Marka 9

1 Ary oy Ize taminjarô: "Zakeko amanarô marina mafe fa mise amanarô zegne misangana aketô de siagnandrana izane faafatesana izane meloan'ny aitanjarô ny fahatongavan'ny Fanjakan'Andremanitra zegne oave aman'ny ery leibe." 2 Are eninandro tatỳ afara de nandôn'i Jesosy i Petera sy Jakoba ary Jaona tegne aman'ny tavirana, ambone, ary zarô manokana no takagne. Reefa ave tiô de niova tareine tiô amasonjarô Ize. 3 Ny akanjone de niova nangilangilatra no sade mazava ary fose indrindra, fose tafoatra ny raa nifosiana indrindra taketo ambon'ny tane. 4 Ary Elia sy Mosesy nivoaka taman-jarô, ary nizaka taman'i Jesosy izarô. 5 Petera namaly ka nizaka taman'i Jesosy: "Raby ô, sara raa mitoetra aketo antsena ary andô agnano lae telo o antsena, ny reka anô,reka an'i Mosesy, ny reka oan'i Elia." 6 (Sifantane zegne tokony zakene satria nataotra mafe zarô.) 7 Nise zavona ave nadrakotra anjarô. Ary nise zaka nivôka ave tao agnatiny zavona: "Ty ny Zanako Tiako. Mitonoa ananje." 8 Tampoka tiô, raa nizaa ny magnodidigna izarô, de sinaita na zove na zove isone, afasy Jesosy reka my. 9 Raa nandrorogna ave tegne antavirana izarô, de nizakene mafe mba siizaka na aman-jove na aman-jove ny raa itanjarô, raa siefa isangana aman'ny mate ny Zanak'olona. 10 Ary nitana izane zaka izane zarô, kanefa nifagnadina zarô ny dikan'izane oe: "fisanganana aman'ny mate" izane. 11 Nagnontane Ananje zarô: "Naoana zarô mpitondra fanjakana no magnambaraa fa simènse oave aloa Elia?" 12 De oy Ize taminjarô: "Elia efa tonga vôlognane agnarina ny raa rehetra. Ary naoana no voasoratra fa ny Zanak'Olona de izale mafe aman'ny raa maro are oalan'olona? 13 Nefa zakeko aminarô fa efa tonga Elia are nanin'olona tamine izegne tian'ny fonjarô, araka zagne zakegn'ny Tenin'Andriamanitra mombananje. 14 Ary reefa nierigna tiô aman'ny mpianatra zarô, de nise olona maro nagnodidina anjarô ary zarô mpitondra fanjakana niaranga evitra taminjarô. 15 Ary reefa naita an'i Jesosy zarô, de magnana ny olona lalina ka niazakazaka agnatogna ka nagnome ansafa Ananje. 16 Ary nagnadina anjarô mpianane Ize nagnano oe: "Ino no mampisaala anarô aminjarô. 17 Ary nise reka tamanjarô olona lalina namale nagnano oe: "Mpampianatra ô, nindôko aketo aminô ny zanakolae mise fagnae rase simampizaka ananje ize, 18 ary nanambotra ananje io fanae rase io, ka nandavolavo ananje ary nandoa manore ize sy nampiade nife, ary lasa lavo niinjitra de nangataka taman'ny mpianatra ny tegnako mba amoaka fanae rase io iala amanaje. Kanefa sivitanjarô zane. 19 Ary nizaka ananje Ize: "Ry taranaka simino, efa oviana no nitoerako teto amanarô? Ary efa ela no nandeferako tamanarô? Andose atỳ amanaa ny zaza." 20 Ary nandônjarô tiô amananje ny zaza lilae, ary raa vô naita an'i Jesosy ilae fagnae rase, de nampifanintositona ananje ave atrane izane. Ary lavo tamin'ny tane ilae zaza lilae ka namoaka ranive ny vavane. 21 Jesosy nagnotane an'Ibane: "Oviana no naatonga ananje karanio?" De oy ny iabane: "Efa raataman'ny naateraka ananje. 22 Io fagnae rase io indrekindreka mandavo ananje agnatiafo na agnatirano ary nadramane ovonine ize. Raa mae ny raa maro Anô de mandefera amanè kaafao ize. 23 Jesosy nizaka tamananje oe: "Raa mae raa maro Anô?" Ny raa maro de enin'ny mino. 24 Ary niaraka taman'izegne ny iaban'ilae zaza nagnanso mafe nagnano oe: "Mino ao! Afao amin'ny sifinoako ao!" 25 Ary reefa itan'i Jesosy zarô marobe niazakazaka nagnatogna anjarô de nozakene mafe ilaefanae maloto nagnano oe: "Ry fagnae moà sy fagnae maregnina, mandidy anô ao, mivoaa amananje, ka simaazo mierigna amananje insone anô." 26 De nangekeka mafe ilae fagnae rase ka nampifanitositona mafe ilae zaza ary farane de nivoaka tamananje. ka karaa olona mate ilae zazalae, ary maro ny olona nizaka oe: "Efa mate ize." 27 Fa Jesosy nandrambe ny tagnane ka nagnarina ananje de nisangana ize. 28 Ary reefa niditra tandragno Jesosy, de nagnadina Ananje nitokana ny mpianane: "Naoana no sinatafavoaka ialae fagnae izè?" 29 Ary oy Ize tamanjarô: "Ny fagnae karan'ieregne sitafavoaka raa siamina vavaka." 30 Are niala tiô zarô ka nandalo takagne Galilia. Tsy tiane hisy olone ahalala ny toerana misy anjaro, 31 ary nampianatra ny mpianane Ize. De oy Ize tamanjarô: "Ny Zanak'olona de atolotra akegne antagnan'olona, ka ovonin-jarô. Ary reefa novonina ofate Ize, de isangana indreka dila telo andro. 32 Ary sifantatrizarô ny tiane zakena ka nataotra izarô agnadina Amananje. 33 Reefa tonga takô Kapernaome zarô, ka tonga takô andragno Ize de nagnadina ananje zarô: "Ino ny raa nisalasalanarô takegne anketogna?" 34 Fa same sinizaka zarô satria efa nisaala tegne an-ketogna izarôny amin'izae lebe indrindra. 35 Nitoetra Ize ka nagnanso anjarô roambinifolo lae, are oy Ize tamanjarô: "Raa mise te ovôlognane amanarô de simènse farane aman-jarô reetra are ompanompon'ny reetra. 36 Nangalaka zazabitaka reka Ize are natône tiô agnivon-jarô. Nalene iô zazalilae bitaka iô ka nibatene ary oy ize taman-jarô: 37 "Na zove na zove mandrè zaza aman'ny agnarako ka mandrè, de mandrè Anaa, ary na zove na zove mandrae Anaa, de simandrè ana reka, fa mandrè izegne nagniraka Anaa koa." 38 Oy Jaona taminy : "Mpampianatra ô, naita olona zè namoka demone taman'ny agnaraô ka noraranè ize, satria simagnaraka ansena ize. 39 Fa Jesosy nagnano oe: "Aza manakana ananje, simise olona magnano asa lebe aman'ny agnarako nefa avekiô agnarase ny agnarako. 40 Fa zegne simandà ansena de miaraka aman-sena. 41 Ary na zove na zove manome rano eran'ny tase oanina noo ny aman'iKristy de zakeko aminô marina tokoatra fa siovere ny valin'ny fitiavane. 42 Fa na zove na zove matafatoina ny reka amanjarô zegne madinika mino Anaa, de sara amananje raa agnantognana vato be fagnoriana vare fatorana akiô eo am-bozone ka asipe andranomasina. 43 Raa ny tagnanô no mahatonga anô diso, de tapao zane. Fa sara aminô no miditra voataketra akagne aman'ny fiegnana noon'ny managna tagnana roe nefa madia akagne aman'ny helo, agne aman'ny afo simete mate, 44 izegne mise kankana simete mate. 45 Raa ny ongonô no naadiso anô, de tapao ize. Fa sara aminô ny miditra mitongetra agny aman'ny fiegnana noo ny managna ongotra roe nefa ariana agne aman'ny helo, agne aman'ny afo simete mate, 46 izegne mise kankana simete mate. 47 Raa ny masonô no maadiso anô, de alè oafaka amanô izane. Sara amiô ny mditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra amin'ny maso reka, noon'ny managna maso roe nefa ariana akagne aman'ny helo. 48 Agne aman'ny afo simete mate, izegne mise kankana simete mate. 49 Fa ny olona marobe akegne izae same oamasinina aman'ny afo. 50 Ny sira de sara, fa raa ny sira no manjare masaso, aoana indreka ny agniregnana ny hasine? sambe magnamasina ny tegnane, ary mihavàna aman'ny sirekareka.