Marka 1 12

1 Dia niteny tamin'ny fanoharana indray Jesosy: ''Nisy gaogna nagnano tnim-boaloboka, nanisy fefy manodidina, nagnano famiazana sy nagnano tilikambo ary nampanofainy tamin'ny mpamboly voaloboka izany ka lasa izy nankany amin'ny tany hafa. 2 Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, fiakaran'ny vokatra, dia nandefa mpanompo izy ho any amin'ny mpamboly akan'ny ampahany izay tokony ho azy amin'ny vokatra voaloboka. 3 Nisamborinjareo ilay mpanompo dia noveleziny arhy noroasginy ka tsy nitondra na inona na inona. 4 Dia nagniraka mpanompo hafa indray ilay tompony, dia novelezina indray tamin'ny lôny ary nalagny baraka. 5 Novonoiny koa ilay hiraka fahatelo ary novonoina dahôly ny mpanompony niragna taigny. 6 Nanana zanaka lahy izay tegna teny mihintsy ilay tompon-tany ary mihevitra izy fa mba tsy ho san'ireo ny hamono azy ary nalefany zananany agny izy. 7 Nefa niray tetika ireo mpanofa ny tany ka nagnano hoe: ''Ity ilay mpandova. Andao ho vonointsika izy dia ho alaintsika ny lova.'' 8 Dia nosamboriny ilay mpandova dia novonoiny ary natsipiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Ino zany zao nko ataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka? Ho avy izy ka handringana ny mpiasa ary omeny olo-kafa ny tany. 10 Tsy novakinareo angaha ny soratra masina? Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano no lasa vato fehizoro. 11 Ny sitrapon'Andriamanitra no mahatonga an'izany. Ary dia mahagaga eo imasontsika.'' 12 Nikaraka ny hisambotra an'i Jesosy ry zareo fa natahotra ny ola takeo. Fantatr'izy reo fa ho anjareo no nagnanaovany Jesosy izany fanoharana izany. Dia lasa nandeha izy ireo. 13 Dia nagniraka Fariseo sy Herodiana ho any Aminy mba hamandrika Azy amin'ny teniny izy ireo. 14 Hozy ireo taminy: ''Mpampianatra ô, fanatatray fa tsy mihaino hevitr'ola tokoa Ianao, tsy miangatra ary mampianatra ny lalàn'Andriamanitra. Fa zao azo hatao ve ny tsy mandoa hetra ho an'in Kaisara? Tokony handoa hetra ve zahay?'' 15 Fantatr'i Jesosy fa amin'ny fiatsarambelatsia no hitenenany izany ary novaliany hoe: ''Magnino ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray vola Aho tazagnako azy.'' 16 Dia nitondra vola raika i Jesosy ary nagnontaniany anjareo: ''Iza no asehon'ity sary sy soratra ity?'', ''Kaisara'' hozy zareo namaly. 17 ''Noho izany omeo an'i Kaisara izay ho an'i Kaisara, ary omeo an'Andriamankitra izay ho an'Andriamanitra.'' Dia tofoka teo hanatrehan'izany ireo. 18 Tonga tamin'i Jesosy ny Sadoseo izay tsy nino ny fitsangan'ny tena amin'ny maty ary nametraka taminy ity fanontaniana ity: 19 ''Mpampianatra ô, nagnoratra izao ho anay i Mosesy: ''Raha maty ny rahalahin'iray ary nametraka vady izy nefa tsy mba nanan-janaka dia ny rahalahiny no manam-bady ilay vehivavy maty vady mba hisy hamelo-maso ny rahalahiny.'' 20 Nefa fito mirahalahy ireo. Nagnam-bady ny voalohany ary maty tsy niteraka. 21 Dia maty koa ilay faharoa dia torak'izany koa ilay fahatelo. 22 Tsy nisy tamin'ireo fito ireo no niteraka. Dia maty koa ilay ramatoa. 23 Amin'ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty. Iza amin'izy fito lahy no ho vadiny ramatoa satia samy nanambady azy izy fito lahy.'' 24 Hozy Jesosy: ''Diso hevitra ianareo satria tsy takatrareo na ny sotra masina na ny herin'Andriamanitra. 25 Satria amin'ny fitsanganan'ny maty tsy misy vady intsony na ho an'ny lehilahy na ho an'ny vehivavy fa tonga tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26 Ny fitsanganan'ny teny amin'ny maty tsy novakinareo va ny bokin'i Mosesy izay notenenin'Andriamanitra izay mikasika ny kirihitr'ala kely. Izaho no Andiamanitr'i Abrahama sy Andrhiamanitr'i Isaka sy Andriamanitr'i Jakoba? 27 Andriamanitra dia Andriamanitry ny velona fa tsy Andriamanitry ny maty. Tegna agnatin'ny fahadisoan-kevitra ianareo.'' 28 Ny iraika tamin'ireo mpnora-dalana izay naregny faha voavailin'i Jesosy tsara dahôly ny fanontaniany Sadiseo dia nagnantona ananjy ary nanontany; ''Ino no voalohany amin'ny didy dahôly?'' 29 Jesosy namaly hoe: ''Ity no voalohany: ''Minoa ry Israely, ny Tompo Andriamanitra. Izy irery ihany no Tompo. 30 Ary tiava ny Tomponao, ny Andrhiamanitrao amin'ny fonao dahôly, amin'ny fanahinao dahôly, amin'ny sainao dahôly sy amin'ny herinao dahôly. 31 Ity no faharoa: tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsisy didy lehibe mihôtra an'ireo. 32 Hozy ilay mpanora-dalàna: ''Tsara izany Mpampianatra fa Andriamanitra dia Iraika, tsy misy afa tsy Izy. 33 Ary ny mitia azy amin'ny fo rehetra amin'ny fo rehetra, amin'ny sainao rehetra, amin'ny fabahinao rehetra, amin'ny herinao rehetra dia tsara lavitra mihôtra ny fanatitra dorana sy ny sorona.'' 34 Rehefa tazan'i Jesosy fa voavaliny tampahendrena ny fanontaniana dia niteny taminy hoe: ''Tsy lavitsy ny fanjakan'Andriamanitra ianareo.'' Ary tsy misy sahy nametraka fanontaniana tamin'Azy intsony. 35 Mbola nitohy nampianatra takao an-tepoly Jesosy ary hozy: "Manakôry ma no nolaizain'ny mpanora-dalàna fa Kristy dia zanak'i Davida? 36 Davida tegnany aza niteny tamin'ny Fanahy Masina nagnano hoe: ''Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko: mipretràha aketo an-tanakavanako ianao mandram-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao''. 37 Davida nagnantso an'Azy hoe: ''Tompo'' koa nahoana no maha zanany Azy?'' ''Ary fifaliana ho agn'ola no maharegny an'Azy. 38 Amin'ny fampianarany Izy dia niteny hoe: ''Mitandema amin'ny mpanora-dalàna izay te mandehandeha amin'ny akanjo lava ary mandigny arabaina eny amin'ny tojerana ankalamanjana fipetrahan'ny ola betsaka, 39 izay mikarakara seza voalohany any amin'ny Sygnagoga, sy ny toerana aloha eny amin'ny lagnonana. 40 Mandany andro any amin'ny tranon'ny vehivavy maty vady modia magnano vavaka lava be mba ho tazan'ny ola, fa mafy mafy kokoa ny fitsaràna an'azy ireny.'' 41 Nientotra nifagnandrify ny vatan-drakitra Jesosy nitagna hoe ahoana no fandatsan'ny ola vola agnaty vata. Betsaka amin'ny manakarena no mandrotsaka vola bobaka. 42 Tonga koa ilay vehivavy mpitondra tena mahantra raika nandrotsaka vola farantsa roa, ankevitry ny variroaventy avy. 43 Dia nantsoin'i Jesosy ny mpianany hozy: ''Teneniko aminareo marina tokôtra fa ity vehivavy mahantra maty vady ity no nagnome betsaka indrindra tamin'ny ola izay nandrotsaka vola takao anaty ny vatan-drakitra. 44 Satria ny dahôly dia nagnome vola izay ambiny tamin'ny kitapony. Fa ity vehivavy ity kosa, dia izay fivelomany sy hividianany izay hilainy no narotsagny.''