Tokofa Faha 5

1 Fao nisy lalahy araiky nantsôvigny hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotro anjara tany, 2 aveo nitanany ny sasany tamin'ny reo vaola vidiny (ny vadiny faogna koa nahay zany), avakeo ninday ny ampahany hafa tamin'ny zany ary nagnambaila azy teo antongotro reo apostoly. 9 Avakeo Petera nivaolagna azy nagnanjao: "Nagnino areo nagneky hiaraka hitsapa Fagnahin'ny Tompo? Tô, reo hongotro reo ôlogno zay nadevigny ny vadianao dia eo antamiagna, ary hagnaboaka anao zareo. 10 Ary lavo samby teo amin'ny hongony izy aveo afaka ny aigniny. Koafa niditry tao reo tôvolahy, dia nahita azy maty, kay nitondra azy niboaka sady nandevigny azy teo ankilany vadiny. 11 Ambory ny fiangonagna jiaby, ndraiky reo jiaby zay naharegny zany raha zany. 12 Famantaragna ndraiky fahagagagna maro no niboaka tamin'ny reo vahoaka tamin'ny alalan'ny tagnagna reo Apostoly. Niraka teo amin'ny fialofan'i Salomona zareo. 13 Fao tsisy ôlogno hafa nanagna fahasakiagna hiaraka aminjareo; kanaifa ny vahoaka dia nanadratra fankasitrahagna zareo. 19 Ary nandritran'ny aligny dia nisy anjelin'ny Tompo nanaokatra tamiagnan'ny fonja ary nagnaboaka zareo tao, aveo nivaolagna nagnajao: 20 "Mandihiana, mitsangana ao amin'ny tempoly avakeo mivolagna amin'ny ôlogno reo vaolagna jiaby ny tô fiainagna tô." 21 Koafa naharegny zany zareo, dia niditry tao amin'ny temply zareo koa voh marandraigny ny andro kay nampianatra. Fao tonga ny mpisôrogno be, ndraiky reo zay niaraka taminazy, aveo nagnantso ny filan-kevitry jiaby, reo sojabe jiaby ny vahoakan'Israely, aveo nalaifa tagny am-ponja mbô hagnaboaka reo apostoly. 22 Fao koafa tonga lehy mpiambigny raharaha dia tsy nahita zareo tam-ponja, kay nimpôdy zareo aveo nitatitry nagnanjao: 23 "Nahita tragno mahizigny nigadra tsara zahay aveo mpiambigny nitsangagna niambigny tantamiagna, fao koafa nisokoafinay zany, tsy nahita ôlogno tagnatiny zahay." 33 Koafa naharegny zany reo tao amin'ny filan-kevitry, dia vingitry zareo ary nikasa hamono reo apostoly. 34 Fao nisy Fariseo araiky nantsôvigny hoe Gamaliela, mpampian-dalàgna, zay najain'ny ôlogno jiaby, nitsangagna aveo nagniraka reo apostoly mbô ho alaigny aboaka hely akagny ambailany. 35 Ary izy nivaolagna taminjareo nagnajao: "Lalahy Israely, Tandremo tsara ny amin'ny raha zay ho tsabonareo miaraka amin'ny reo ôlogno reo. 36 Fao tagny alaoha tagny, Teodasy nivaolagna ny haigniny ho raha, aveo vôndrogn'ôlogno, tôkony ho aifa-jato, nagnaraka azy. Nivonogny izy, aveo reo jiaby zay nagneky azy dia niparitaka ary nanjary tsinotsinona. 37 Avakeo lalahy io, Jodasy avy akagny Galilia dia nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisagna ary nanagno ôlogno maromaro hagnaraka azy. Izy faogna koa nivonogny, aveo reo jiaby zay nagneky azy dia nipariaka. 40 Ary nagnantso reo apostoly hiditry zareo aveo namboko sady nagniraka zareo tsy hivaolagna amin'agnaran'i Jesôsy, avakeo nambaila zareo handaiha. 41 Zareo dia tsy nagneky ny filan-kevitry tan-karavoagna satria magnaiva ny hitondra fahafaham-baraka hoan'i Lehy Agnaragna. 42 Tafaran'ny zay isan'andro, tsy nijanogno nampianatra ndraiky nitory Jesôsy ho Kristy zareo, teo am-banjan'ny Tempoly ndraiky tamin'ny tragno maro.