Marka 1 8

1 Tamin'izany andro izany dia betsaka ny ola nandre no nitangorina tamin'Azy, ary tsy nana-kohanina izy ireo. Dia niantso ny mpianany Jesosy ary niteny taminjareo hoe: 2 ''Mpampalahelo anah ireto ola ireto satria efa ho telo andro zareo taketo aminah nefa tsy manan-kohanina mihintsy. 3 Raha alefako mody tsy homan-kanina ireto dia atahorako refogna tan-dalàna nefa ny sasany aminjareo dia avy agny lavitra. 4 Namaly azy ny mpianatra: ''Ahoana no hamokisan-tsika mofo an'ireo ola ireo aty an'efitra aty?'' 5 Nagnontany anjareo Jesosy: ''Magnana mofo fito ianareo?'' Mofo fito, hozy zareo. 6 Nandidy ny ola izy mba hetôtra ary noraisiny ny mofo fito dia nisaotra Izy ary nopolahany ka natoliny ny mpianany ho zarain-jareo tamign'ola betsaka. 7 Ary mbola nisy baraoa kely ihany koa. Ka rehefa nisaotra Jesosy dia noraisiny nozaraina koa izany. 8 Dia nihignany ny ola ka voky ary mbola nisy fito karapaka ny ambiny. 9 Tokony efatra arivo ny ola tamin'zany. Dia nalefan'i Jesosy nody rehefa avy takeo. 10 Dia nandeha an-tsambokely indray Jesosy sy ny mpianatra hakany amin'ny faritr'i Dalmanota. 11 Dia tonga ny Fariseo niresaka tamin'ny Jesosy mba hakany fanahy azy ka nangataka famantarana avy agny an-danitra taminy. 12 Nisento lalina tany amin'ny fanahiny Izy ary niteny hoe: ''Magninoa mangataka famantaragna ity taranaka ity? Nefa tegneniko aminareo marina tokoa fa tsy misy famantarana izay omena anareo. 13 '' Dia niala tamin'izy ireo Jesosy dia nitsaka teo an-tsambo jesosy sy ny mpianany. 14 Tsy tadidin'ny mpianatra nitondrany mofo ary tsy nisy nagnana afa tsy tokana zareo takao anaty sambo. 15 Dia nampitandrina Azy Jesosy ka nikteny hoe: ''tandremo mba tsy hoa azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda.'' 16 Dia nifampiresaka ny mpianatra: ''Noho isika tsy nitondra mofo ve ilazany izany?'' 17 Fantatr'i Jesosy ny resaky ny mpianatra ary hozy: ''Nahoana no amin'ny mofo ny fisaignanareo?'' tsy fantatrareo sa mbola tsy takatrareo izay nolazaiko? Mbola mafy ve ny fonareo. 18 Magnana maso nareo fa tsy nahita? Manan-tsofina nareo fa tsy maregny? Sa tsy tadidinareo? 19 Rehefa namaky ny mofo ho an'ny ola dimy arivo dia firy karapaka ny ambiny? 20 Ary rehefa namilaka ny ho an'ola efatra arivo, firy karapaka ndesinareo nody? ''fito karapaka hozy ny mpianatra namaly.'' 21 Ary hozy: ''Mbola tsy takatrareo ihany ve?'' 22 Dia tonga tany Betesta zareo. Dia nisy jamba raika ndesign'ola tamin'i Jesosy ary niangavy Izy mba hikitika azy. 23 Ndesin'ny tamin'ny tanany ilay jamba dia nivoaka ny tagnàna zareo, dia nisorana rora teo amin'ny masony dia nametrahany tanana ary nagnontany hoe: ''Ino rah tazagnao?'' 24 Dia nitazagna Izy ka nagnano hoe: ''Nahita ola fa ôtran'ny kakazo mandeha.'' 25 Nataon'i Jesosy tamign'ny masony indray ny tanany rehefa nitazagna tsara ilay jamba dia niverigna tamin'ny laoniny ny fahitany, ary niavaka tsara ny fahitany. 26 Dia nasain'i Jesosy nody Izy ary noteneniny mba tsy hitsofoka ankao an-tagnàna. 27 Lasa ndre Jesosy sy ny mpianany nankaigny amin'ny tagnànan'ny Kaisara Filipo. Tandalana de nametraka ny fanontaniany taminjareo Izy: ''Heverogn'ola ho iza zah ty?'' 28 Nisy nilaza: ''Jaona mpanao batisa'', ny sasagny: ''Elia" ary ny sasagny hoe: ''Raika amin'ny paminagny.'' 29 ''Dia namaly Petera hoe: ''Ianao no Kristy.'' 30 Nafaragn'i Jesosy mafy zareo tsy hiteny an'zany mintsy. 31 Nanomboka nampifantariny ireo mpianany fa tsy maintsy mijaly ny zanak'Ola, laviny loholona sy ny mpisorona ary ny mpanoradalana ho helony ho faty nefa hitsangana amin'ny maty afaka telo andro ao afaran'izany. 32 Niteneniny tamasom-bahoaka izany. Dia nantsoviny Petera mangingina Jesosy ka nanomboka nagnintsy ananjy. 33 Nefa Jesosy nitodika nitazagna an'i Petera manokana dia nanintsy ananjy hoe: ''Agny afarako ianao ry satana! tsy misaigna ny zavatr'Andriamanitra ianao ary tsy magnana afa tsy fisaignagn'olombelona.'' 34 Avy akeo dia nagnantso ny vahoaka sy ny ola ary ny mpianany: ''Raha misy te hagnantona anah dia tsy mievitra, ny tegnany izy fa mitondra ny hazo fijaliana zaivo vô magnaraka anah. 35 Izay te-hamonjy ny ainy no mahavery ny vatany, izay mahafoy ny ainy sy ny filazantsara no mahazo ananjy. 36 Fa ino no tombony azogn'ola rah mahazo izao tontolo izao, nefa very ny fagnahiny? 37 Ino takalony omen'ola azy?