Marka 1 6

1 Fa Jesosy nandalo io toerana io ka namonjy ny Tanindrazagny, 2 ary ngnaraka ananjy ny mpianany. Ary rehefa tonga ny andro sabata dia nampianatra takao amin'ny Signagoga Izy. Betsaka ny ho tofoka ny ola naregny an'azy ka nilô-bava hoe: ''Avy aiza zao rah dahôly zao? Avy aiza ny fahendrena?'' ''Akory no avitany fahagagana toy izany avy tamin'ny tagnany?'' 3 '' Tsy zanak'ilay mpandrafitra va io, tsy zanak'i Maria? Tsy rahalahin'i Jakoba sy Joda ary Simona? Ireo anabaviny va tsy miaraka amintsika eto?'' fantatsika. Somary tohina tamin'i Jesosy zareo. 4 Fa hozy Jesosy, ''Ao amin'ny taniny sy ao amin'ny Ray aman-dReniny ary ny ankohonany ny mpaminagniny no tsy omena voninahitra.'' 5 Tsy afaka magnano asa mahagaga izy afa sy mametra-tagnana tamin'ny marary vitsivitsy mba ho hanasitragna an'Azy. 6 Fa gaga nony tsy finony zareo Izy. Ary Jesosy nitety tanàna betsaka magnodidina sady nampianatra 7 Ary nangnantso roambin'ny folo lahy Izy ka nagniraka an'Azy tsiroaroa agnam-pahefana amin'ny fanahy maloto, 8 ary nandidy an'Azy ireo Izy tsy hitondra na inona na inona, na mofo, na kitapo, na vola afa tsy ny Anjera ihany, 9 fa hitondra kapa nefa tsy mitondra akanjo roa. 10 Dia nagnafatra koa Izy hoe, ''Na tragnon'Iza na tragnon'Iza tsofoinareo dia mipetra akao mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. 11 Ary raha nisy ola tsy mandray anareo na tsy mitaino anareo dia mialà akao ka ahintsagno ny jofo amin'ny tongotrareo ho vavolombelon'izany.'' 12 Dia niainga zareo nitory tamin'ola mba hiodina hiala amin'ny fahotany. 13 Nandroaka demonia betsaka zareo nagnositra diloilo ny marary ka sitrana ireny. 14 Ary Heroda, rehefa naharegny ny lazan'ny anaran'i Jesosy, dia nanambara hoe: ''Jaona mpanao batisa nitsangana tamin'ny maty izany, ary noho izany dia ny tanjaky ny fahagagany dia niasa taminy koa.'' 15 Fa ny sasagny kosa nilaza hoe: ''Elia izany.'' Ny sasagny nandray niteny hoe: ' Mpaminagny izy, toy ny raika tamin'ireo mpaminagny efa teo aloha.'' 16 Fa Heroda dia niteny koa hoe: ''Jaona ilay nokapaiko loha izany nitsangana tamin'ny maty izany.'' 17 Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona ka nandefa an'Azy tagny an-tragnomaizina noho ny raharaha Herodiasy (vadin'i Filipo rahalahany) satria novadiny ravehivavy. 18 Fa i Jaona dia nandrara an'i Heroda hoe: ''Tsy araka ny lalàna no hanambadiananao ny vadin'ny rahalahinao.'' 19 Sosy tamin'izany Herodiasy ka nikaraka izay hamonoana an'i Joana, 20 noho ny fahatahorin'i Heroda an'i Jaona; niaro an'azy izy satria fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana i Jaona. Sahiran-kevitra noho ny fahenoana ananjy Izy. 21 Fa tamin'ny vanin'andro nitsingeregnan 'ny nahaterahan'i Heroda izay niheveriny fa fotoana manjary, dia magnano fanasana ho an'ny olom-be sy ireo manamboninahitra sy ireo olo-magnakaja takao Galilia ary ny mpanjaka. 22 Dia nitsofoko ny hefitragno fanasana ny zanaka vavin'ny Herodiasy sy ireo olo nasaina mba handihy. Ary faly indrindra ny Heroda ka niteny tamin'ny razazavavy, ''Angataho izay tegnao fa homeko anao izany.'' 23 Ary ninina izy tamin'izay Izy: ''Omeko anao izay angatahinao, eny, fa na dia antsasaky ny fanjakako aza.'' 24 Dia nivoaka ny efitrano razazavavy ka nagnontany ny hevitry ny mamany: ''Ino no tokony angatahako aminy?'' Ny mamany namaly hoe: ''Ny lohan'i Jaona mpanao batisa angatahina.'' 25 Takeo ny akeo dia niverigna tany amin'ny mpanjaka Izy nampahafantatra ny fangatahany hoe: ''Ny lohan'i Jaona mpanao batisa no ilaiko zao ho eo ambony vilia.'' 26 Dia nalahelo ny mpanjaka, teo anatrehan'ny ola nasainy, tsy afa-niala tamin'ny fianianany izay nataony izy. 27 Dia nandidy ny mpiambina raika ny mpanjaka nitondra ny lohan'i Jaona ho eny aminy. Ary ilay mpiambina nanapaka ny lohan'i Jaona tao an-tragnomaizigna. 28 Ndesiny teo ambony ny vilia izany ary natolotra izany tamin-drazazavavy, ary natolony ho an'ny mamany izany. 29 Fa ny mpianatr'i Jaona, raha nahafantatra izany dia naka ny fatiny ka naleviny tao am-pasagna. 30 Ireo Apôsitoly kosa, dia niaraka dahôly nanodidina takeo amin'i Jesosy, ka nitantara izay nataony sy izay nampanaovina anjareo. 31 Fa hozy Jesosy, ''Ndeha isika hiaraka agny agnefitra dia hiala reraka kely.'' Fa betsaka gnola mivezivezy, ary zreo dia tsy nagnam-potoana hinanan-kanina. 32 Dia nandeha an-tsambokely raika zareo mba ho any amin'ny tôrana mangingina. 33 Betsaka ireo ola natazagna anjareo ka nahafantatra an'Azy, ary nisy ny mitotototo niala ny tanànany, ary nandeha talohanjareo amin'izay andehanany. 34 Rehefa niala tan-drano Jesosy, dia natazagna ola betsaka ary onenan-dreo ola reo Jesosy ka natazagna anjareo ôtran'ny ondry tsy misy mpiambina. Ary dia nanomboka nampianatra rah maro anjareo Izy. 35 Ary rehefa nandeha iany ny ora, nagnantona an'Azy ny mpianany nagnontany hoe: ''Toerana foagna ity ary ny ora efa madiva ho efa hariva sahady. 36 Alefaso zareo mba handehanany agny aminireo tanàna magnodidina ividianany rah hoanina akao.'' 37 Dia namaly ny mpianany Jesosy ka nagnano hoe: ''Ameo hanina zareo.'' Fa ny mpianatra namaly an'azy hoe: ''Vola ôtran'ino no azahoana mividy ampy ividianana mofo an'ireo.'' 38 Dia nagnontany ananjareo Izy: ''Magnana mofo firy ianareo?'' Dia nikaraka zareo ka niteny hoe: ''mofo dimy sy Baraoa roa.'' 39 Dia nandidy ny ola dahôly hipetraka hitsitokotoko tambon'ny hatra Izy. 40 Ka nangnano antoko zareo; antokony zatozato na dimampolo dimampolo. 41 Ary naka ireo mofo dimy sy baraoa roa izy ka nataony tagnambo tany amin'ny lanitra ary nisaotra, notahiany izany ary nipilany ny mofo ka natolony ny mpianatra alohan'ny ola. Ary avekeo dia nozarainy ny baraoa roa ho agn'ola dahôly. 42 Dia ninana dahôly ka voky tsentsigna. 43 Ary nitondra ny ambin-kanina mbola tsy lany roambinifolo karapaka zareo 44 . Gaogna dimy arivo minana tamin'izany. 45 Avekeo dia nandidiny ny mpianatra Jesosy niakatra an-tsabokely hialo lalana Azy, ho any Betesda, fa Izy kosa nagnaparitaka ny vahoaka. 46 Rehefa izany dia niakatra an-tanety Izy mba hivavaka. 47 Ary rehefa ariva ny andro dia niantona takeo ampivôny ny ranomasina ny sambokely fa i jesosy kosa nijanogna tany an-tanety. 48 Ary tazan'i Jesosy fa sahirana mafy ireo mpianatra nive ny sabokely satria nanohi-drivotra zareo dia nidigna ambony ranomasina Izy ka nandeha nanakatra anjareo. Ary tamin'ny ora fahaefatra fiambenana fivavahana amin'ny alina izany. 49 Fa rehefa tazan'ny mpianatra nande tambonin'ny ranomasina Jesosy nieverinjareo fa angatra ka nikekeka zareo, 50 fa samy nagnatri-maso izany izy dahôly dia natahotra. Fa Jesosy nijanaona nampahery anjareo: ''Aza matahotra, Izaho ihany ity!'' 51 Ary rah niditra tagnaty sambokely Izy dia tony ny rivotra. Dia tofoka ry zareo. 52 Ary tsy takatry ny saignan-jareo ny fahagagana tamle mofo fa nanjary mafy ny fonjareo. 53 Ary tonga takao Genesareta ireo ka nagnantso tao. 54 Rehefa nidina ny sambokely zareo dia fantatry ny ola tokoa Jesosy. 55 Dia nandehandeha nagnerana ny tanàna zareo ka ndesina teo amin'izay nisy an'Azy ny marary.