1
Rao nande tagne Jerosalema zaro, de nagnakeke an'Betifaga sy Betania, agne antampotaviran'oliva, ary Jesosy nagniraka roe lae taminjaro mpianagne.
2
Ary nizaka oe: " Mandiana amini'ry taviragna biltaka eo aloansena iry. Raavotonga eo anaro, de aita zana-borike reka pola sinodiban'olona. Tatao ny tadine de andose mingaty amanaa.
3
Ka ramise olona mizaka amanaro oe:" Magniro no magnano anio anaro? "devalio ize oe: "Ny Tompo no mila ananje de avelane andonaro ize. "
4
Ny mpianane nande nivoka ka naita ny zanaborike mifatotra tio ambotragno agnindragny varamgaragna eo amoron-ketogna, tonga de notatanjaro ny tade ka nandone i lay Borike.
5
Ireo olona nisangana tiô nagnodidigna anjaro oe: "Andônarô aka any zana-borikio?"
6
De nozakene tamine ny tenin'i Jesosy taminjarô, de navelany io olona io nandia izaro roelae .
7
Ary nandon' ny mpianatra roelae tio aminy ny zanaborike de natone tio ambone ny lambane ary Jesosy nitefa tio amboni'ny borike.
8
Olona marobe no namelatra ny lambane tegne anketogna, ary ny sasagne kosa namelatra rasankazo izay notapaina avy tagne agnalandraa.
9
Ireo nandiaa tio aloane sy ireo nagnaraka ananje tio afara de nagnanso oe :"Osana Taina ilae ave amin'ny agnaran i tompo ".
10
Otaina ny fanjakana amin'ny Davida Raintsena osana ave amin'ny avo indrindra!
11
Jesosy ny Tonga tao Jerosalema ka nande an kianjan'ny Tempole sy nagnintignitigna ny raa manontolo tio . Efa o alina ny andro taminizane, ninga oagne Betania Ize sy izaro mpianane roambinifolo lae avio.
12
Ny maraina anio, raa nierigna ave tagne Betania izaro, de refogna jesosy.
13
Ary natazana kakazo aviave izaro izay nidoroboka tery aloaloa, de nagnatogna aze mba agnitigna isine tio amananje ramise.Ary reefa nandroso Ize, de sinaita isine tio amin'ny aviave afa siny ravine fogna, fasy mbola fotona famoazan'ny aviave io fotona io.
14
Ary Ize nizaka oe: " Nazove nazove de siinana ny isine avy aminity aviave ity mandrakize. "ary ny mpianane naregne izane".
15
Tonga tio Jerosalema izaro aveo niditra tio ankianjaniny Tempole Ary nanomboka nandroaka ny mpivarotra sy ny mpivide reetra tio Jesosy. Nazarena Navokane ny latabatra anjaro mpanakalo vola sy ny sezanjaro mpivarotra pizina. Ize sinandefa olana.
16
Nazove nazove itondra entana ande o ankianjan'ny Tempole. Ka ivarotra eo.
17
De nampiamatra anjaro Ize sade nizaka oe:" Siefa voasoratra ve :"Ny tragnoko de atao oe tragno fivaaana oan'ny firenena reetra". Nefa atonaro toerana fitoeran'ny mpangalatra."
18
Ary zaro loan'ny mpisorogna sy ireo mpitondra fanjakana naregne anizane zaka izane. De nikaroka avitra amonoana an'i Jesosy. Nataotra anefa izaro fa ny olona reetra magnana tamin'ny fampenarana nataon'i Jesosy.
19
Ary isan'alina de niala tio antanana izaro.
20
Ary ranandalo izaro non'ny mandregne de naita ilae aviave efa mate atraminy vaane.
21
Ary Petera natadide ka nizaka oe . " Mpampianatro antegno ilae aviave nozognino lasa mate.
23
Jesosy nizaka tamanjaro oe ."Managna finona an'Andriamanitra.
22
Zakeko aminaro marina Tokoa fa na zove na zove no mizaka amin'ity tavirana ity oe. " mifindra agne andraomasina, " Ka simisalasala ao ampone fa mino o tonga izay zavatra nazakena, de taaka izane ny fomba fiasan'Andriamanitra.
24
Noizane de mizaka aminaro Aho fa izay zavatra reetra angatanaro de minoa fa otanga aminaro izane .
25
Raa misangana mivavaka anaro ka mise olona reka amagnaro alaelo, de avelao ny elokananje, mba amelaning Rainareo any andanitra ny eloka anaro.
26
Fara simamela eloka kosa anaro, de sy mamela ny eloka anaro ny Rainaro agne andanitra.
27
De nande nankagne Jerosalema izaro ary ra nisangasangana tio ankianjan'ny Tempole Jesosy, de ave nagnatogna ananje ny loandoanireo mpisorogna sy ireo mpitondra fanjakana ary ny loolona.
28
Ka nizaka tamin'ny oe:" Fa faefana avy taiza no anovano ireo zavatra ireo, ary ive no nagnome ano faefana ".
29
Jesosy nizaka tamanjaro oe:" Izao magnadina aminaro. Zakeo Amiko dia Izaho hizaka aminaro oe faefana avitaiza mo no nanaovako an'izany reetra izane.
30
Ny Batisan'i Jona ve, ave tagne andanitra ve sa ave tamin'olona? Valio Aho."
31
Nifandinika iziro sade nifampilaza sy nizaka oe:" Raa mizaka isane oe:" Ave agne andanitra de izaka amintsika Ize oe:" Fanaona arika no simino ananje anaro;
32
Ary ra mizaka kosa isena oe:" Ave aman'olona, " de nataotra izaro, fa ny alona reetra de magneke fa Jona de mpaminagne tokoa.
33
Ary nizaka tamin'ny Jesosy izaro ka nanao eo:" Sy fantane de oy Jesosy tamanjaro:" Izao kosa sy agnatoro anaro oe faefana ave akaza no anaovako reo zavatra ireo.