1
Taman'izane andro izane de vaôka lalignabe ndreka nivore tiô amananje, ary sise raanoanina izarô. De nagnanso ny mpianatra ananje Jesosy ary nizaka tamanjarô oe:
2
"Mampalaelo anaa itôgn vaôka itôgn satria efa otelo andro zarô no taketo amanaa nefa sinanagna raaoaniana sino.
3
Raa alefako mode simisakafo zarô de bitaka ery de orefogna akegne ampandeanana ny sasagne amanjrô ave aman'ny toerana lavitra."
4
Namale ananje ny mpianatra: "Anina akore ny amokisana mofo anireo vaôka ireo atỳ anefitra atỳ?"
5
Nagnadina anjarô Jesosy: "Managna mofo fire anarô?" oy izarô: "Mofo fito."
6
Nibeko ny olona ize mba itoetra aman'ny tane.Ary notanane ny mofo fito de nisôtra Ize ary novakine ka namene ny mpianane mba ozarenjarô aman'ny vaôka.
7
Ary pola nise talapia bitaka my koa ka reefa ave nisôran'i Jesosy de nasene nozarena koa izane.
8
De niinana ny olona ka voke ary pola nise fito tante ny antombone.
9
Tokone efatrarivo akiôkiô ny olona tamanizane. De nalefan'i Jesosy node izarô avitakiô.
10
De ave atrane de niditra ansambo bitaka ndreka i Jesosy sy ny mpianane oakagne aman'ny faritan'i Dalmanota.
11
De ve ny Fariseo nizaka taman'i Jesosy angalane fagnae ananje ka nangavana famantarana ave akagne andagnitra tamanaze.
12
Nisento be taman'ny fagnainy Ize are nizaka oe: "nagnino no mangao famantarana ity taranaka ity? Nefa zakeko amanarô marina tokoatra fa sise famantarana omena ity taranaka ity izane.
13
De niala amanjarô Jesosy ary niditra ansambo oarỳ agnilane.
14
Sisaron'ny mpianatra ny mpianatra ny nitondra mofo nefa sinanagna afasireka izarô takô agnatin'ny sambo.
15
De namepetra anjarô Jesosy ka nizaka oe: "membena mba sioazon'ny masirasiaran'ny Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda."
16
De nifampikoragna ny mpianatra: "noo sena sinitondra mofo ve no nizakane anizane?
17
Fantan'i Jesosy ny zakan'ny mpianane ary oy Ize: "Nagninona raa amin'ny mofo ny fisegnanarô? Sifantanarô va sa pola sitakanarô izae nolazeko? Mbola mazagna ve ny fonarô?
18
Magnana maso anarô fa sinaita? Managna tadigne anarô fa simaregne? Sa sisarônarô?
19
Reefa nizara ny mofo oanin'ny olona dimerivo, de pola nise fire tante ny ambiny nontroinarô?
20
Ary reefa nizara oan'ny olona efatrarivo firy tante sy ambiny ny azonarô? Fito tante oy ny mpianatra namale.
21
Ary oy Ize: "Mbola sifantanarô my va?"
22
De tonga takagne Betesda izarô. Ary nise olona simaita reka nandôn'olona taman'iJesosy ary nengavine Ize mba iisatra ananje.
23
Nandone taman'ny tagnane lae simaita de niala takô antanàna izarô, nandorane ny mason'ny simaita de nametraane tagnana ary nadinane oe: "Naita raa va anô?"
24
De nagnintigna ize ka nizaka oe: "Maita olona ao fa kara kakazo madiandia."
25
Natefan'i Jesosy takiô aman'ny masony ndreka ny tagnane ka reefa nanoitra sara ny sinaita, de niarina taman'ny lôniny ny fagnintegnane, ary itane niariare ny raha reetra.
26
De nasen'i Jesosy node ize ary norarane siierigna akô antànana.
27
Dila ndreka Jesosy sy ny mpianane ninga akagne amin'ny tananan'i Kaisara Filipo. Takegne anketogna de nagnadina anjarô Ize. Mbaran'olona zove ma ao?
28
Nise nizaka :"Jaona mpagnano batisa", ny sasane nizaka oe: "Elia" ary ny sasane indreka: "Reka aman'ny mpaminagne."
29
Ary Ize nagnadina anjarô: "Ary zove zao amanarô?" De nizaka Petera oe: "Anô no Kristy."
30
Nozaken'i Jesosy mafe izarô sy agnatorotoro izane aman-jove na aman-jove.
31
Nagnadogna nagnatoro taman'ny mpianane fa simènse ampizaliana ny Zanakolona, O sieken'ny loolona sy mpisorona ary ny mpitondra fanjakana oeloina ofate nefa otafatsangana aman'ny mate dilan'ny telo andro afaranizane.
32
Nizakene sambemaso izane. De nangian'i Petera mangingina i Jesosy ka nagnandogna nagnise Ananje.
33
Nefa Jesosy de nitodika nagnintigna an'i Petera ka nagnise ananje oe: "Agny afarako anô ry satana! Fa somba mieritreritra raa an'Andriamanitra anô.
34
De nagnanso ndreka ny olomaro sy ny mpianane ary oy Ize: "Raa mise teagnatogna anaa de sieritreritra ny tegnane ize fa mitondra ny azofijaliane, zay vô magnaraka anaa.
35
Zegne te amonje ny negnanaze de averenaze fa zay mafoe ny egnanaze noony filazasara no avonje ananje.
36
Fa ino anefa no tombotsoa azon'olona raa maazo zô tontolo zô, anefa vere ny fagnaine?
37
Ino no amen'olona o takalon'izane?
38
Na zove na zove megnatra anaa sy ny zakako zegne nikoraniko tiô aman'ity taranaka mizangazanga sy manota ity, ny Zanak'olona koa de omegnatra ananje reefa ierigna ao aman'ny Voninaitra ny Iabany miaraka aman'ny anjele masina ize."