro sy nivavaka ianareo, ka misy ola raika agnanareo alahelo, mamela ny helony, mba ho avelan'ny Rainareo izay any an-danitra ihany koa ny fahotanareo. 26 Fa raha tsy mamela heloka kosa ianareo, dia ny Rainareo izay any an-danitra tsy hamela ihany koa ny helokareo.'' 27 Dia nandeha indray ho any Jerosalema zareo ary nitsangatsangana teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy dia tonga nagnantona ananjy ny lohan'ny mpisorona, ny mpanoradalana ary ny loholona. 28 Ka niteny taminy hoe: ''Fahefahana avy aiza no hanaovanao an'ireny raha ireny, ary iza no nagnome anao fahefahana hanao ireny?'' 29 Jesosy namaly hoe: ''Izaho koa ametraka fanontaniana raika aminareo. Lazao aminah dia lazaiko aminareo hoe fahefana avy aiza no hanaovako an'ireny raha ireny. 30 Ny batisan'i Jaona, ve avy any an-danitra sa avy amign'ola? Valio aho:'' 31 Nifampidinika niaraka izy dahôly sady nifamaly niteny hoe: ''Raha mamaly isika hoe: ''Avy any an-danitra,'' dia hamaly antsika Izy hoe: ''Fa ahoana no tsy hinoanareo ananjy?''. 32 Ary raha hamaly koa isika hoe: ''Avy amin'ny ola,''...''Natahotra ny ola zareo, satria ny ola dahôly naneky fa Jaona dia mpaminany marina. 33 Ary namaly an'i Jesosy zareo ka nagnao hoe: ''Tsy hainay''. Dia hozy Jesosy taminy: ''Izaho koa tsy hiteny aminareo hoe fahefana avy aiza no hanaovako an'ireny raha ireny.''