Marka 1 2

1 Tonga tao Kapernaomy ndre Jesosy ,afaka andro vitsiitsy, regn'ola fa tandragno Izy. 2 Betsaka ny ola nivangongo takeo tamin'izany dia tsisy tôrana malalaka tandragno, na dia tambaravarana aza, dia niteny ny tenin' Andriamanitra tamin-jareo Izy 3 Dia nisy gaogna maro nagnantona ananjy nitondra ola kombo raika; lanjaina gaongna efatra 4 ; Dia tsy afaka nagnantogna an'i Jesosy ankeky zareo nohon'ny habetsan'ny ola, ka niakatra tan-tafi-tragno, ka nikoany ny tafo sy nifoany ka nampidigny anle kombo tam-parafara takeo amin'i Jesosy. 5 Ra nahita ny finon-jareo,jesosy dia niteny tamin'lay gaogna kombo hoe:"anaka voavela ny helokao" 6 . Ary ny mpanora-dalàna sy ny fariseo takeo dia nimenomenona tam-pony hoe:" 7 Manakôry io gaogna io no afaka miteny anzany?Miteny ratsy an'Andriamanitra Izy! fa tsy Andriamanitra irery ihany va magnano angnany?" 8 Fa Jesosy nahafantatra tamin'ny Fagnany avy hatragny amin'ny eritreritry sasagny tamin'njareo momba ny tegnan'anjareo. Ary Izy niteny tamin-jareo: "Fa magnino anareo o mieritreritra anzany ao am-ponareo?. 9 "Iza no mety kokoa? ny miteny amin'ilay gaogna kombo hoe: "voavela ny helokao sa ndeso ny farafaranao de mande mody"? 10 Izany no teneniko mba hafataragn'ola fa magnana fahefana hamela heloka ety ambon'ny tany Zanak'Ola." ka niteny tamin'ilay kombo Izy ka nanao hoe: 11 "teneniko aminao ,ndeso ny farafaranao mande mody ". 12 Dia nitsangana le kombo ka nibata ny farafarany,ary nivoaka anlay tragno nanoloana ny vahoaka izy,gaga ny ola ka nanome voninahitra an'Andriamanitra ary niteny hoe:"Tsy mbola nahita raha ôhatranzany zahay". 13 Ary avy akeo Jesosy dia nakagny amoron-dranomasina , dia nanantogna an'Azy gn'ola,ka nampianatra an-jareo Izy . 14 Ary rehefa nandalo Izy,dia nahatagna an'i Levi zanak'i Alfeo teny amin'ny toerana fanangonana hetra dia ka niteny taminy hoe:"andao agnaraka Ana"dia nitsangana Levi ka nagnaraka an'Ananjy. 15 Rehefa togna tandragnon' i Levi Jesosy ka nameny hanina, ka niarak'omana tamin'ireo mpamory hetra sy ny malanga Izy niaraka tamin'ny mpianany. 16 Ary rehefa nahatagha zareo ny Fariseo, sy ny mpanora-dalàna,fa niara-komana tamin'ireo mpamory hetra sy ny ola malanga Izy,dia nagnontanenjareo ny mpianany:" nagnino Izy no miara-komana amin'ireo malanga sy ny mpamory hetra?" 17 Ary noho naregny anzany Jesosy dia niteny hoe:"tsy ny salama no mila fitsaboana; fa ny tararena ihany no mila izany ,tsy tonga za agnantso ny olo-marina, fa ny mpanota". 18 Ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo dia mpifady hanina.Ary nagnatogna an'i Jesosy zareo Fariseo ka nagnontany hoe:"Ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo dia mifady hanina,fa ny mpianatrao tsy mifady". 19 Dia namaly anjareo Jesosy hoe:"fa ngah manjary tsy minan-kanina ny mpanatrika ny mpanambady raha mbola ankeo mpampakatra dia tsy maintsy mihinana zareo." 20 Ho avy ny andro izay hialan'ny mpampakatra ,dia amin'izay vao manjary ,tsy mihin-kanina zareo. 21 Fa tsisy lamba tragnainy atampona lamba vao, raha izany ,dia miala maina ny takotra,ary ny vaovao hiala amin'ny tragnaina vaomaika miarovitra, 23 Ndray andro sabata Jesosy nandeha tan-tsabo nisy varimbazaha , dia nanomboka nisangotra voam-bary tamin'ny varimbazaha ,ny mpianany. 24 Dia hoy ny Fariseo:"tazagnonareo ry zareo,fa magnano zavatra tsy araka ny lalànan'ny andron'ny sabata" 25 Ary namaly an'azy Jesosy :"Tsy tadidinareo ngah ny nataon'i Davida rehefa refogna izy sy ireo niaraka tamin'anjy? 26 Akôry izy nitsofoka tan-an-tragnon' Andriamanitra tamin'ny andron'i Abitara mpisorogna, ka homana mofo izay natokana ho any mpisorogna ihany,dia nameny ze nagnaraka ananjy?" 27 Ary hoy koa Izy:Tsy ny ola no atao ho an'ny sabata fa ny sabata no natao ho an'ny ola. 28 Izany koa no teneniny fa ny Zanak'olona dia Andriamanitra, Izy no tompon'ny sabata".