Toko 1

1 Paoly, apostoly araikin' i Kristy Jesôsy tamin'ny sitrapôn-jagnahary, ndraiky Timoty rahalahintsika, hoan'ny fiangonan-Jagnahary lehy akao amin'ny Korinto, aveo hoanareo mpino jiaby magneragnany faritra Akaia. 2 Hoaminareo koa ny fahasoavagna ndraiky fiadanagna avy amin-jagnahary iadantsika avakeo Tompo Jesôsy Kristy. 3 Hoderaigny ny Zagnahary ndraiky iadan'ny Tompontsika Jesôsy Kristy. Izy no Iadan' ny famindram-pô jiaby ndraiky Zagnahariny fampiononagna jiaby. 4 Zagnahary dia mampionogno atsika amin' ny fahoriagna jiaby, kay mbô ahafahatsika mampionogno zareo zay aka agnatiny fahoriagna. Atsika dia mampionogno zareo hafa karaha ny fampiononagna lehy nampiasan-Jagnahary ampiononagna atsika. 5 Fao karaha ny hitombaosan'ny fijalian'i Kristy nohon'ny aminay, no hitombaosan' ny fampiononagna zahay koa amin'ny alalan'i Kristy. 6 Fao raha nampahoriagna zahay, zany dia ho an'ny fampiononagna aveo famonjiagna areo. Ary raha nampiononogno zahay, zany dia ho an'ny fampiononagna areo. Ny fampiononagna areo dia mahômby koafa manam-paharaitagna hirasa regny fijaliagn zay mitôvy amin'ny fijaliagnay koa. 7 Fao ny fahatokisagnanay mahakasiky areo dia azo antoko, satria zahay dia mahay fao areo koa dia mirasa regny fijaliagna, areo koa dia mirasa fampiononagna. 8 Fao tsy tianay areo tsy hahay, rahalahy, ny aminy regny olagna nahazo zahay tagny Asia. Zahay dia nampitongoasigny raha bahery mavaisatra mihoatra lehy tôkony ho tonganareo, fontry loatra kay toy nagnantaigna ny hiaigny haila eky zahay. 9 Taminay tatô ny fagnamelôhagna ho foaty. Fao zany no nahatonga zahay tsy hagnambaila ny tokinay ekeo amin'ny haigninay foagna, fao ndraiky amin-Jagnahary zay mampitsangagna ny maty. 10 Nagnavotro zahay tamin'ny loza mahafaty karaha zany Izy, avakeo mbôla hagnavotro ndraiky. Zahay dia magnapetraka ny tokinay taminazy fao mbôla hagnafaka zahay ndraiky Izy. 11 Izy dia hagnano zany satria areo koa dia magnampy zahay amin'ny alalan'ny vavakareo. Ary maro avy akeo no hagnomia fisaoragna amin'ny agnaragnay noho ny tômbom-pahasoavagna namiagna zahay tamin'ny alalany reo vavaka ny maro. 12 Zahay dia miraiharaiha amin'izao: fijoroagna tomoa ny amin' ny feon' ny fieritreraitagnagnay. Fao tamin'ny fikasagna madio aveo fahatsoram-pô zay avy amin-Jagnahary lehy nitonga zahay ny haigninay aka amin'izao tontolo izao. Zahay dia nahavita zany jiaby zany ary ny ankamaroany niaraka taminareo—tsy tamin' ny fahindriagnan' izao tontolo izao, fao tamin' ny fahasoavan-Jagnahary. 13 Zahay dia tsy nanôratra raha tsy ho voavaky na ho azonareo. Zaho dia magnantaigna fao, 14 satria areo nahazo ny mahakasiky zahay ami'ny ampahany, zahay dia ho anton'ny raiharaihanareo amin' ny andron' ny Tompontsika Jesôsy, karaha areo ho antony hiraiharaihanay. 15 Satria natoky ny mahakasiky zany zaho, dia te ho agny aminareo alaoha, mbô hahafahanareo mahazo tômbony amin' ny fitsidihagna aroa. 16 Niomagna ny hitsidika areo koafa tagny amin'ny lalagnanaha ho akagny Makedonia zaho. Ary avakeo dia mbôla nagniry hitsidiky areo ndraiky zaho tamin'ny diako avy tagny Makedonia, avakeo ny mbô hagnatairanareo zaho tagny amin'ny lalako ho agny Jodia akeo. 17 Koafa nieritreritry tôrotro zany zaho, nisalasala moa zaho? Nagnomagna reo raha reo araka ny nôfo moa zaho, mbô ivolagnako "Eny, eny" ndraiky "Tsia, tsia" amin' ny fotoagna araiky foagna? 18 Fao satria Zagnahary dia mahatoky, atsika dia tsy afaka ny hivaolagna na "Eny" na "Tsia." 19 Fao ny Zana-Jagnahary, Jesôsy Kristy, lehy nitorian' i Sylvanosy, Timoty ary zaho taminareo, dia "Eny" na ''Tsia." Fao Izy dia ninainagna foagna magnanjao "Eny." 20 Satria ny fampagnatenagnan-Jagnahary jiaby dia "Eny" aby aka aminazy. Kay amin'ny alalany koa atsika dia hivaolagna magnanjao "Amena" ho agny vogninahitry Zagnahary. 21 Ary Zagnahary lehy magnamafy zahay aminareo akao amin'i Kristy, aveo Izy no nagniraka atsika. 22 Izy dia nagnisy tombokase tamintsika ary antoko zay mbôla hamiany atsika avy afara. 23 Fao nagnantso Zagnahary zaho, hitsangana atomoanaha zay antony tsy nahaviako tao Korinto mbô hamindrako fô aminareo. 24 Izany dia tsy sagnatria noho zahay miaizaka ny mamehy zay tôkony ho finoagnanareo. Fao ndraiky, zahay dia miara-miasa aminareo amin' ny fifaliagnanareo, satria areo mitsangagna akao amn' ny finoagnanareo.