Toko faha 3

1 Avaïzo, ry rahalahiky, mivavaha hoanay, mbô ho diraigny ndraiky hamem-bogninahitry ny vilagnan'ny Tompo, dia mitovy zany koa ny aminareo. 2 Mivavaha mbô ho afaka amin'ny reo ratsy fagnahy ndraiky olon-dratsy zahay, fao tsy ny jiaby no manam-pinoagna. 3 Fao ny Tompo dia mafatoky, zay magnamafy origny ndraiky miambigny areo amin'ny lay ratsy. 4 Managna fahatokisagna amin'ny Tompo mitahy areo zahay, mbô sady hanaovanareo no nanohizanareo reo raha zay nandiagna zahay areo. 5 Ny Tompo anie hitariky ny fônareo ho amin'ny fitiavan-Jagnahary ndraiky ny fiaraitan'i Kristy. 6 Avaïzo magniraka areo zahay, ry rahalahiky, amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mbô hiala amin-jareo rahalahy jiaby zay miaigny akao agnatin'ny hakamoagna ndraiky tsy araka reo fomban-drazagna zay nalainareo taminay. 7 Fao areo taignanareo dia mahay fao manjary aminareo ny mangala tahaka zahay. Tsy niaigny teo agnivonareo karaha reo zay tsy nanagna fitsipiky zahay. 8 Tsy nihinagna hanignin'ologno tsy nahaloa vôla zahay. Fao naifa, niasa andro aman'aligny tamin'ny asa sarotro ndraiky ny zava-tsarotro zahay, mbô tsy ho ainta-mavaisatra ho an'ny tsiraikiraiky aminareo. 9 Tsy hoe avy amin'ny tsy fanagnagna fahefagna no nagnanaovanay zany. Fao naifa, nagnano zany zahay mbô ho fitaratra hoanareo, kay mbô hangalatahaka zahay areo. 10 Koafa niaraka taminareo zahay, dia nandidy areo hoe: "Koa misy araiky tsy ti-hiasa, dia tsy tôkony hihinagna izy. " Fao maharegny zahay fao miraviravy tagnagna 11 ny sanany aminareo. Tsi miasa zareo fao mpitsabaka. 12 Avaïzo reo ologno karaha zany dia hirahinay ndraiky hagnarianay amin'i Jesôsy Kristy Tompo, mbô hiasa am-panginagna ndraiky hihinagna ny hanin-jareo manôkagna. 13 Fao areo, ry rahalahiky, aza mamono taigna amin'ny fanaovagna zay marigny. 14 Koa misy tsy magneky ny volagnantsika amin'ny tô taratasy tô, hamariho akeo amimason'ologno izy ary aza managna fifandraisagna aminazy, kay mety ho maingatra izy. 15 Aza raisigny ho fahavalo izy, fao anaro mitovy ny rahalahy. 16 Fao lay Tompon'ny fiadagnagna anie hagnamia fiadagnagna areo amin'ny reo fotoagna ndraiky amin'ny reo fomba jiaby. Ho aminareo jiaby anie ny Tompo. 17 Tô no fagnanaovako veloma, zaho Paoly, tamin'ny tagnagnanaha, zay famantaragna amin'ny taratasy jiaby. Zao no soroatako. 18 Ny fahasoavan'i Jesosy Jesôsy Kristy Tompontsika anie ho aminareo jiaby.