Marka 1 5

1 Rehefa tafatsaka ny ranomasina zareo, takao amin'ny Jerosalema. 2 Vao niala ny Sambokely jesosy dia nisy gaogna raika azon'ny Fanahy maloto avy akeo amin'ny fasagna. 3 Tagny amin'ny fasana no tragnon'ity gaogna ity ka tsy misy ola mafehy ananjy, na amin'ny rojo vy aza. 4 Satria matetika na misy mame sy rojo vy aza ny tongony, dia vonona fogna ary tsy misy ola matanjaka mahafolaka an'azy. 5 Nentotra takeo tamin'ny fasana Izy na atoandro na alina sy mikiakiaka an-tampo-tanety, mandratra ny tegnany amin'ny vato. 6 Rehefa tazagna an'i Jesosy niteny Izy dia avy dia nandady tamin'ny tongony. 7 Ary nihiaka tamin'ny feo matanjaka Izy: ''Mifagnino nga tsikany? Miangavy amin'ny agnaran'Andriamanitra irery aho, fa aza mampijaly anah.'' 8 Ary Jesosy niteny tamin'ny: mivoaha amin'io gaogna io ry Fanahy maloto!'' 9 Ary Jesosy nagnontagny ananjy: '' Iza ny anaranao?'' ka novaliana hoe: '' Tafika ny anarako, ary Betsaka izahay.'' 10 Ary niangavy mafy foagna Izy tsy handroaka azy any ivelen'ny tanana 11 Ary nisy andiana Kisoa nirahotra tany an-tanety, 12 ary niangavy ny demonia hitsofoka amin'ireo Kisô ireo. 13 Dia naneky Jesosy ary nivoaka ny Fanahy maloto ka dia nitsofoka tgamin'ireo Kisô ireo izay avy dia nanjonjogna tagnaty ranomasina ary tokony ho roarivo eo ho eo nitsoraka tagnaty ranomasina. 14 Dia nilefa tay tandalana ny mpiambina ary niteny ny rah niseho tagny an-tanana sy tegny amin'ny manodidina. Ary ny ola betsaka nivoaka nitazagna ny ra niseho. 15 Nankeo amin'i Jesosy ireo ary tazagny takeo le demoniaka nitoetra tsara, mitafy, ary saigna ka dia nentotra ny ola. 16 Ireo nagnatrimaso natazagna ny rah niseho taminle gaogna teo ambonin'ny fahefafan'ny demonia dia nitantara taminjareo ny zavatra taminy ary koa mombanle Kisô. 17 Ary nanomboka niangavy a'i Jesosy ireo mba hiala amin'ny taniny. 18 Rehefa niakatra tao an-tsambokely Jesosy dia nangataka ny demoniaka mba hafany hiaraka amin'Azy. 19 Tsy naneky anefa Jesosy fa hozy: ''Mandehana mody any an-dragnonao sy ny havanao ary tantarao amin'iy ireo ny nataon'ny Tompo sy niantrany anao!'' 20 Dia lasa nody Izy ary nanomboka nanambara ny zavatra geda nataon'i Jesosy tamin'ny tany Dekapolisy dia ary tofoka dahôly 21 rehefa nitsoaka Jesosy ny ola nandigny an'Azy. Teo amoron-dranomasina. 22 Ary tonga ny filohan'ny Sygnagoga atao hoe Jairo ka ra vao natazagna an'Azy dia niantoraka tamin'ny tongony. 23 Ary nanao taminy hoe: ''marary mafy fa ho faty ny zanako vavy ka ave mba hametrao tàgnana Izy mba ho vela.'' 24 Dia lasa niaraka tamin'i Jesosy ola betsaka lôtra nagnaraka sy nanery. 25 Nisy anefa vevavy voan'ny fahaverezan-drà nandritra ny roambin'ny folo tana. 26 Nijaly be Izy ary nitety mpitsbo betsaka sy nandany fagnanana daholo nefa tsisy fagnasitranana, vao maika narary Azy. 27 Regniny ny amin'i Jesosy dia nangoraka ny ola ary nikitika ny akanjony. 28 Satria hozy: ''raha mikitika ny akanjony za de sitrana. 29 Ary niaraka tamin'izay dia nijanona ny fahaverezan-drà ary tsapagny hatragny agnatiny ny fahasitragnany. 30 Fantar'i Jesosy niaraka amin'izay fa nisy hery niala tamin'Azy de nitodika tamin'ola Izy ary nagnontany Izy : '' Iza no nikitika ny ankanjoko?'' 31 Dia namaly Azy ny mpianatra: ''Tazagno ireo ola betsaka ireo ka nangino no tenenanao hoe: '' Iza no nikitika Anao?.'' 32 Ary nijery ny magnodidina an'Azy Izy mba tazagnany izay ngnao izany. 33 Natatra sy nangitaka le vevavy raha nahafantatra izay niseho taminy Izy di nentoraka tamin'ny tongotr'i Jesosy ary nilaza ny marina dahôly. 34 Dia hozy Jesosy taminy: '' Razazavavy, ny finoanao no nanasitragna Anao. Mandehana amin'ny fiadanana ary sitràna amin'ny aretina 36 fa Jesosy tsy nandray izany teny izany fa hozy tamin'ny lehben'ny Signagoga: ''aza matahotra mino fotsiny ihan.'' 37 Ary tsy navelany niaraka aminy afa tsy Jakoba sy Petera ary Jaona rahalahany. 38 Ary raha tonga tao an-tranon'ilay lehiben'ny Signagoga Jesosy dia natazagna ola betsaka izay nitomany sy nidradradradra mafy. 39 Nitsofoka Jesosy de nagnontany: ''Mangino nitababata sy mitomany nareo? Tsy maty ny zaza fa mandry.'' 40 Nagneso ananjy zareo, nefa nasain'i Jesosy nivoaka ny ola. Analaigny niaraka tamin'ny dadany sy nyh maman'ilay zaza sy ireo mpianany niaraka taminy dia nitsofoka tao agnefitra nisy ilay zaza zareo. 41 Noraisiny tamin'ny tàgnany an-kavavanana ilay zaza dia hozy: '' Talita Komi'', izay midika hoe: Razazavavy mitsangàna. 42 Dia nitsangana naraka tamin'izay Razazavavy ary dia tofoka ny ola dahôly. 43 Nafaran'i Jesosy mafy ny ola mba tsy hisy hampafantatra ny rah niseho. Ary nasainy nomen-kanina Razazavavy.