Marka 1 4

1 Ary nanomboka nampiantra ndre Jesosy takeo amoron'ny ranomasina, ary gnola betsaka nagnantona ananjy ary nitsofoka takao an-tsambokely Izy. Ary nentotra fa ireo ola betsaka ireo nijanona teo amoron'ny ranomasina. 2 Ary nampianatra anjareo tamin'ny alàlan'ny ohabolana Izy , dia hozy tamin-jareo tamin'ny fampianarany, 3 Tenôy, nisy mpamafy handeha hamafy. 4 Ary raha namafy Izy dia nisy ireo voa niraraka tamin'ny lalana, potraka ka avy ny vorona homana an'izany. 5 Ny voa sasagny potraka tamin'ny tôrana feno vatovato, izay tsy nisy tany firy. Tonga dia naniry vetiketika izy ireny satria tsy laligna ny tany nisy ananjy. 6 Ary raha tonga ny masoandro dia nalazo izy ireo satria tsy nisy fotony ary lasa maigna. 7 Ny voa sasagny potraka tamin'ny tsilo, ary rehefa naniry niahy geda ireo tsilo dia voafehin'ireo tsilo ka tsy namoa ireo. 8 Ny voa sasagny potraka tamin'ny tany masaka ka namokatra voa takeo nitombo betsaka ary namoa tampedohana,ny sasagny nitombo telopolo avoheny, ny sasagny enipolo, ny sasagny zato,'' 9 Ary hozy hoe: ''Izay manan-tsofigna ndesina mieno, aoka izy tenôy.'' 10 Rah irery Jesosy, ireo izay ankeky anajy sy ireo mpianany roambinifolo nagnontany anjy momba ny ohabolagna io. 11 Hozy taminjareo, ''Ho anareo mihitsy no hanomezagna ny zavamiafin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ho anjareo hafa agny ivelany dia ohabolana dahôly. 12 Ka amin'ny fotoagna tazagnan'izy ireo, eny tegna hitazagna nefa tsy matazagna, ary amin'ny fotoagna andregnesan-jareo, eny haregny, nefa tsy hahafantra izany, na hiodina zareo dia Andriamanitra hamindra fo aminy.'' 13 Ary hozy taminy, ''Tsy hainareo ma izany ohabolana izany? Manakôry no fazahoanareo ny ohabolana sasagny dahôly? 14 Ny mpamafy mamafy ny teny. 15 Ny sasagny potraka tany an-dalàna, ary ny rehefa voafafy ny teny. Ary rehefa regnin-jareo, dia tonga tampoka ny Devoly ary nangalatra ny teny voafafy tamin-jareo. 16 Ny sasagny voafafy tamin'ny tany feno vatovato, ary izay nandre ny teny dia nandray izany mailaka tam-pifaliana. 17 Ary tsisy fotony ireo, ka fotoana kely foagna. Raha tonga ny fitsapana sy ny olana nohon'ilay teny, dia lavo tampoka zareo. 18 Ny sasagny voatoraka tamin'ny tany feno tsilo. Regniny ny teny 19 fa ny fitiavana izao tontolo izao, ny fitiavan-karena, ary ny filahana ny rah samihafa, nitsofoka ka voageja ilay teny, ka tsy mamoa. 20 Fa nisy kosa ny sasagny natoraka tamin'ny tany tsara. Nandre ny teny zareo ary naka izany ary namoavoa, ny sasagny telopolo, ny sasagny enopolo, ny sasagny zato. 21 Jesosy niteny tamin-jareo hoe: ''Mitondra jiro ao an-dragno ve nareo dia atao ampidin'gny latabatra, ampidin'gny fandriana? Ndesinao mitsofoka izany dia tao agnambo ny fitoeran-jiro. 22 Fa tsy misy rah misitrika zay tsy ho fantatra, ary tsy misy rah kobognona tsy hivoaka. 23 Rah misy magnantsofigna ndeso mitaino aoka Izy itaino!'' 24 Hozy taminjareo: ''Aoka tandremanareo zao regninareo zao, arakaraky ny ohatra nataonareo noho anoharana anareo. 25 Satria amin'izay magnana, no mahazo betsaka, ary izay tsy magnana dia ny kely hagnanany aza alana aminanjy.'' 26 Ary hozy, ''Ny fanjakan'Andriamanitra dia ôtran'ny ola raika mamafy voa amin'ny tany. 27 Mandry izy amign'ialina ary mifoha ampalakeka, voany mitrebogna sy mamokatra, eny fa na dia tsy fantany aza no mahatonga izany. 28 Ny tany dia mahavokatra ho azy, voalohany misy tangony, dia teraka ary avy akeo feno voany. 29 Ary rehefa matoy ny voany dia didena, fa efa tonga ny fararano.'' 30 Ary hozy: ''Nagnino hanoharantsika ny fanjakan'Andriamanitra, ino ohabolagna tao hagnazavantsika ananjy? 31 Zany dia sahalan'ny voatsinampy izy, ka rah hafafy dia izy no voan'ny kitika indrindra ambonin'ny tany. 32 Nefa rehefa voafafy izy de mitsiry ary lasa geda noho ny kakazo dahôly sy mamô rantsagna geda, dia azo ny vorogna agnanovana akana akeo amin'ny alogny.'' 33 Ary fanoharana betsaka toy izany no niteneniny taminjareo, araka izay fahazony azy, 34 ary tsy niteny taminjareo Izy raha tsy tamin'ny alalàn'ny ohabolagna rehefa Izy rereka dia nitaraviny tamin'ny mpianany izany 35 Indray andro rehefa tonga ny alina, hoizy aminjareo, ''Andao isika handeha hitsakà''. 36 Ka niala teo amign'ola betsaka zareo, niaraka tamin'i Jesosy, ary rehefa takao agnaty Sambokely Izy. Ngnaraka Azy koa ny Sambokely hafa. 37 Ary nisy rambondanitra mafy ary nagnonja mafy ny rano, ary nandifitra ny Sambokely, feno rano ny Sambokely. 38 Ary Jesosy nandry tagnaty Sambokely, tambon'ny ondana. Nifohazin-jareo Izy tamin'ny hoe, ''Mpampianatra ô, tsy mampagnino anao no hafaty anay?'' 39 Ary nifôha Izy dia niteny mafy tamin'ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina, ''Mangina''. Ary nijanona ny rivotra ka tony tsara ny andro. 40 Ary hozy taminjareo, '' Nagninona no matahotra? Tsy manam-pinoana va ianareo?'' 41 Izy ireo dia feno tahotra ka niresaka nagnano hoe: ''Iza moa ity fa ny rivotra sy ny ranomasina aza maneky ananjy?.