Marka 1 3

1 Dia nitsofoka takao amin'ny Sygnagoga ndre Jesosy ary nisy gaogna narary tagnana takao. 2 Notazagny ankeky izay ataon'i Jesosy ireo ola dahôly, na agnasitrana ananjy Izy amin'ny andro sabata,mba hafahany magnameloka Anazy. 3 Hoy Jesosy tamin'ilay gaogna maty tàgnana:"Mandehana ary mintsangana akeo ampovoan-tragno akeo." 4 Dia niteny tamin'ola Izy:" araka ny lalana va ny magnano soa amin'ny andro sabata na koa magnano ratsy;ny mamojy aigna,sa ny mamono?"nefa zareo tsy nivolagna. 5 Sosy tamin'jareo Jesosy sady nalahelo nohon'ny amafisan'ny fon-jareo, dia niteny tamin'ilay gaogna Izy hoe: hatsory ny tagnanao." nanatsotran'ilay gaogna ny tàgnana ka naverign'i Jesosy tamin'ny laoniny. 6 Raha natazana anzany ny Fariseo dia nivoaka nadikatra niaraka tamin'ny Herodiana hidinika ze fomba hamonoana ananjy. 7 Dia niala takeo Jesosy sy ny mpianany,nakeny an-dranosina, ary ola betsaka ny nagnaraka ananjy atragny Galelia sy avy any Jodia 8 ka atrakainy Jerosalema sy Edoma ary antrakaigny amin'ny onin'i Joridana sy ny manodidina ny Tyra sy Sidona, ola betsaka,naregny ny zavatra nataony ka nagnantona Azy. 9 Dia nampitady sambo kely ny mpianany Jesosy ho Azy noho habetsahan'gnola takeo,mba tsy hifanosehan'ola Izy. 10 Nanasitrana ola betsaka Izy ,ary izay ola nanana aretina betsaka dia tonga takeo amin'Azy hifarombaka teo aminy hikasika Azy. 11 Rehefa natazana an'Azy ny fanahy maloto dia nendoalika ary nikikiaka hoe:"Anao ny Zanak'Andriamanitra." 12 nafaragny mafy ireo mba tsy hampafantatra Azy. 13 Nankagny an-tanety Izy ary nagnantso ze tiany hiaraka amin'Azy dia nankeo aminy zareo. 14 Nifidy roa ambin'ny folo lahy Izy,dia nantsoy hoe Apostoly ireo mba hiaraka Aminy,sy nalefany hitory, 15 miaraka amin'ny fahefana handroaka ny asan'ny devoly. 16 Ireto dahôly zareo roa ambin'ny folo lahy ze nofidiny :Simona,izay antsovona hoe Petera, 17 Takao koa i Jakoba zanak'i Zebedio,sy Jaona ralahiny izay nameny agnarana Boanarijesy, izay mitovy hoe,zana-Baratra, 18 Andrea,Filipo,Baritolomeo,Matio,Tomasy,Jakoba zanak'i Alfeo sy Tadeo,Simona Zelôta, 19 ary ny farany Jodasy Iskariota izay nandafo an'i Jesosy. 20 Ary rehefa tonga tagny andragno zareo dia tonga ndre-gnola nanatona ananjy zany dia tsy afaka nihinan-kanina mintsy zareo. 21 Rehefa naregny ny raha niseho ny fianakavian'i Jesosy dia tonga koa reo hakan'Azy satria niteneniny hoe:Nivaha ny sainany". 22 Ary ny mpanora-dalana koa nidina avy agny Jerosalema dia nilaza hoe:"misy devoly Izy dia i Belzeboba ," ka,"io mpanjakan'ny demonia io no androasany ny demonia." 23 Jesosy dia nagnantso anjareo ka niteny taminy alalan'ny fanoharana hoe:"Manakôry ny afahan'ny satana handroaka ny satana ? 24 "Raha misy fanjakana miady an-dragno dia potika izy. 25 Ary raha misy tokan-tragno miady an-tragno, dia tsy aharitra izany tokan-trano izany. 26 Raha mifamono amin'ny tegnany i satana dia tsy havita ninoninona mihintsy izy dia izay no vita ny aminy. 27 Tsy misy afaka hitsofoka akao amin'ny tragnon'ola matanjaka mba andravana ananjy sy ny fanagnany,raha tsy fehezina aloha le matanjaka,ary afaka horobaina ny tragnony avekeo. 28 Teneniko aminareo marina,voavela dahôly ny heloky ny zanak'olom-belona na dia teny ratsy avokan'ny vavany , 29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa ,dia tsy ho voavela heloka mandrakizay, fa mendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay. 30 Niteny anzany i Jesosy nony filazanjareo,"fa managna fanahy maloto Izy." 31 Tonga takao an-kotany takao maman'i Jesosy sy ny rahalahiny raha nagnantso ananjy. 32 Nentotra nanodidigna an'i Jesosy ny ola ary nisy niteny tamin'Azy hoe:"nikaraka Anao ao an-kotany akao ny mamanao sy ny rahalanao mikaraka Anao zareo" 33 Ary Izy niteny hoe:"Iza no mamako ary iza no rahalahako?" 34 ary Izy nitazana ny ola nentotra manodidina an'Azy ary hoy Izy:"Ireto ny mamako sy ny rahalahako." 35 Fa n'iza n'iza magnano ny sitrapon'Andriamitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary mamako."