1
Avekio ndreka Jesosy de ningakagne Jodia, ary agnilan'i Jordana. Nise vaoaka laligna be niVore tio amine.Ary kara ny fanine de nampianatra ndreka Ize.
2
De nagnatogna anaze ny fariseo mba izaanane fagnae anze. De nagnontany anaze zaro oe: "Afefa'ny lalana agnombela ny vadiny ve ny lilae reka?"
3
Namale anjaro Jesosy oe: "Nagnino ny nameezan'i Mosesy anaro?"
4
De oy zaro: "Mosesy de nandefa ane agnombela vade raa magnome taratase fagnombolana
5
Fa Jesosy namale anjaro oe: " Ny amafisan'ny fonaro no nagnomezane anizane lalana izane."
6
Fa takange ambolognane namoronan'Andriamanitra ny olona olilae sy viave.
7
Zane no andozan'ny lilae ny iabany sy ny renine ka iresaane aman'ny vadine,
8
Ary otonga tegna reka zaroroe. Ary sy oroe insone izaro aman'izane fa oreka my.
9
Koa zay naaron'Andriamanitra de oka sy sarainolombelona.
10
"Ary reefa tandragno zaro de mbola nagnerigna nagnadina mikasika izane ndreka ny mpianatra.
11
Oy Ize taman'izaro: "Zegne lilae nisaraka aman'ny vadine ka magnalaka viave afa, de mijangajanga ka mangalabaraka ny vadine.
12
Ary raamise koa viave mandoza ny vadine ka mananbade lilae afa de mizangazanga ndrekakoa."
13
Ary nise nitondra zaza nagnatogna Anaze mba itifane tanana ka sinalefan'ny mpianatra izaro.
14
Fa reefa naita izane Jesosy de vignitra ka nizaka taman'ny mpianany oe: "Avile ny zaza agnatogna ana fa aza sakanana fa oan'izagne karanaze io ny fanjakan'Andriamanitra.
15
Zazeko amanarô marina tokôtra fa siiditra ny Fanjakan'Andriamanitra se izegne simiova kara zamadinia."
16
Ary de nalegne ireo zamadinika reo ka nosofine rano sade nitafine tagnana.
17
Ary reefa nande tegne anketogna Jesosy de nise lilae niazakazaka ka nentongaleka tiô amasone ka nagnadina ananje oe: "Ry mpampianatra sara ô! ino no atôko mba adoavako ny fiegnana mandrakize?"
18
Jesosy namale ananje nagnao oe: " Nagi no zakenô fa sara Ao?" Simise sara afasy Andriamanitra reka.
19
Fantanô ny lalàna oe: "Aza mamono olona, aza mizangazanga, aza mangalatra, aza misangana vavolombelona mamese, seampavignitra olona, ajao ny iabanô sy ny reninô.
20
De namale ize: "Mpampianatra ô, efa nekeko daolo rataman'ny fazazako izegne.
21
Nagnitingna ananje Jesosy ary tiananje. Ary oy Ize: "Mise raa siampe akô amanô. Mandeana amidio zegne anagnanô, amôn'ny maatra ny vidine de anagna taire any andagnitra anô. De mingaty magnaraka anaa."
22
Fa tôina taman'izegne fizakana izegne ity lilae ity ka niala tamana alaelo be sade nande satria managna fanagnana laligna be ize.
23
Nagnintigna Jesosy ary nizaka taman'ny mpianane: "Tegna sarotra oanireo managna fanagnana be ny miditra ao aman'ny Fanjakan'Andriamanitra.
24
De magnana tamanizegne raa nizakene i Jesosy ny mpianatra. Ary de notoezane oe: "Ry zanako, sarotrabe ny fidirana ao aman'ny Fanjakan'Andriamanitra voamizegne miankina aman'nyy fanagnane.
25
Fa mora oan'ny rameva ny miditra ao amin'ny rameva ny midita ao aman'ny vodifilo taatra ny idiran'ny mpanankarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra
26
De nola magnana ndreka ny mpianatra ary de nifaganadina zarô oe: "Iza ndreka izany ovonjena?"
27
Magnintsina anazireo Jesosy ary oy ize: "sienolona izane enan'Andriamanitra satria my raareetra de enan'Andriamanitra anine.
28
Oy Peteraca tamanaze: "Zetogn de nafoe raareetra ary nagnaraka anô."
29
Ary nivalian'i Jesosy: "Lazeko marina amanarô, simise olona nandoza ny tranone, na ny ralaine, na ny ravavine na ny renine, na ny iabany zanagne na ny tanine noony Alanaa sy filazansara,
30
nosinaazo avo zatoeny aman'izo taonjato ankeitiny izô de trano, raalae, raaavave, rene, zanaka sy tan miaraka aman'ny fagnanjaana ary aman'ny taonjato oave de ny fiegnana ary aman'ny taonjato oave de ny fiegnana madrakize.
31
Maro ny aman'ny voloane no odila farane , ary maro aman'ireo farane odila voaloane."
32
Ary akegna anketogna iakatra, akagne Jerosalema Jesosy sy ny mpianane ary Jesosy nande ningaloa anjarô de magnana ny mpianatra ary nagnara anaze taman'ny avakana. Nangian'i Jesosy oe aminy ndreka ize roambinifolo ary de nagnadogna nizaka roa iatra amanaze ize.
33
Miakatra oagne Jerrosalema isena izo ary ny zakolona de amena ny mpizorombe sy mpitondra fanjakana.
34
Oeloina jarô ofate Ize ary atolone aman'ny Jentilisa. Ireo de agneson'Aze, androra Amanaze, andraboka Amanaze sy amono Anaze ary afaka telo andro aman'ny afatesane de isanga, aman'ny maty ndreka Ie.
35
Nagnatogna an'i Jesosy ny zanak'i Zebedio, Zakoba sy Jaona nizaka taminy: "Mpamianatra ô, mba tiane roa mba atonô zegne angaoene amanô.
36
De oy Ize: "Ino no tianarô atôko amanarô?"
37
Avile ze iaraka amano reefa ako aman'ny voninaitranô anô ka ny reka akio antagnana ankavananao ny reka ako ankavianao.
38
Oy Jesosy malenjareo: "Sifantanarô zegne angaoenarô anareo ve afaka misotro aman'ny kapoaka isotroako, na ivandre aman'izegne nagnanova batiasanaa?
39
Efane izane oy zarô. Ary namale anjaro Jesosy: "Marina fa afa misotro tamanizane nosotroiko anareo ary afaka atô batisa amanizegne nagnanovana batisa anaa.
40
Fa ny mibodika eo antagnankavanako na akô ankavianko koza de simiankinna Amanaa izane,fa amena izae votokana amanizegne."
41
Nangandogna vignitra aman'i Zakôba sy Jaona ny fololae naaregne anizane.
42
Nangian'i Jesosy zaro ary oy ize: "Fantanaro fa reo zae everin'ny Jentilisa karan'ny mpanapaka filoampanjakana de mampataotra ary magnapatra fahefana amanaze.
43
Sikanizane ny amanarô. Fa na zove na zove te olebe amanareo de aoka ompiasanarô.
44
Ary zegne teovolognane amanao de oka ize oandevonarô rehetra.
45
Fa ny Zanakolona si tonga mba atompoena fa tonga mba anompo sy agnome egnananjy atakalon'egna oaman'ny rehetra.
46
Tonga takô Jeriko zarô rehefa nivoaka ny tanàna Jesosy sy ny mpianany, ary vahoaka lalina ary ny zanak'i Timeo, Bartimeo, zamba mpangataka, nitoetra tio amoron-dalana.
47
Ary nony regnine fa izegne Jesosy avy tagny Nazareta, de nagnaso ize ka nizaka hoe: "Ry Jesosy zanak'i Davida ô, mamindra fo amanaa."
48
Ary laligna ny nizaka mafe aze mba hangina; fa vao mainka nangekeka ize ka nanano hoe: "Ry zanak'i Davida mamindra fo aminaa."
49
Mibodika Jesosy ary nagnanso anaze. Nangianjareo ilae zamba ary nokasiane: "Maereza, misangana fa angiane anô."
50
Narian'ilae zamba ny lambane ary nisangana nensabotra nankio amin'i Jesosy ize.
51
De nagnotane anaze Jesosy: "Ino no tianô atoko amanô?" "Mpampianatra ô ampagnintegno ny masoko." oy lay zamba.
52
Ary oy Jesosy: "Mandiana, ny finoana anô no namonjena anô." De naita niaraka tamanizane ny masone ary nagnaraka an'i Jesosy takegne amketogna ize.