Toko faha 2

1 Avaizo ny mahakasikin'ny fahatongavan'i Jesôsy Kristy Tômpontsika sindraiky namoriagna atsika hiaraka aminazy: magnontany areo zahay, oa rahalahy, 2 mbô tsy fôntry tabataba na hangôrohôro areo, na amin'ny totry, na amin'ny hafatra, na amin'ny taratasy lehy karaha ny hoe ho tonga aminay, noho ny vokatry ny fahatongavan'ny zany andron'ny Tômpo zany. 3 Aza ambaila hisy ôlogno hamadiky areo na amin'ny fomba karakôry. Fa tsy hoavy zany izy koa tsy avafaran'ny fahatongavan'ny fahalavoagna, avakeo ny lalahy mpanôratra lalàgna dia abolaigny, ny zanaka ny faharatagna. [Fanamariahagna: ny dikan-tsôratra talôha sasany dia mivaky hoe: "ary ny lalahy mpagnano raha tsy manjary dia abolaigny"]. 4 Izy lehy mamaly ndraiky mampiakatra ny haignianazy amin'ny raha jiaby antsôvigny hoe Zagnahary na lehy ivavahagna. Vokatra zany, dia nantotry tao amin'ny Tempolin-Jagnahary izy ary nagnambara haignianazy ho karaha Zagnahary. 5 Tsy tsaroanareo moa fao letry zaho niaraka taminareo dia afa nivôlagna reo raha reo? 6 Avaizo hainareo ino no mitagna azy, mbô hiboahany amin'ny fotoagna mety araiky fôgna. 7 Fao ny raha-mivôn'ny fandikan-dalàgna dia afa miasa, misy ôlogno araiky fôgna manakagna azy avaizo papiky angalagna azy teo amin'ny lalagna. 8 Avakeo lehy taigna mpanôratra lalàgna dia habolaigny, zay hovonon'i Jesôsy Tômpo amin'ny fofokaignin'ny vavany. Ny tômpo dia hinday azy amin'ny tsisy dikany amin'ny alalan'ny fiboahan'ny faviagnanazy. 9 Ny faviagnan'ny lehy taigna mpanôratra lalàgna dia noho ny asan'ny Masantôko miaraka amin'ny ngôvo jiaby, reo famantaragna, ary reo fahagagagna tsy mitombigny, 10 avakeo miaraka amin'ny vandy jiaby ny amin'ny tsy fahamarinagna. Reo raha reo dia ho an'ny reo lehy very, satria zareo dia tsy nangala ny fitiavan'ny fahamarinagna mbô hahavoavonjy zareo. 11 Noho zany antony zany dia magnandaifa asan'ny fahadisoagna Zagnahary mbô hinoan-jareo vandy. 12 Vokatra zany dia hatsaraigny aby izy jiaby, reo lehy mankatô ny fahamarinagna fao kanaifa mangala fahafinaraitagna amin'ny tsy fahamarinagna. 13 Fao zahay dia tôkony magnamia fisaoragna an-Jagnahary fôgna aminareo, oa rahalahy nitiavin'ny Tômpo. Fa Zagnahary no nisafidy areo karaha reo voalôham-bokatra ho an'ny fagnavotagna amin'ny fagnamasianagna ny Fagnahy sindraiky ny fankatoavagna ny fahamarinagna. [Fanamariahagna: ny dikan-tsaoratra sasany dia magnan-jao: "Fa Zagnahary dia nisafidy areo rango tamin'ny voalôhany tagny ho an'ny fagnavotagna]. 14 Zany no nagnantsôvany areo tamin'ny alala'ny vaovao maharavoravo mbô hazahoantsika ny vogninahitr'i Jesôsy Kristy Tômpontsika. 15 Kay noho zany, ry rahalahy, mitsangana mafy. Tano reo fahamarinagna lehy nagnanaragna areo. Na tamin'ny vôlagna na tamin'ny taratasinay. 16 Avaizo aoka i Jesôsy Kristy Tômpontsika taignany, avakeo Zagnahary Babantsika lehy tiantsika sindraiky nagnamia atsika fampaheraizagna baroko dintany sindraiky ny fahatokisagna tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavagna, 17 hampahery avakeo hamaitraka ny fônareo amin'ny asa tsara jiaby ndraiky vôlagna.