Toko faha 52

1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona; tafio ireo akanjonao tsara tarehy, ry Jerosalema, tanàna masina; fa tsy hiditra aminareo intsony ny tsy voafora na ny maloto. 2 Ahintsano ny vovoka amin'ny tenanareo; miarena ary mipetraha, ry Jerosalema; esory ny rojo vy eo am-bozonao, ry zanaka vavin'i Ziona babo. 3 Fa izao no lazain'i Yaveh hoe: "Namidy maimaimpoana ianareo, ary ho vonjena maimaimpoana." 4 Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: "Tany am-piandohana ny oloko dia nandeha nidina nankany Egypta mba hitoetra mandirtry ny fotoana voafetra; efa nampahorian'i Asyria vao tsy ela izy ireo. 5 Ankehitriny inona no hananako eto— izany no fanambaran'i Yaveh—hita fa nalaina tamin'ny tsy antony ny oloko? Maniratsira ireo izay manapaka eo amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ary voahendrikendrika foana ny anarako tontolo andro. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Maniratsisra" , ny dika-teny sasany manana teny Hebreo hafa midika hoe: "midradradradra."] 6 Noho izany ny oloko dia hahalala ny anarako; ho fantatr'izy ireo amin'izany andro izany fa Izaho ilay miteny hoe: "Eny, Izaho izany!" 7 Endrey ny hatsaran'ny tongotr'ireo mpitondra hafatra eny an-tendrombohitra izay mitondra vaovao tsara, izay manambara fiadanana, izay mitondra teny soa mahafaly, izay manambara famonjena, izay miteny amin'i Ziona hoe: "Manjaka ny Andriamanitrao!" 8 Henoy, manandratra ny feony ireo mpiambinao, miara-mihiaka fifaliana izy ireo, satria hahita ny fiverenan'i Yaveh any amin'ny Ziona izy ireo, ny mason'izy ireo rehetra. 9 Miaraha mihoby hiram-pifaliana, ianareo ry ravan'i Jerosalema; fa Yaveh dia efa nampahery ny olony; efa nanavotra an'i Jerosalema Izy. 10 Efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra Yaveh; hahita ny famonjen'ny Andriamanintsika ny tany rehetra. 11 Mialà, mialà, mivoaha teto; aza mikasika zavatra maloto; mialà teo afovoany; diovy ny tenanareo, ianareo izay mitondra ny fanak'i Yaveh. 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, na tahotra no hialanareo; satria Yaveh dia handeha hialoha anareo; ary ilay Andriamanitr' Israely no ho vodi-lalanareo. 13 Indro, hiasa am-pahendrena ny mpanompoko; ho ambony sy hisandratra izy, ary ho avo indrindra. 14 Fa toy ny nigagan'ny maro taminao— dia simba loatra tsy toy ny an'olombelona ny tavany, ary tsy hita toy ny olombelona intsony ny endriny. 15 Na dia izany aza, hamafy firenena maro ny mpanompoko ary hanakombona ny vavany noho izy ireo mpanjaka. Fa izay tsy mbola nolazaina azy ireo, dia ho hitan'izy ireo, ary izay tsy mbola ren'izy ireo, dia ho azon'izy ireo.