Marka 1 14

2 Roa andro mialohan'ny Paska sy ny fihinanana ny mofo tsy isy masirasira, dia nikaroka ny fomba hisamboragna an'i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona amonoana Azy. 1 Dia hozy ireo: ''Aleo tsy amin'ny andro fety mba tsy hampisomaritaka ny ola.'' 3 Ary tany Betania Jesosy nihinan-kanina tao an-dranon'ny Simona boka, dia nagnantona an'Azy ny vehivavy raika izay nitondra tavoara mangotra lafo vidy be. Novakiny ila tavoara nisy menaka mangotra dia natondrany tamin'ny lohan'i Jesosy. 4 Nahasosy ny ola betsaka anefa izany. Nifampireseka ry zareo ka nagnano hoe: ''Ino no antony izao fandaniam-poana izao?'' 5 Menaka mangotra afaka amidy mihoatra ny denaria telonjato iny ka homena ny mahantra. NDia shosy mafy tamin'ilay vehivavy ry zareo. 6 Nefa hozy Jesosy taminjareo: ''Avelao izy. Magnino ianareo magnano izay mampalahelo an'azy? Zavatra tsara no nataony tamiko. 7 Ny mahantra eto aminareo mandrakariva, afaka manao asa soa aminy nfoana ianareo fa izaho kosa tsy mba hijpetraka eto aminareo mandrakariva. 8 Nagnano izay azony natao Izy: Nagnositra ny vatako izy agnamboarana anah amin'ny fandevenana. 9 Lazaiko aminareo marina fa na iza na iza eto an-tany nitory ny filazantsara, dia ambara no nataon'ity vehivavy ity mba ho fahatsiarovana an'azy.'' 10 Ary Jodasy Iskariota, iray amin'izy roa ambin'ny folo lahy, dia lasa nakaigny amin'ny lohan'ny mpisorona afahany hamadika anm'i Jesosy. 11 Rehefa nandre izany ireo lohan'ny mpisorona dia faly ka nampanantena hanome vola an'azy dia nagnomboka nikaraka ny fomba mety hamadiana an'azy izy. 14 12 min'ny andro voalohany fihianana ny mofo tsy misy masirasira, rehefa namono ny ondry ny amin'ny Paska zareo dia, hozy ny mpianany tamin'i Jesosy: ''Aiza no tegnao halehanay hikarakarana anina mb hoaninao amin'ny Paska?'' 13 Dia nandefa ny mpianatra roa Izy ka niteny tamin'ireo hoe mandehan any an-tanàna, ka misy gaogna mitondra siny feno rano mifanena aminareo dia manaraha an'azy. 14 Na aiza ny trano hitsofoiny dia manaraha azy dia lazao ny tompo-trano hoe: Hozy ny mpampianatra: ''Aiza ny efitrano azoko miara-komana ny Paska amin'ireo mpianatra?'' 15 Atorony anareo ny efitrano geda ambony rehana efa vonona tsara izany. Ao isika hagnano fanomanana dahôly. 16 Dia lasa ny mpianatra namonjny ny tanàna. Tazanjareo dahôly nafarany taminy, dia nanomana ny hanina ny Paska zareo. 17 Rehefa ariva ny andro, tonga niaraka tamin'ireo roambiny folo lahy Izy. 18 Rehefa niaraka nihinana izy ireo dia hozy Jesosy: ''Lazaiko aminareo ny marina fa ny raika aminareo izay miaraka mihinana amiko aketo no hamadika ahy.'' 19 Nalahelo ry zalahy dahôly ka niteny ny tsirairay hoe: '' tsy zaho izany.'' 20 Jesosy namaly ka niteny anjareo: ''Ny raika aminareo roambiny folo, izay miara-madroboka mofo amiko agnaty lovia.'' 21 Ny lalàn'ny zanak'Ola dia mande amin.'izay efa voalazan'ny soratra masina ho azy. Fa loza kosa ho an'izay mamiktaka an'ny zanak'ola fa tsara ho azy raha tsy teraka.'' 22 Raha mbola tampihinana ry zareo, nalain'i Jesosy ny mofo, nataony ny fisaorana dia nipolany ny mofo natolony Azy izany dia hozy: ''Raiso, ity ny tenako.'' 23 Dia nandry ny kapoaka Izy, nataony ny fisaorana dia natolony anjareo ka nisotro tamin'izany izy dahôly. 24 Dia hozy taminjareo: ''Ity no rako amin'ny fanekem-pihavavana, izay halatsako ho an'ny marobe.'' 25 Tegneniko marina aminareo, tsy mba hisotro voaloboka intsony aho raha any amin'ny fanjakan'Andriamanitra indray. 26 Rehefa avy nihira fiderana ry zareo, dia nandeha taigny an-tanetin'ny Oliva. 27 Dia hozy Jesosy taminjareo: ''Hiembotra dahôly ianareo rehetra noho ny amiko, fa voasoratra hoe; amely ny mpiandry aho dia hiparitaka ny Ondry.'' 28 Rehefa mitsangana amin'ny maty izaho dia hialoha lalana anareo any Galilia. 29 Hozy Petera taminy: ''Na dia hiembotra dahôly aza ny rehetra, izaho tsy mba hiembotra.'' 30 Ary hozy Jesosy taminy laizaiko aminareo marigna fa niagny amin'ny alina, tsy maneno in-droa avy ny akoho dia efa mandà ahy in-telo ianao. 31 Fa hozy ,Petera: ''Tsy maintsy hiara maty aminao izaho, tsy mba handà Anao zany mihitsy izaho.'' Dia samy nanamby an'izany dahôly ry zareo. 32 Ary tonga tamin'ny toerana atao hoe Getsemane ry zareo, dia hozy Jesosy tamin'ny mpianany: ''Mipetra aketo ianareo mandra-pivavahako.'' 33 Dia nitondra an'i Petera sy Jakoba, sy Jaona Izy, ary nagnomboka nalahelo sahady hory indrindra. 34 Dia hozy taminjareo: ''Fadiranovana loatra ny fanahiko efa ho faty. Mitoera aketo ianareo ka miambena.'' 35 Noho ny nagnalavitra kelikely Jehsosy dia niankohoka tamin'ny tany Izy dia nivavaka mba ho hialan'izany ora izany Aminy raha azo hatao. 36 Dia hozy: ''Aba, Ray ô, ny raha dahôly hainao atao; esosry amiko ity kapôka ity, nefa aoka tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny Anao.'' 37 Noho niverigna Izy dia natazagna anjareo natory dia hozy tamin'i Petera: ''Simona, mandry va ianao? Tsy mahavita miari-tory na dia ora iraika akory va ianao? 38 Miareta-tory dia mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fankam-panahy. Ny Fanahy manjary mazoto tokoa, ny nofony no tsy manankery.'' 39 Dia lasa indray Izy niala kely mba hivavaka ary namerina ny teny nataony teo aloha ihany. 40 Nony niverina indray Izy dia nahita ireo nandry, navesatry ny toromaso ny masony, ary tsy hitan'izy ireo izay nolazaina an'i Jesosy. 41 Nagnantona an'Azy fanontelony Izy ka niteny hoe: ''Mbola mandry sy maka Aina foana va ianareo? Aoka izay, efa tonga ny fotoana. Tazagno! Ny zanak'ola nofitahana hatolotra eo an-tanan'ny mpanota. 42 Mitsangàna anadao handeha isika, fa efa akaiky ny mpamadika ahy. 43 Raha mbola teo ampitenenana Izy dia tonga Jadasy raika amin'izy roambin'ny folo lahy, niaraka tamin'ny ola betsvaka izay milanja sabatra sy langilangy, nirahan'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-ndalàna ary ny loholona. 44 Ary ilay mpamadika efa nanome azy famantarana hoe: ''Izay horohako no Izy, sambory Izy dia ndeso ka aza avotsitra.'' 45 Rehefa tonga Jodasy dia nagnantona malaky an'i Jesosy izy sady niteny hoe: ''Rady ô! sady nanoraka an'Azy. 46 Dia nagnantony an'azy ireo ny ola betsaka ary nisambotra sy namatotra ny tagnany. 47 Ny raika tamin'ireo nitsangana teo ankaikiny ka namoaka sabatra ka nikapa ny sofin'iilay mpanompon'ny mpisorona be. 48 Dia hozy Jesosy taminjareo: ''Avy hisambotra ahy ianareo toin'ny hisambotra dahalo, miaraka amin'ny sabatra sy sabô. 49 Teo aminareo isan'andro Izaho nampianatra teo amin'ny malalaky ny tempoly tsy nosamborinareo.'' 50 Fa izao no misy mba tanteraka ny soratra masina. 51 Ary nisy gaogna raika nagnara an'Azy tsy nitafy afa tsy hariry fotsiny; nosambotin' ola Izy fa 52 napetrany teo ny sembony dia nilefa madikatra izy. Ary ireo rehetra niaraka tamin'i Jesosy niala taminy dahôly zareo. 53 Ary nitondra an'i Jesosy tany amin'ny mpisorona be zareo. Niakatra teo dahôly ny mpisorona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna. 54 Ary Petera nagnaraka an'Azy lavidavitra, hatrany amin'ny kitan'ny mpisorona be. Niara nipetraka tamin'ny mpiambina izy namindro tamin'ny afo. 55 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Symediona miakatra anao vavolombelona iapangahana ho faty an'i Jesosy. Saingy tsy nahita ry zareo na dia hiapangana raika aza. 56 Fa betsaka no nagnano vavolombelona lainga, nefa ny fiampangana Azy tsy nifagnaraka akory. 57 Nisy ola nitangana dia niampanga lainga Azy, dia niteny hoe: 58 ''Regninay Izy niteny hoe: ravahiko ity tempoly ity izay nataon'ny tagnan'ola fa afaka telo andro dia agnangana raika hafa tsy nataon'ny tagnan'ola Izy.'' 59 Fa tsy mbola nifanaraka ihany ny filazanjareo tamin'izany. 60 Ary ny mpisorona be nitsangana tampivoan-jareo nagnontany an'i Jesosy Iizy nagnao hoe: ''Tsy manana havaly akory va ianao? Ino no iampangan'ireto ola ireto Anao?'' 61 Fa nangina Jesosy sady tsy namaly azy akory. Dia mbola nagnontany an'Azy inadray ny mpisorona be nagnano hoe: ''Ianao va no Kristy, zanak'Andriamanitra feno fitahiana?'' 62 Dia hozy Jesosy: ''Izaho no Izy'' ary ho hitanareo ny zanak'ola hipetraka eo ankavanan'ny haerin'Andriamanitra sady avy amin'ny rahon'ny lanitra. 63 Ary ny mpisorona be dia nandovotra ny fitafiany. ''Mbola hitady vavolombelona ihany va isika? 64 Efa regninareo ny fitegnenan-dratsy zay nataonytakeo; Ino no hevitrareo? Dia samy nanameloka Azy izy dahôly ka niteny hoe mendrika an'Azy no hofaty. 65 Ny sasagny nanomboka nandrora Azy, nagnarona ny tavany sady namely tombokondry sady nagnao hoe: ''Maminania aminay!'' Ary ireo manamboninahitra nisintona an'Azy sady nively an'Azy. 66 Raha nipetraka takeo amban'ny kianja Petera dia nagnantona ananjy ny zanaka vavy ny mpisorona be. 67 Natazana an'i Petera namindro izy dia nokakaisigny ankeky dia hozy taminy: ''Inao koa naman'i Jesosy avy any Nazareta.'' 68 Fa iza nandà ka nagnano hoe: ''Tsy fantatro sy tsy azoko izay tegneninao.'' Dia lasa izy niala ny kianja. 69 Fa ilay zazavavy natazagna ananjy indray dia niteny tamin'ola ka nitsangana magnodidina nanao hoe: ''Io gaogna io tena naman'Izy iny.'' 70 Fa mbola nandà indray izy. Kelikely avy teo dia hozy ireo tankekin'i Petera: ''Nmany Iny mihitsy ianao satria ianao Galiliana.'' 71 Dia nanaomboka niozona sy nianiana izy nagnao hoe: ''Tsy fantatro izany lehilahy lazainareo izany.'' 72 Ary niaraka tamin'izay dia nagneno fanin-droany ny akoho dia nahatsiaro ny tenin'i Jesosy i Petera nagnano hoe: ''Raha tsy mbola magneno fanin-droany ny akoho dia handà Ahy in-telo ianao.'' Dia nihondrika izy sady nitomany.''