Marka 1 7

1 Ny Fariseo sy ny mpanora-dalana sasany, any agny Jerosalama tonga nitangorina nagnodidina an'Azy. 2 Ary tazanjareo ny mpianatra vitsivitsy omana mofo amin'ny tagnana tsy madio;izany hoetsy voasasa. 3 (Nefa ny Fariseo sy ny Jiosy daholo tsy mba omana raha tsy efa voasasa madio tsara ny tagnany ;manaraka ny fombafomba fagnaon'ireo zokiola. 4 Ary ny Fariseo rehefa miverigna avy agny an-tsena, dia tsy omana izy raha tsy avy misasa. Ary fomba betsaka izay tsy maintsy arahina,ôtran'ny manasa kapoaka sy ny famarana,ny fanaka varahina ary ny efitra fihinanan-kanina mandrimandry rehetra.) 5 Ireo Fariseo sy ny mpanora-dalana nagnotany an'i Jesosy hoe:"nagnino ny mpianatrao no tsy magnaraka ny fombafomban'ireo zokiola,rehefa omana ny mofony izy ireo miaraka amin'ny tagnana tsy voadio." 6 Nefa hozy Izy taminjareo:"Isaia mpaminagny naminagny tsara anareo mpiatsaravelatsy,zay voasoratra hoe:Ity firenena ity magnaja Anah amin'ny molony fa ny fony alavitra Anah." 7 Koa foagna ny fiankofana atolotr'izareo Anah, raha mampianatra ny didin'olom-belona izy " 8 Foagnanareo ny didin'Andriamanitra ka tagnanareo mafy ny fomban'gnola. 9 Ary hoy ndre Izy tamizareo."Manjary aminareo ny magnary ny didin'Andriamanitra hitandremanareo ny fombandrazagna. 10 Fa hozy Mosesy: magnaja ny sy dadanao, ary koa :Izay miteny ratsy ny dadany sy ny mamany dia vonaina tokao." 11 Kanefa ianareo miteny hoe:"Raha misy gaogna raika miteny ny dadany ny mamany hoe:"Izayafaka hanampiako anao dia efa korbana,"(izany hoe:"fanatitra ho an'Andriamanitra.") 12 Dia tsy alefanareo hanao n'inona n'inona amin'ny dadany sy mamany mihitsy izy. 13 Manafoagna ny tenin'Andriamanitra inareo noho ny fomban-drazagna izay notananareo. ary betraka mitovy anzany koa no ataonareo." 14 Ary nagnantso ny ola agnatona an'Azy ndre Izy ka niteny taminy hoe:"Tenoy ianareo daholo Za,ka fantaro. 15 Tsy ra avy akeo ivelany zay mitsofoka agnatin'gnola no mahaloto ananjy, 16 fa zay nivoaka avy ao agnatin'gnala no mohaloto ananjy."Izay magnan-tsofigna aoka izy hitaino 17 Rehefa niala takeo amin'gnola Jesosy dia nitsofoka tan-dragno,ny mpianatra dia nagnotany anajy ny momba ny fanoharana nataony. 18 Hozy jesosy taminy:"Anareo koa mba fohy fisaignana? tsy tazanareo ngah fa ze rehetra eo avelany nitsofoka agnatin'gnola dia tsy mahaloto anazy, 19 satsia tsy mitsofoka am-pony zany fa ankibony ihany ka mivoaka am-piringa."Izany no teneniny, Jesosy nahatonga ny hanina daholo ho madio. 20 Hozy ndre Izy:"Izay nivoaka avy amin'gnola no mahaloto ananjy. 21 Fa avy ao anatin'gnola dia avy ao am-pony no ivoahan'ny sain-dratsy,dia ny fahavetavetana,ny halatra,ny famonoan'gnola, 22 ny fijangajangana,ny fieremana,ny lolom-po,ny fitaka,ny fijejojejoana,ny fitsiriritana,ny fitenenan-dratsy,ny avonavona,ny hadalana 23 .Izany ra ratsy izany daholo zany no mivoaka avy ao agnatin'gnola ka mahaloto an'anjy." 24 Niala takeo Izy ka lasa nande tagny amin'ny faritry Tyro sy Sidona. Nitsofoka takao an-tragno raika Izy ary niezaka tsy ho hofantatra an'iza an'iza hoe takao Izy;Izy manko tsy afaka nisitrika. 25 Kanefa niaraka tamin'izany dia nisy vehivavy raika,manana zanaka vava kely nisy ambalavelona, naregny an'i Jesosy izy,ka nagnantaka ananjy,sy nandady tamin'ny tongony. 26 Le vehivavy manko grika,Syro-foinika no fiaviany.Niangavy taminy izy mba hamohany ny demonia misy amin-janagny vavy. 28 Ozy taminy:"Aoka ho voky aloha ny zaza satria tsy manjary raha maka ny mofon-jaza ka atsipy ho anin'alika." 28 Kanefa namaly an'Anjy 27 izy ka nagnao taminy hoe:"Eny tompoko,ny alika ambany latabatra anie ka mbola homana ny ambinà mofon-jaza ihany." 29 De ozy taminy:"Noho izany teninao izany afaka mande enao.Efa nivoaka tamin'ny zanakao vavy ny demonia." 30 30 Ary raha niverigna tagny an-dragnony ra vehivavy dia nahatazana ny zaza nandry tambony farafara,ary ny demonia efa nivoaka taminy. 31 ary Jesosy nivoaka ndre ny faritra Tyro,dia namaky an'ny Sidona hatrany amin'ny ranomasin'ny Galilia ka niakatra ny faritry Dekapolisy. 32 32 ary ndeson'ny takeo Aminy ny ola raika marenogna sady sahirana raha miteny,ary mitalao taminy zareo mba hamehany ny tagnany amin'anjy. 33 Ndeson'ny ralehilahy nitokana niala takeo amignola Izy,dia nanendry an'ny sofigny Izy tamin'ny ratsantanagny,ary raha avy nandrora Izy,dia nikitiagny ny lelany. 34 Dia nitazana ny Izy,dia nisento ka nagnao tamin'ny hoe:"Mandrenesa," 35 Ary nadikatra teo ny sofiny de naregny,ary ny fatoran'ny lelany voavaha dia afaka niteny mazava tsara izy. 36 Ary Jesosy nandrara sy nagnafatra an'azy mafy tsy hiteniteny na amin'iza na amin'iza. Kanefa na dia norarana mafy aza zareo,vao maika nampiparitaka anzany bebe kokoa. 37 Dia tena gaga ny ola ka niteny hoe:"nataony tsara daholo ra daholo.Nataony naregny ny marenona ary moagna niteny.