Toko faha 50

1 Izao no lazain'i Yaveh: "Aiza ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo? Iza tamin'ireo mpampisambotra Ahy no nivarotako anareo? Indro, namidy ianareo noho ireo fahotanareo, ary noho ireo fikominareo, dia nalefa nandeha ny reninareo. 2 Nahoana Aho no tonga kanefa tsy nisy olona tany? Nahoana Aho no niantso kanefa tsy nisy namaly? Moa fohy loatra ny tanako mba hanavotra anareo? Moa ve tsy nanan-kery Aho mba hamonjy anareo? Indro, amin'ny fitenenako mafy no andritako ny ranomasina; hanao ireo ony ho efitra Aho; matin'ny tsy fisian-drano sy hetaheta ny hazan-dranony. 3 ampitafiako aizina ny habakabaka, lamba fisaonana no anaronako izany." 4 Ny Tompo Yaveh no efa nanome ahy lela tahaka ireo izay efa nampianarina, mba hitenenako teny mampahery ho an'ny reraka; mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko mba hiaino tahaka ireo efa nampianarina Izy. 5 Efa nanokatra ny sofiko Yaveh, ka dia tsy mba nikomy aho, na nihodina nankany aoriana. 6 Nomeko ho an'ireo izay namely ahy ny lamosiko, ary ny tarehiko ho an'ireo izay nanongotra ny volom-bavako; tsy nanafina ny tavako tamin'ireo fihetsika nahamenatra sy naharikoriko aho. 7 Fa ny Tompo Yaveh no hanampy ahy; noho izany dia tsy ho afa-baraka aho; koa dia efa nanao ny tarehiko ho afovato aho, satria fantatro fa tsy ho alàna baraka aho. 8 Izy izay hanamarina ahy dia eo akaikiko. Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana ka hifanatrika. Iza no mpiampanga ahy? aoka izy hanakaiky ahy. 9 Indro, ny Tompo Yaveh no hanampy ahy. Iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ireo ho rovitra tahaka ny akanjo, ny kalalao no hihinana azy ireo. 10 Iza aminareo no matahotra an'i Yaveh? Iza no mankatò ny feon'ny mpanompony? Iza no mandeha amin'ny aizina lalina tsy misy fanilo? Tokony hatoky amin'ny anaran'i Yaveh izy ka hiantehitra amin'Andrimaniny. 11 Indro, ianareo rehetra izay mandrehitra afo; izay mivatsy fanilo; mandehana amin'ny hazavan'ny afonareo sy amin'ny afo izay efa narehitrareo. Izany no efa noraisinareo avy amiko, dia handrianareo eny amin'ny toeran'ny fanaintainana.