Marka 1 15

1 Mbola va ampalakeka dia nitangorona ny mpisorona be ny mpanora-dalàna sy ny loholona ary ny Sadiseo ka nifatorany Jesosy ary nentiny nivoaka ho any amin'ny Pilato. 2 Nanontany ananjy Pilato: ''Ianao va no mpanjakan'ny Jiosy?''. ''Voalazanao hozy Jesosy.'' 3 Ireo lohan'ny mpisorona dia nagnana antony maromaro ndesiny hanamelohana Azy. 4 Nagnontany an'Azy indray Pilato: fa nagnino Ianao tsy mamaly? tsy tazanao anagaha ireo raha ampiangana anao?'' 5 Ary tsy namaly intsony Jesosy ary tofoka tamin'izany Pilato. 6 Isaky ny fety dia mamoaka gadra iraika izy, Izay hangatahan'ny ola. 7 Nisy gadra raika nantsoina hoe Barabasy niaraka tamin'ny namany, izay namono ola tandrify ny fikomiana? 8 Dia niakatra ny ola betsaka nangataka tamin'ny Pilato araka ny fatao hatramin'izay ny nifagnaranjareo. 9 Hozy Pilato: ''Tinareo va ny Mpajakan'i Jiosy halefako ho anareo.'' 10 Satria fantany fa fialonana no hiapangan'ny loholon'ny mpisorana an' Azy. 11 Nagnentana ny vahoaka ny mpisorona mba ho Barabasy no avôkan'i Pilato. 12 Dia nandray fitenenana i Pilato ary nagnontany hoe: ''Ino no tianareo hatao amin'ny Mpanjakan'i Jiosy?'' 13 Dia nihikika izy dahôly nagnano hoe: ''Homboy amin'ny hazofijaliana Izy.'' 14 Dia hozy Pilato: ''Ino no ratsy nataony?'' Fa nihika mafy ndray zareo dahôly: ''Homboy Izy.'' 15 Dia navoakan'ny Pilato Barabasy satria te hampifaly ny ola izy, nasainy novelezana Jesosy ary nameny hombohana amin'ny hazo fijaliana. 16 Ndesiny miaramila teo an-tokon-tanin'ny Rova Jesosy ary nantsoinjareo dahôly ny miaramila namanjareo. 17 Notafiana sembo volomparasy Izy dia narandrany fehiloha tsilo ka napetrany tamin'ny lohany. 18 Dia niarahaba Azy ireo: ''Arabaina ry Mpanjakan'ny Jiosy!'' 19 Ary novelezin'ny tamin'ny volotara ny lohany sady nadriôka izy dia niandohalika sy niankohoka teo anatrehan'ny Clycio. 20 Rehefa avy nagneso toizany reo dia nalany ndray ny lambany volomparasy ary nampitafiana Azy ndray ny fitafiany ary nentinjareo Izy mba hanombona an'Azy amin'ny hazo fijaliana. 21 Noteneninjareo Simona Kyreniana dadan'i Aleksandra sy Rofotsy avy agny an-tsabo mba hilanja ny hazofijalian'i Jesosy. 22 Ary ndesiny tany amin'ny tôrana atao hoe Gologota Jesosy izay midika hoe Ikarandoha. 23 Nameny divay nifangaro ny miora ho sotroiny fa tsy nety nigoka anzany Izy. 24 Dia nihombony tamin'ny hazofijaliana Izy ary nifampizarany ny fitafiany tamin'ny hankitsapaka nozarany izay hanjaran'ny iraika raika. 25 Tamin'ny ora faha telo Izy no nihombohana. 26 Ny soratra masina izay milaza ny fanamelohana Azy dia ahita ireto teny ireto: ''Ny Mpanjakan'i Jiosy.'' 27 Dahalo roa no niaraka nihombona taminy raika teo an-kavanany ary ny iraika teo amin'ny an-kaviany. 28 Dia tanteraka ny tenin'my soratra masina nagnano hoe: ''Natao isan'ny mpanota Izy.'' 29 Izay nandalo dia niteny ratsy an'Azy ary nagnifin-doha ka nagnao hoe: ''Inao ilay afaka mandrava ny tempoly ary afaka mamorina izany anatin'ny telo andro. 30 Vonjeo ny tenanao dia midina amin'ny hazo fijaliana.'' 31 Ny lohan'ny mpisorona koa niaraka tamin'ny mpanora-dalàna dia nagnesoheso hoe: ''Namonjy ny hafa Izy kanefa tsy mahavonjy ny tegnany!'' 32 Aoka ilay Kristy Mpanjakan'ny Israely hidina amin'io hazo fijaliana mba hinoanay izay tazagnay!'' Ireo nohombona niaraka taminy koa dia mba nagneso an'Azy toy izany. 33 Tamin'ny ora faha enina dia niahamaizina ny tany manontolo ary hatramin'ny fahasivy izany. 34 Ary tamin'izany ora fahasivy dia niantso tamin'ny feo matanjaka Jesosy: ''Eloy, Eloy, lamà sabaktany!'', Izay midika hoe: Andriamanitra ô! Andriamanitra ô! nahoana no dia nilazanao Aho? 35 Ny sasagny izay teo ka naregny izay nolazainy dia niteny hoe: tazagno fa magnantso an'i Elia Izy.'' 36 Dia nitotototo ny iraika taminjareo dia novontosany vinaigitra ny sipaonjy ary naraikitra tamin'ny volotara dia nameny ho sotroina sady nilaza hoe: ''Avelao raha hamonjy ka ampidina Azy akeo i Elia.'' 37 Fa Jesosy nihiaka mafy dia tapitra ny ainy. 38 Rovitra nizara roa hatrany ambony hatrany ambany ny lamba tao amin'ny tempoly. 39 Ilay kapiteny teo nagnoloana izany izay natazagna nialahan'ny ny ainy dia niteny hoe: ''Tena zanak'Andriamanitra marina tokoa io lehilahy io.'' 40 Dia nisy vehivavy koa nitazana tagny lavitra tagny. Anisan'izay Maria Magdalena, Maria maman'i Jakoba kely sy Josesy ary Salome. 41 Izay nagnaraka sy nanompo an'Azy takaigny Galilia ary vehivavy betsaka hafa koa niaraka taminy tagny Jerosalema. 42 Koa rehefa tonga ny hariva satria fotôna fihomanana amin'ny sanbata io, 43 dia tonga Josefa avy any Arimatia, mpanolotsaina, manan-kaja sady izy koa dia miandry ny fanjakan'Andriamanitra. Nanam-pasahiana izy nakainy amin'i Pilato ary nangataka ny fatin'i Jesosy. 44 Tofoka i Pilato satria vetiketika lôtra dia efa maty Izy, dia natsovina ilay kapiteny ka nanontany azy izy raha efa ela no nahafatesany. 45 Rehefa nahazo antoka tamin'ny Kapiteny izy dia nomeny taratasy Josefa akany ny fatin'i Jesosy. 46 Ary Josefa efa nividy lambamena, dia nampidigna an'i Jesosy tamin'ny hazo filajaliana, dia namono sembo harira madinika Azy ary nametraka Azy tao amin'ny fasana izay nolavana takao amin'ny vatolampy. Dia nanakodia ny vato takeo amin'ny fasana izy. 47 Dia nitazagna ny tôrana izay nametrahana Azy i Maria Magdalena sy i Maria maman'i Josesy.