Toko Faha 6

1 Ary tamin'ny zany andro zany, koafa nahay nisôsoko ny isan'ny reo mpianatra, dia nanomboko nisy fitaraignagna natan'ny reo Jiosy mivaolagna Grika hanohitry reo Hebreo, satria natan-jareo tsinotsinona reo mpitondra-taignany tamin'ny firasàgna hanigny isan'andro. 2 Ny aroa ambin'ny fôlo dia nagnantso reo mpianatra koafa ho agny aminjareo sady nivaolagna nagnajao: "Tsy mety amintsika raha tsy magneky vaolagna Zagnahary mbô hikarakara reo latabatra. 3 Noho zany areo dia tôkony mifidy, rahalahy, fito aminareo, lalahy tsara laza, feno ny Fagnahy ndraiky fahindriagna, mbô ho tindrenay hikarakara zany raharaha zany. 4 Raha ny aminay, dia hanôhy hatragny amin'ny fivavahagna ndraiky amin'ny fampianaragna vaolagna zahay.'' 7 Kay nipariaka faogna ny vaolagna Zagnahary, aveo ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema dia nahay fôntry, ary mpisôrogno maro faogna no nanjary mpankatô ny finoagna. 8 Ary Stefana, feno fahasoavagna ndraiky angôvo, dia nagnano fahagagagna ndraiky famantaragna gaida teo amin'ny vahoaka. 9 Fao nisy vahoaka sasany nitsangagna zay nihin'ny Synagoga zay volagnigny fao ny sinagogan'ny Libertina, ndraiky nihin'ny Kyreniana aveo Aleksandriana, ary ny sasany avy akagny Kilikia ndraiky Azia. Reo ôlogno reo dia niady hevitry tamin'i Stefana.