1
Ny Fariseo sy n mpitondra fanjakana sasane, ave akagne Jerosalema, tonga nivore magnodidigna ananje.
2
Ary itanjarô ny mpianane visivise niinana mofo tamana tagnana sy vôdio; izany oe sivôsasa.
3
(Nefa ny Fariseo sy ny Jiose rehetra simba miinana raa sivôdio sara ny tagnane: fa magnaraka ny fombafomban'ireo ray amandrenine.
4
Ary ny Fariseo refa node avy tagne antsena, simiinana ize raasy ave misasa. Ary mise fomba maro ize simentse araina, taaka ny manasa ny fitaovam-piinanana, fanaka varaina ary ny efitra fakanaina.)
5
Ireo Fariseo sy ny mpitondra fanjakana nagnontane an'Jesosy oe: "Naôna ny mpianatrao no simagnaraka ny fombafomban'ireo ray amandrene, raa miinana ny mofo izarô miaraka ain'ny tagnana sivôdio?"
6
Nefa oy Ize taminjarô: "Isaia mpaminany de naminagne sara anarô mpiasaravelasia, izay manambara oe: "Ity firenena ity de magnaza anaa aminy molone fa ny fone de lavitra Anaa.
7
Koa fôgna ny fiankoofana atolotrizarô Anaa, raa mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana ize."
8
Afoinarô ny didin'Andriamanitra ka tananarô mafe ny fomban'ny olona."
9
Ary oy indreka Ize taminjarô: "Mora aminarô ny magnare ny didin'Andriamanitra hitandremanarô ny fomban-drazana!
10
Fa oy Mosese: "Magnazà nydadanô sy mamanô," ary koa: "Izay mizaka rase ny dadane sy mamane de atao mate tokoatra."
11
Kanefa anarô mizaka oe: "Raa mise lilae reka mizaka ny dadane na ny mamane oe: "Izay afaka anampiako anô de efa koribana (izany oe, fanatitra hoan'Anrdiamanitra)
12
de sevelanarô agnanô nainona nainona koa ize.
13
Kade foagnanarô ny tenin'Andriamanitra nony fomban-drazanarô izay notananarô. Ary raha maro mitovetove aminizane koa no atonarô.
14
Ary nagnantso olona maro hagnatogna Ananje indreka Ize ka nizaka taminy oe: "Mitonoa ana anarô rehetra, ka fantaro.
15
Sy ny raha reetra ave eo ivelane izae miditra ao agnatin'ny olona no mandoto azy, fa izay mivôka ave ao agnate ny olona no maaloto aze."
16
Izae managna tadigne ôka ize iteno.
17
Reefa niala tiô aman'ny vaôka Jesosy ka niditra tao andragno, ny mpianane nagnadina Aze mombban'ny oatra natône.
18
Oy Jesosy tamine: "Ianarô kôzane kele fisegna? siitanarô va fa ize reetra eo avelagne miditra ao agnatin'ny olona de simampaloto aze,
19
satria sy miditra ao ampone izane fa ao ankibony iane ka mivôka ane aman'ny fivoana?" Izane no nolazen'i Jesosy mba atonga ny raana reetra omadio.
20
Oy indreka Ize: "Izay mivôka ave ao aman'ny olona no maloto aze.
21
Fa ave ao agnatin'ny olona, de ave ao ampone no ivoany saindrase de ny favetavetana, ny alatra, ny famonon'olona,
22
ny fizangazangazangana, ny fieremana, ny fizakan-drase, ny avonavona, ny fafokana.
23
Izane zava-drase reetra izane no mivôka ave ao agnatin'ny olona, ka maloto anje."
24
Niala tiô Ize ka lasa nande tagne aman'ny faritanin'i Tyro sy Sidona ka niditra tô andragno indreka Ize ary niezaka sy ofantatrin'ny olona na zove na zove oe tiô Ize.
25
Ize manka siafaka nivone. Kanefa niaraka tamin"izane indro viave reka nanana zanaka viave bitaka izae nise fagnae maloto ireka naregne an'i Jesosy ize, ka nagnatogna an'Anje sy nentongalitra tiô ankongone.
26
Io ravevave io de grika avy aman'ny firenen'ny Syrofoinika. Niangave tamine ize mba andrôka ny demonia tamin'ny zanane viave.
27
Oy Ize tamindraviave: "ôka ovoke aloa ny zaza. Satria sy mete raaa mangalaka ny mofon'ny zaza ka manome izane oan'ny kivà (amboa)."
28
Nefa namale ilae viave nagnano tamine oe: "Eny Tompoko, ny kivà ao ambany latabatra aza de mba miinana ny sombisombine amian'ny mofon-jaza my."
29
De oy Ize tamin-draviave: "noizane zanakô izane, de afaka mode anô fa efa nivôka tamin'ny zanakô viave ny demonia."
30
Ary raa nande node tagne andragnone ilae raviave de naita ny zananiviave nandre tiô ambonin'ny farafara, ary ny demonia efa nivôka tamananje.
31
Ary Jesosy nivôka nankagne aman'ny faratanin'i Tyro ka nandea oane Sidona ka atrane aman'ny ranomasin'ny Galelia ka niakatra tagne aman'ny faritra Dekapolise.
32
Ary nandonarô teo amine ny olona reke izay maregnigna sy moà, ary nitaregna taminy izarô mba ametraana tagnana amine.
33
Nitondra andralilae nitokana niala tiô amin'ny vaôka Ize, de nandre ny tadignine tamin'ny fanondrone Ize, ary raa ave nandora de nikasika ny lelane.
34
De nidraka nijere ny lagnitra Ize, de nisento ka nagnano taminy oe: "Efata", izany oe "mandrenesa!"
35
Ary aingana tiô my de nandré ny tadignine, ary ny fatotra taman'ny lelane de afaka nizaka mazava sara ize.
36
Ary Jesosy nizaka anjarô sy izakazaka naaman-jove na zove. Kanefa nade nozaken-jarô de vômeka nampilaza anizane be be koko.
37
Ary tegna magnana ny olona ka nizaka oe: "Namboarina sara daolo ny raha reetra. Natôny maregnè ny maregnina ary ny moà de mizaka sara."