Toko faha 51

1 Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny fahamarinana, ianareo izay mitady an'i Yaveh: jereo ny vatolampy izay nanesorana anareo sy ny fihadiam-bato izay nanalana anareo. 2 Jereo Abrahama, rainareo, sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia niantso azy Aho. Nitahy azy Aho ary nahamaro azy. 3 Eny, Yaveh no hampionona an'i Ziona; hampionona ireo toerany banga Izy; ny tany efiny nataony tahaka an'i Edena, ny tany karakainany eo anilan'ny Ony Lohasahan'i Jordana ho toy ny zaridainan'i Yaveh; faharavoravoana sy fifaliana no hita ao aminy, fisaorana, ary feon'ny fihirana. 4 "Mifantoha amiko, ry vahoakako; ary mihainoa Ahy ry vahoakako! Fa hamoaka didy Aho, ary hataoko ho fahazavana ho an'ny firenena rehetra ny fahamarinako. 5 Akaiky ny fahamarinako; hivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ireo firenena; ireo tany amoron-tsiraka dia hiandry Ahy; fa ny sandriko no endrasan'izy ireo fatratra. 6 Andrandrao eny amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany, fa ho levona toy ny setroka ny lanitra, ny tany ho voritra tahaka ny akanjo, ary ny mponina eo amin'izany ho faty toy ny lalitra. Fa ny famonjeko dia haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa. 7 Mihainoa Ahy, ianareo izay mahalala ny marina, ianareo vahoaka izay manana ny lalako ao am-ponareo: "Aza matahotra ny faniratsiran'ny olona na kivy amin'ny fanararaotany. 8 Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry; fa ho mandrakizay ny fahamarinako, ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko." 9 Mifohaza, mifohaza, tafio hery ny tenanareo, dia ny sandrin'i Yaveh. Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny, ny taranaka tamin'ny fotoana fahiny. Tsy ianao ve no nanitsakitsaka an-dRahaba, ianao izay nandefona ilay dragona? 10 Tsy Ianao ve no nandritra ny ranomasina, ny ranon'ny lalina indrindra, ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho lalam-pamonjena mba handalovana? 11 Ny navotan'i Yaveh dia hiverina ary hankany Ziona amin'ny hiakiam-piravoravoana sy am-pifaliana mandrakizay eo amin'ny lohan'izy ireo; ary ny fifaliana sy faharavoravoana hameno azy ireo, ka handositra azy ireo ny alahelo sy ny fisaonana. 12 "Izaho dia Izaho no ilay mampionona anao. Inona no hatahoranao ny olona, izay ho faty, ny zanak'olombelona izay natao toy ny ahitra? 13 Nahoana no nanadino an'i Yaveh izay mpahary anao ianao, izay naninjitra ny lanitra sy nametraka ny fanambanin'ny tany? Miaina amin'ny tahotra lalandava ianao isan'andro nohon'ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory raha tapa-kevitra ny handringana izy. Aiza ny fahatezeran'ny mpampahory? 14 Izay mitanondrika, ho avy faingana hanafaka i Yaveh; tsy ho faty ary tsy handeha hidina any an-davaka, na tsy hanana mofo izy. 15 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina mba hampierona ny onjan'izany_ Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. 16 Efa nametraka teo am-bavanao ireo teniko, ary nanarona anao tao amin'ny aloky ny tanako Aho, mba hahafahako manorina ny lanitra, sy mametraka ny fanambanin'ny tany, ka hiteny amin'ny Ziona hoe: 'Vahoakako ianao."' 17 Mifohaza, mifohaza, mitsangàna, ry Jerosalema, ianao izay efa nisotro tamin'ny tanan'i Yaveh avy tamin'ny lovian'ny fahatezerany; ianao izay efa nisotro tamin'ny lovia, hatreny amin'ny faikany ambany amin'ny kapoakan'ny fivembenana. 18 Tsy misy tamin'ireo zanany lahy rehetra izay naterany mba hitarika azy; tsy misy tamin'ireo zanany lahy izay natsangany mba hitantana azy. 19 Mitranga aminao ireo olana roa ireo_ iza no alahelo iaraka aminao?_ faharavana sy fandringanana, ary ny mosary sy ny sabatra. Iza no hampionona anao? [Fanamarihana :Ny lahatsoratra Hebreo sy ny dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe: "Ahoana ny hampiononako anao?", maro amin'ireo dikan-teny taty aoriana no manitsy ity andalana ity hoe: "Iza no hampionona anao?"] 20 Efa reraka ireo zanakao lahy; lavo eny anjoron-dalam-be rehetra eny izy ireo, toy ny diera ao anaty harato; mameno azy ireo ny fahaviniran'i Yaveh, ny teny mafin'Andriamanitrao. 21 Fa ankehitriny henoy izao, ianao izay nampahoriana sy nomamoina, nefa tsy mamon-divay: 22 Yaveh Tomponao, Andriamanitrao, izay mandahatra ny manjo ny olony, miteny hoe: "Indro, efa nesoriko teo an-tananao ny kapoakan'ny fivembenana_ ny lovia, izay kapoakin'ny fahatezerako_ mba tsy hisotronao izany intsony. 23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, izay efa niteny taminao hoe: "Mitsilania mba hahafahanay manitsakitsaka anao'; nataonao ho toy ny tany sy toy ny lalana handehanan'izy ireo ny lamosinao.